Galatianina 6:1-18

6  Ry rahalahy isany, raha misy olona sendra manao fahadisoana+ nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy+ eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy.+ Etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka ny tsirairay aminareo mba hitandrin-tena tsara+ sao halaim-panahy ihany.+  Mifampitondrà foana izay mavesatra,+ ary tanteraho amin’izany ny lalàn’i Kristy.+  Fa raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona,+ dia mamita-tena izy.  Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy.+ Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany+ ny tenany amin’ny hafa.  Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay.+  Aoka koa izay ampianarina*+ ny tenin’Andriamanitra mba hifampizara+ ny zava-tsoa rehetra amin’ilay mampianatra.+  Aza manaiky ho voafitaka ianareo:+ Andriamanitra tsy azo vazivazina,+ fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.+  Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony.+ Fa izay mamafy ho an’ny fanahy+ kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.+  Koa aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara,+ satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.+ 10  Koa dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa,+ dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.+ 11  Jereo ange ny havaventin’ny soratra nosoratan’ny tanako+ ho anareo e! 12  Ireo rehetra te hiseho ho tsara eo amin’ny nofo no miezaka manery anareo hoforana,+ nefa izao ihany no antony anaovany izany: Mba tsy hanenjehana azy ireo noho ny hazo fijalian’i Kristy,+ izany hoe i Jesosy. 13  Na ireo hoforana aza dia tsy mitandrina ny Lalàna,+ fa tiany hoforana fotsiny ianareo mba hisy antony hireharehany ny amin’ny nofonareo. 14  Sanatria ahy ny hirehareha, afa-tsy ny amin’ny hazo fijalian’i+ Jesosy Kristy Tompontsika. Izany hazo fijaliana izany no namantsihana an’izao tontolo izao, araka ny hevitro,+ fa namantsihana ahy kosa araka ny hevitr’izao tontolo izao. 15  Fa tsy ny hoe voafora na tsy voafora no zava-dehibe,+ fa ny hoe zavaboary vaovao.+ 16  Ary enga anie ny fiadanana sy ny famindram-po ho amin’izay rehetra hanaraka tsara an’ity fitsipi-pitondran-tena ity, eny, ho amin’ny Israelin’Andriamanitra!+ 17  Koa aoka tsy hisy olona hanahirana ahy, fa izaho efa mitondra marika+ eo amin’ny vatako manamarina ahy ho mpanompon’i Jesosy.+ 18  Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie, ry rahalahy, ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompontsika!+ Amena.

Fanamarihana

Fampianarana am-bava no resahina eto.