Genesisy 12:1-20

12  Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.+  Ary hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho, ary hataoko malaza ny anaranao. Koa aoka ianao ho fitahiana ho an’ny olona.+  Ary hitahy izay mitso-drano anao aho, fa hanozona kosa an’izay miantso loza ho anao.+ Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao.”+  Dia nandeha i Abrama, araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary niaraka taminy koa i Lota. Ary dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tao Harana.+  Koa nentin’i Abrama i Saray vadiny+ sy Lota zana-drahalahiny,+ mbamin’ny fananana rehetra voangon’izy ireo,+ sy ny olona* rehetra izay efa azony tao Harana. Ary niainga izy ireo ka nankany amin’ny tany Kanana.+ Dia tonga tany amin’ny tany Kanana izy ireo, tamin’ny farany.  Ary namakivaky an’ilay tany i Abrama, ka tonga hatrany amin’ilay toerana atao hoe Sekema,+ teny akaikin’ireo hazoben’i More.+ Ary ny Kananita no tao amin’ilay tany, tamin’izany fotoana izany.  Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.”+ Avy eo i Abrama dia nanorina alitara teo ho an’i Jehovah, izay niseho taminy.  Ary niala teo izy, ka nifindra nankany amin’ny faritra be tendrombohitra any atsinanan’i Betela.+ Dia nanangana ny tranolainy izy, ka i Betela no teo andrefany, ary Ay+ no teo atsinanany. Ary nanorina alitara teo ho an’i Jehovah+ izy, ka niantso ny anaran’i Jehovah.+  Tatỳ aoriana dia nifindra lasy i Abrama, ka nifindrafindra toby nankany Negeba.+ 10  Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ka nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny tany,+ satria mafy ny mosary teo amin’ilay tany nisy azy.+ 11  Ary raha vao hiditra an’i Ejipta iny mihitsy izy, dia niteny tamin’i Saray vadiny hoe: “Azafady ange ianao e! Fantatro tsara fa vehivavy tsara tarehy ianao.+ 12  Koa tsy maintsy hahita anao ny Ejipsianina, ka hilaza hoe: ‘Io no vadiny.’ Dia hovonoin-dry zareo aho, fa ianao kosa hotsimbininy. 13  Koa mba lazao hoe anabaviko ianao,+ mba handeha tsara ny zava-drehetra ka tsy hisy hanjo ahy noho ny aminao, ary ho velona aho* noho ny aminao.”+ 14  Koa raha vao niditra tao Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejipsianina fa tena tsara tarehy ravehivavy. 15  Ary nahita azy koa ireo olona ambony tao an-dapan’i Farao, ka nidera azy tamin’i Farao. Koa nentina nankao an-tranon’i Farao ravehivavy. 16  Ary tsara fanahy tamin’i Abrama i Farao noho ny amin-dravehivavy. Koa nanjary nanana ondry sy omby sy ampondra sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy ampondravavy ary rameva i Abrama.+ 17  Ary i Jehovah nahatonga loza lehibe tamin’i Farao sy ny ankohonany,+ noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.+ 18  Dia nantsoin’i Farao i Abrama, ka hoy izy: “Fa inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nolazainao tamiko fa vadinao izy?+ 19  Nahoana ianao no nilaza hoe: ‘Anabaviko izy’,+ ka efa saika haka azy ho vady aho? Koa ankehitriny, io ny vadinao. Ento izy, dia mandehana!” 20  Koa nomen’i Farao baiko momba an’i Abrama ny olony. Dia naterin’izy ireo i Abrama sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nananany.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.