Genesisy 14:1-24

14  Ary izao no nitranga tamin’ny andron’i Amrafela mpanjakan’i Sinara,+ sy Arioka mpanjakan’i Elasara, sy Kedorlaomera+ mpanjakan’i Elama,+ ary Tidala mpanjakan’i Goima:+  Ireo mpanjaka ireo dia niady tamin’i Bera mpanjakan’i Sodoma,+ sy Birsa mpanjakan’i Gomora,+ sy Sinaba mpanjakan’i Adma,+ sy Semebera mpanjakan’i Zeboima,+ ary ny mpanjakan’i Bela na Zoara.+  Ary izy rehetra ireo niray dina+ ka niara-nankany amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima,+ izany hoe ny Ranomasin-tsira.+  Efa nanompo an’i Kedorlaomera nandritra ny roa ambin’ny folo taona mantsy ireo, nefa nikomy tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo.  Koa tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo, dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy, ka resin’izy ireo ny Refaima tao Astarta-karnaima+ sy ny Zozima tao Hama sy ny Emima+ tao Save-kiriataima,  sy ny Horita+ teny amin’ny tendrombohitra Seira,+ ary ny hatrany Ela-parana,+ any an-tany efitra.  Dia niverina izy ireo ka tonga tao Ena-mispata, izany hoe Kadesy.+ Ary resin’izy ireo ny faritra rehetra nisy ny Amalekita.+ Ary resiny koa ny Amorita+ izay nonina tao Hazazona-tamara.+  Ary niroso ny mpanjakan’i Sodoma, mbamin’ny mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjakan’i Adma sy ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela na Zoara, ka nilahatra teo amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima,+ mba hiady tamin’izy ireo,  dia tamin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama, sy Tidala mpanjakan’i Goima, sy Amrafela mpanjakan’i Sinara, ary Arioka mpanjakan’i Elasara.+ Eny, mpanjaka efatra no niady tamin’ny dimy. 10  Ary be lavaka godorao+ ny Lemaka Ivan’i Sidima.+ Ary nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy Gomora+ ka latsaka tao anatin’ireo lavaka. Fa ny sisa kosa nandositra nankeny amin’ny faritra be tendrombohitra.+ 11  Dia nalain’ireo mpandresy avokoa ny fananan’i Sodoma sy Gomora rehetra mbamin’ny sakafony rehetra, ka lasa izy ireo.+ 12  Ary nentiny koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama sy ny fananany, ka nanohy ny diany izy ireo. Nonina tao Sodoma mantsy i Lota tamin’izay fotoana izay.+ 13  Ary afa-nandositra ny lehilahy iray ka tonga nilaza tamin’i Abrama Hebreo,+ izay nonina teo afovoan’ireo hazoben’i Mamre Amorita.+ Rahalahin’i Eskola sy Anera+ io Mamre io, ary samy efa nanao fifanekena tamin’i Abrama izy ireo. 14  Dia ren’i Abrama fa lasa babo ny rahalahiny.+ Koa nangoniny ireo olony voaofana,+ dia mpanompo valo ambin’ny folo sy telonjato izay teraka tao amin’ny ankohonany.+ Ary lasa nanenjika hatrany Dana+ izy. 15  Nony alina, dia nozarazarainy mba hiady tamin’ireny ny tafika nentiny,+ izany hoe ny mpanompony. Ary resiny ireny ka nenjehiny hatrany Hoba, tany avaratr’i Damaskosy. 16  Dia azony indray ny fananana rehetra,+ ary azony koa i Lota rahalahiny sy ny fananany, mbamin’ny vehivavy sy ny olona rehetra.+ 17  Ary rehefa niverina i Abrama taorian’ny nandreseny an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sodoma hitsena azy teo amin’ny Lemaka Ivan’i Save, izany hoe ny Lemaka Ivan’ny mpanjaka.+ 18  Ary nivoaka nitondra mofo sy divay+ i Melkizedeka,+ mpanjakan’i Salema+ sady mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.+ 19  Koa nitso-drano azy izy hoe: “Enga anie i Abrama hotahin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra,+Mpanao ny lanitra sy ny tany!+ 20  Ary hisaorana anie ilay Andriamanitra Avo Indrindra,+Izay nanolotra ny mpampahory anao teo an-tananao!”+ Dia nomen’i Abrama ny ampahafolon’ny zava-drehetra+ izy. 21  Ary hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama: “Omeo ahy ny olona,*+ fa alaivo ho anao ny fananana.” 22  Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: “Manangan-tanana aho ka mianiana+ amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany, 23  fa tsy haka na inona na inona amin’izay anao. Tsia, tsy haka aho na dia kofehy iray, na fehin-kapa iray aza,+ sao ianao hilaza hoe: ‘Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.’ 24  Tsy mila na inona na inona aho,+ afa-tsy izay efa nohanin’ireo tovolahy ihany, sy ny anjaran’izay niaraka tamiko, dia i Anera sy Eskola ary Mamre.+ Aoka izy ireo haka ny anjarany.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.