Galatianina 4:1-31

4  Izao no lazaiko: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy maha samy hafa azy mihitsy amin’ny mpanompo,+ na dia tompon’ny zavatra rehetra aza izy.  Fa fehezin’ny mpitaiza+ sy ny mpanompo miandraikitra ny ao an-trano izy, mandra-pahatongan’ny andro voatondron-drainy mialoha.  Dia toy izany koa isika: Fony mbola zaza bodo isika dia nandevozin’ny zavatra fototra+ eto amin’ity tontolo ity.  Fa rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voafetra,+ dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany,+ izay natera-behivavy+ ary nateraka teo ambanin’ny lalàna,+  mba hividianany+ an’izay eo ambanin’ny lalàna+ ka hanafahany azy ireo. Ary amin’izay isika dia handray ny fananganana antsika ho zanaka.+  Koa satria zanaka ianareo, dia nalefan’Andriamanitra ao am-pontsika ny fanahin’ny+ Zanany, ary io fanahy io no miantsoantso hoe: “Aba,* Ray ô!”+  Koa tsy mpanompo intsony àry ianao fa zanaka. Ary raha zanaka dia nataon’Andriamanitra ho mpandova koa.+  Fony ianareo tsy nahalala an’Andriamanitra+ anefa, dia izay tsy andriamanitra no notompoinareo.+  Fa izao kosa ianareo efa mahalala an’Andriamanitra, na ny marina kokoa dia hoe efa fantany ianareo.+ Koa nahoana àry ianareo no miverina indray any amin’ireo zavatra fototra+ tsy misy dikany+ sy tsy misy ilana azy, ary te handevozin’izany indray?+ 10  Andro+ sy volana+ sy vanim-potoana ary taona no tandremanareo fatratra. 11  Matahotra ny aminareo aho sao dia sasa-poana+ taminareo. 12  Miangavy anareo aho, ry rahalahy, aoka ho tahaka ahy ianareo,+ satria izaho koa mba efa tahaka anareo.+ Tsy nanisy ratsy ahy ianareo.+ 13  Fantatrareo anefa fa noho ny tsy fahasalaman’ny nofoko no nitoriako ny vaovao tsara taminareo tamin’ny voalohany.+ 14  Ary fitsapana ho anareo izany tsy fahasalamako izany, nefa tsy nanamavo ahy ianareo sady tsy nandrora tamin-drikoriko. Fa noraisinareo toy ny anjelin’Andriamanitra+ sy toa an’i Kristy Jesosy+ kosa aho. 15  Aiza àry ilay hasambarana nanananareo?+ Fa mijoro ho vavolombelona aho fa raha azonareo natao, na ny masonareo aza ho nopotsirinareo ka ho nomenareo ahy.+ 16  Koa nanjary fahavalonareo+ ve aho, satria milaza ny marina+ aminareo? 17  Miezaka fatratra mitaona anareo hiandany aminy ireny,+ kanefa tsy noho ny antony tsara. Fa tiany hosarahina amiko ianareo mba hitadiavanareo azy fatratra.+ 18  Tsara anefa raha miezaka mafy mitaona anareo noho ny antony tsara ny olona,+ ka manao izany foana fa tsy rehefa eo aminareo ihany aho,+ 19  ry zanako+ malalako. Ary toy ny marary mihetsi-jaza hiteraka anareo indray aho, mandra-piforonan’i Kristy ao aminareo.+ 20  Fa te ho eo aminareo aho izao ankehitriny izao,+ ary te hanova ny fomba fiteniko. Very hevitra+ noho ny aminareo mantsy aho. 21  Hono ho’aho, ianareo izay te ho eo ambanin’ny lalàna:+ Tsy renareo ve ny Lalàna?+ 22  Voasoratra, ohatra, fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny anankiray tamin’ny mpanompovavy,+ ary ny anankiray tamin’ny vehivavy afaka.+ 23  Nateraka araka ny nofo anefa ilay tamin’ny mpanompovavy,+ fa nateraka noho ny fampanantenana kosa ilay tamin’ny vehivavy afaka.+ 24  Sary an’ohatra+ izany, satria izy roa vavy dia fifanekena roa,+ ny anankiray natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay,+ ary mitera-jaza ho amin’ny fanandevozana, dia i Hagara izany. 25  Ary io Hagara io dia Sinay,+ izay tendrombohitra anankiray any Arabia. Mifanitsy amin’ilay Jerosalema ankehitriny izy, satria andevo+ izy sy ny zanany. 26  Fa afaka kosa ilay Jerosalema+ any ambony, ary izy no renintsika.+ 27  Fa voasoratra hoe: “Mifalia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka. Mihobia sy mihorakoraha, ry vehivavy tsy mba narary nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady.”+ 28  Isika, ry rahalahy, no zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaka.+ 29  Fa nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy ilay nateraka araka ny nofo+ tamin’izany fotoana izany. Dia tahaka izany koa ankehitriny.+ 30  Fa inona anefa no lazain’ny Soratra Masina? “Roahy any ilay mpanompovavy sy ny zanany, fa tsy hiray lova mihitsy amin’ny zanak’ilay vehivavy afaka ny zanak’ilay mpanompovavy.”+ 31  Koa tsy zanaky ny mpanompovavy isika,+ ry rahalahy, fa zanaky ny vehivavy afaka.+

Fanamarihana

Jereo Mr 14:36 f.a.p.