Genesisy 13:1-18

13  Taorian’izany, dia niala tany Ejipta ka niakatra nankany Negeba+ i Abrama sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nananany. Ary niaraka taminy koa i Lota.  Ary nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena be dia be i Abrama.+  Ary niala tany Negeba izy ka nifindrafindra toby nankany Betela, nankany amin’ilay toerana nasiany ny tranolainy tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy Ay,+  dia teo amin’ny toerana nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany.+ Ary niantso ny anaran’i Jehovah+ teo i Abrama.  Ary nanana ondry sy omby ary tranolay koa i Lota, izay niaraka tamin’i Abrama.  Koa tsy antonona azy mianaka intsony ilay tany mba hiarahany monina, satria nihamaro ny fananan’izy ireo, ka tsy afaka niara-nonina izy.+  Ary nifanditra ny mpiandry ny biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lota. Tamin’izany fotoana izany, dia ny Kananita sy ny Perizita no nonina teo amin’ilay tany.+  Koa hoy i Abrama tamin’i Lota:+ “Aoka re mba tsy hisy fifandirana intsony eo amintsika, sy eo amin’ny mpiandry ny biby fiompiko sy ny anao, fa mpirahalahy isika.+  Tsy eo anoloanao angaha moa ny tany rehetra ka azonao aleha? Aoka re mba hisaraka amiko ianao. Raha miankavia ianao, izaho hiankavanana. Fa raha miankavanana kosa ianao, izaho hiankavia.”+ 10  Koa nanopy ny masony i Lota, dia nahatazana ny Faritr’i Jordana manontolo+ hatrany Zoara.+ Azon-drano tsara ilay faritra manontolo talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora. Eny, tahaka ny zaridainan’i Jehovah+ ilay faritra, tahaka ny tany Ejipta. 11  Koa nifidy ny Faritr’i Jordana manontolo i Lota, ka namindra ny tobiny niantsinanana. Dia nisaraka izy mianaka. 12  Ary nonina teo amin’ny tany Kanana i Abrama, fa i Lota kosa nonina teny amin’ireo tanànan’ny Faritr’i Jordana.+ Farany dia nanangana ny tranolainy teo akaikin’i Sodoma i Lota. 13  Ary ratsy fanahy ny olona tao Sodoma sady nanota be tamin’i Jehovah.+ 14  Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama, taorian’ny nisarahan’i Lota taminy: “Atopazo ange ny masonao, azafady e! Ary avy eo amin’ny toerana misy anao eo, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana.+ 15  Fa homeko anao sy ny taranakao mandritra ny fotoana tsy voafetra, ireo tany rehetra tazanao ireo.+ 16  Ary hataoko tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranakao. Raha misy mahisa ny vovoka amin’ny tany, dia ho voaisa koa ny taranakao.+ 17  Koa mitsangàna, ka mandehana mitety ilay tany amin’ny lavany sy ny sakany, satria ianao no homeko azy io.”+ 18  Dia nonina an-tranolay foana i Abrama. Tatỳ aoriana dia tonga teo amin’ireo hazobe tao Mamre+ tany Hebrona+ izy, ka nonina teo. Ary nanorina alitara ho an’i Jehovah teo izy.+

Fanamarihana