Genesisy 11:1-32

11  Ary mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo, sady nitovy ny teny nampiasainy.  Ary rehefa niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka* iray tao amin’ny tany Sinara,+ ka nanorim-ponenana tao.  Dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Andao isika hanao biriky ka handoro izany ao anaty lafaoro.” Koa biriky no nataony solom-bato, ary godorao no nataony solon-drihitra.+  Ary hoy izy ireo: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony.+ Ary andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika,+ sao hiparitaka manerana ny tany isika.”+  Ary nidina i Jehovah mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo naorin’ny zanak’olombelona.+  Dia hoy i Jehovah: “Vahoaka iray ihany izy ireo ary fiteny iray ihany no ampiasain’izy rehetra.+ Ary vao fiandohan’ny ataony izao. Koa tsy misy tsy ho vitany izay mety hokasainy hatao.+  Andeha isika+ hidina eny, ka hataontsika misafotofoto+ ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny+ izy ireo.”  Koa naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.+ Dia natsahatr’izy ireo ny fanorenana ilay tanàna.+  Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Babela,+ satria tao no nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo. Ary naparitak’i+ Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany. 10  Izao no tantaran’i Sema:+ Rehefa zato taona i Sema, dia niteraka an’i Arpaksada+ izy, roa taona taorian’ny safodrano. 11  Ary mbola velona dimanjato taona i Sema, taorian’ny niterahany an’i Arpaksada. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.+ 12  Ary rehefa dimy amby telopolo taona i Arpaksada, dia niteraka an’i Sela.+ 13  Ary mbola velona telo sy efajato taona i Arpaksada, taorian’ny niterahany an’i Sela. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 14  Ary rehefa telopolo taona i Sela, dia niteraka an’i Ebera.+ 15  Ary mbola velona telo sy efajato taona i Sela, taorian’ny niterahany an’i Ebera. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 16  Ary rehefa efatra amby telopolo taona i Ebera, dia niteraka an’i Palega.+ 17  Ary mbola velona telopolo sy efajato taona i Ebera, taorian’ny niterahany an’i Palega. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 18  Ary rehefa telopolo taona i Palega, dia niteraka an’i Reo.+ 19  Ary mbola velona sivy sy roanjato taona i Palega, taorian’ny niterahany an’i Reo. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20  Ary rehefa roa amby telopolo taona i Reo, dia niteraka an’i Seroga.+ 21  Ary mbola velona fito sy roanjato taona i Reo, taorian’ny niterahany an’i Seroga. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 22  Ary rehefa telopolo taona i Seroga, dia niteraka an’i Nahora.+ 23  Ary mbola velona roanjato taona i Seroga, taorian’ny niterahany an’i Nahora. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 24  Ary rehefa sivy amby roapolo taona i Nahora, dia niteraka an’i Tera.+ 25  Ary mbola velona sivy ambin’ny folo amby zato taona i Nahora, taorian’ny niterahany an’i Tera. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 26  Ary feno fitopolo taona i Tera vao niteraka an’i Abrama+ sy Nahora+ ary Harana. 27  Ary izao no tantaran’i Tera: I Tera niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana. Ary i Harana niteraka an’i Lota.+ 28  Tatỳ aoriana dia maty i Harana, fony izy mbola niaraka tamin’i Tera rainy tany Oran’ny+ Kaldeanina,+ tany amin’ny tany nahaterahany. 29  Ary samy naka vady i Abrama sy Nahora: Saray+ no anaran’ny vadin’i Abrama, fa ny anaran’ny vadin’i Nahora kosa dia Milka,+ zanakavavin’i Harana, izay rain’i Milka sy Iska. 30  Fa i Saray kosa mbola momba+ ihany, satria tsy nanan-janaka. 31  Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy, sy Lota zafikeliny+ izay zanakalahin’i Harana, ary Saray+ vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany, ka niaraka taminy niala tao Oran’ny Kaldeanina hankany amin’ny tany Kanana.+ Dia tonga tao Harana+ izy ireo tamin’ny farany, ka nanorim-ponenana tao. 32  Ary rehefa dimy sy roanjato taona ny andro niainan’i Tera, dia maty tao Harana izy.

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemaka.”