Genesisy 10:1-32

10  Ary izao no tantaran’i Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’i Noa:+ Niteraka zazalahy izy ireo taorian’ny safodrano.+  Ary ny zanakalahin’i Jafeta dia i Gomera+ sy Magoga+ sy Maday+ sy Javana+ sy Tobala+ sy Meseka+ ary Tirasa.+  Ary ny zanakalahin’i Gomera dia i Askenaza+ sy Rifata+ ary Togarma.+  Ary ny zanakalahin’i Javana dia i Elisaha+ sy Tarsisy+ sy Kitima+ ary Dodanima.+  Avy tamin’ireo no nielezan’ny mponin’ny nosin’ireo firenena tany amin’ny taniny avy, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fianakaviany avy, ary araka ny fireneny avy.  Ary ny zanakalahin’i Hama dia i Kosy+ sy Mizraima+ sy Pota+ ary Kanana.+  Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba+ sy Havila sy Sabta sy Rama+ ary Sabteka. Ary ny zanakalahin’i Rama dia i Sheba sy Dedana.+  Ary i Kosy niteraka an’i Nimroda.+ Izy io no lasa olo-mahery voalohany teto an-tany.  Mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah izy, ka izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.”+ 10  Ary ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela+ sy Ereka+ sy Akada ary Kalne, tany amin’ny tany Sinara.+ 11  Avy any amin’izany tany izany izy no nankany Asyria,+ ka nanomboka nanorina an’i Ninive+ sy Rehobota-ira sy Kala, 12  ary Resena izay teo anelanelan’i Ninive sy Kala: Izany no tanàna lehibe. 13  Ary ireto no terak’i Mizraima:+ Lodima,+ sy Anamima, sy Lehabima, sy Naftohima,+ 14  sy Patrosima,+ sy Kaslohima+ izay niavian’ny Filistinina,+ ary Kaftorima.+ 15  Ary i Kanana niteraka an’i Sidona+ lahimatoany sy Heta,+ 16  ary koa ny Jebosita,+ ny Amorita,+ ny Girgasita, 17  ny Hivita,+ ny Arkita, ny Sinita, 18  ny Arvadita,+ sy ny Zemarita ary ny Hamatita.+ Ary tatỳ aoriana dia niparitaka ireo fianakavian’ny Kananita. 19  Koa ny sisin-tanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gerara,+ tany akaikin’i Gaza,+ ary hatrany Sodoma sy Gomora+ sy Adma+ ary Zeboima,+ tany akaikin’i Lesa. 20  Ireo no zanakalahin’i Hama araka ny fianakaviany, sy araka ny fiteniny, ary tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy. 21  Ary nanan-taranaka koa i Sema. Razamben’ny zanakalahin’i Ebera+ rehetra izy sady rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra. 22  Ny zanakalahin’i Sema dia i Elama+ sy Asyra+ sy Arpaksada+ sy Loda ary Arama. 23  Ary ny zanakalahin’i Arama dia i Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.+ 24  Ary i Arpaksada niteraka an’i Sela,+ ary i Sela niteraka an’i Ebera. 25  Ary i Ebera niteraka roa lahy: Palega*+ no anaran’ny iray, satria tamin’ny androny no voazarazara ny tany.+ Ary Joktana+ no anaran’ny rahalahiny. 26  Ary i Joktana niteraka an’i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera+ 27  sy Hadorama sy Ozala sy Dikla+ 28  sy Obala sy Abimaela sy Sheba+ 29  sy Ofira+ sy Havila+ ary Jobaba.+ Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. 30  Ary ny faritra nonenan’izy ireo dia nitatra hatrany Mesa ka hatrany Sefara, izay faritra be tendrombohitra tany Atsinanana. 31  Ireo no zanakalahin’i Sema araka ny fianakaviany, sy araka ny fiteniny, ary tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.+ 32  Ireo no fianakavian’ny zanakalahin’i Noa, araka ny taranany sy araka ny fireneny. Ary avy tamin’ireo no nielezan’ny firenena teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano.+

Fanamarihana

Midika hoe “Fizarazarana; Rano Mikoriana.”