Galatianina 2:1-21

2  Rehefa afaka efatra ambin’ny folo taona, dia niara-niakatra tamin’i Barnabasy+ tany Jerosalema+ indray aho, ary nentiko koa i Titosy.  Noho ny zavatra naharihary+ tamiko anefa no niakarako tany. Ary novelabelariko teo anatrehan’ireo+ lehilahy niavaka ireo ny vaovao tsara toriko amin’ny hafa firenena, saingy nitokana no namelabelarako izany teo anatrehan’izy ireo, sao ho very maina fotsiny izao hazakazaka+ ataoko izao, na ny efa nataoko.+  Fa na i Titosy+ izay niaraka tamiko aza, dia tsy noterena hoforana+ nefa Grika izy.  Fa noho ny rahalahy sandoka+ izay nampidirina mangingina teo anivontsika,+ sady nisoko niditra mba hitsikilo ilay fahafahana+ ananantsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy Jesosy antsika, mba hanandevozan’izy+ ireo tanteraka antsika...  Tsy nilefitra tamin’izy ireo na nanaiky azy ireo izahay,+ na ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny+ vaovao tsara eo aminareo.  Fa raha ny amin’ireo lehilahy heverina ho ambony+ kosa, amiko ireny lehilahy niavaka ireny dia tsy nampita zava-baovao. Ary tsy zava-dehibe loatra amiko na karazan’olona nanao ahoana na nanao ahoana izy ireny taloha.+ Andriamanitra mantsy tsy mijery ny miseho ivelany amin’ny olombelona.+  Fa rehefa hitan’izy ireo kosa fa nankinina tamiko+ ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny tsy voafora,+ toy ny nanankinana tamin’i Petera ny fitoriana tamin’ny voafora+  —ilay nanome fahefana an’i Petera ho tonga apostolin’ny voafora mantsy no nanome fahefana ahy koa+ ho tonga apostolin’ny hafa firenena—  eny, rehefa fantatr’i Jakoba+ sy Kefasy ary Jaona, izay ekena ho andrin’ny fiangonana,+ fa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ aho,+ dia notoloran’izy ireo ny tanany ankavanana izahay sy Barnabasy+ ho mariky ny fiaraha-miasa,+ mba handehananay any amin’ny hafa firenena, fa izy ireo kosa any amin’ny voafora. 10  Fa izao fotsiny no nohafarana anay: Tokony hahatsiaro foana ny mahantra izahay.+ Ary izany indrindra no efa iezahako mafy hatao.+ 11  Rehefa tonga tany Antiokia+ anefa i Kefasy,+ dia nanohitra azy imasoimaso aho satria hita fa meloka izy.+ 12  Niara-nihinana+ tamin’ny hafa firenena mantsy izy talohan’ny nahatongavan’ny olona avy any amin’i Jakoba,+ fa rehefa tonga kosa ireo dia nihatakataka sy nitokana izy, noho ny fahatahorany+ ny voafora.+ 13  Niara-nihatsaravelatsihy+ taminy koa ny Jiosy hafa rehetra, ka na i Barnabasy+ aza mba voataonan’izy ireo hihatsaravelatsihy koa. 14  Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny vaovao tsara izy ireo,+ dia hoy aho tamin’i Kefasy teo anatrehan’ny rehetra:+ “Raha ianao izay Jiosy aza manao toy ny hafa firenena, fa tsy toy ny Jiosy, nahoana ny hafa firenena no terenao hanaraka ny fanaon’ny Jiosy?”+ 15  Tena Jiosy isika,+ fa tsy mpanota+ anisan’ny hafa firenena, 16  ary fantatsika fa ny finoana+ an’i Kristy Jesosy no hany fomba anambarana olona iray ho marina,+ fa tsy ny asan’ny lalàna. Isika koa aza nino an’i Kristy Jesosy, mba ho azo ambara ho marina, noho ny finoana an’i Kristy+ fa tsy noho ny asan’ny lalàna. Tsy hisy nofo hambara ho marina noho ny asan’ny lalàna mantsy.+ 17  Ny hambara ho marina amin’ny alalan’i Kristy no katsahintsika,+ nefa raha isika indray no heverina ho mpanota,+ angaha moa i Kristy mpanompon’ny ota?+ Sanatria izany! 18  Fa raha izay efa narodako no atsangako indray,+ dia asehoko amin’izany fa mpandika lalàna aho.+ 19  Raha izaho kosa, dia noho izaho nanaraka ny lalàna no nahafaty ahy raha ny amin’ny lalàna,+ mba hahavelona ahy ho an’Andriamanitra.+ 20  Voafantsika amin’ny hazo fijaliana miaraka amin’i Kristy aho,+ ary tsy izaho intsony no velona+ fa i Kristy no velona sy tafaray amiko.+ Izao fiainako+ ao amin’ny nofo izao tokoa mantsy dia iainako mifanaraka amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.+ 21  Ary tsy manilika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra+ aho, fa raha ny lalàna no anambarana ho marina+ dia tsy nisy antony tokoa ny nahafatesan’i Kristy.+

Fanamarihana