Genesisy 15:1-21

15  Taorian’izany, dia tonga tamin’i Abrama tao amin’ny fahitana+ ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: “Aza matahotra,+ ry Abrama. Izaho no ampinganao.+ Ary ho lehibe tokoa ny valisoanao.”+  Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, inona no homenao ahy? Ho faty ihany aho nefa mbola tsy manan-janaka, ka i Eliezera+ avy any Damaskosy, no hahazo ny ao an-tranoko.”  Ary hoy koa i Abrama: “Tsy nomenao taranaka aho,+ ka mpanompo+ iray ao amin’ny ankohonako no handova sy handimby ahy.”  Izao anefa no tenin’i Jehovah taminy: “Tsy handova na handimby anao izany lehilahy izany, fa izay haterakao no handova sy handimby anao.”+  Ary nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra e! Ary isao ny kintana, raha mahisa azy ianao.”+ Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+  Ary naneho finoana an’i Jehovah izy,+ ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina.+  Mbola hoy koa izy taminy: “Izaho no Jehovah, izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeanina, mba hanome anao ity tany ity ho lovanao.”+  Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ahoana no hahafantarako fa ho lovako ity?”+  Ary hoy izy taminy: “Itondray vantotr’ombivavy telo taona aho, ary koa osivavy telo taona sy ondrilahy telo taona sy domohina ary zana-boromailala.”+ 10  Ary nalain’i Abrama ho eo aminy izany rehetra izany, dia norasainy roa avy, ka napetrany mifanitsy ny tapany roa mitovy. Ny vorona kosa tsy notetehiny.+ 11  Ary nidina nankeo amin’ny fatin’ireo biby ireo ny vorona mpihaza,+ nefa nandroaka azy ireny foana i Abrama. 12  Nony afaka kelikely, dia nadiva hilentika ny masoandro, ary renoky ny torimaso lalina i Abrama.+ Ary nisy haizim-be nampahatahotra nandrakotra azy. 13  Ary hoy Andriamanitra tamin’i Abrama: “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao.+ Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.+ 14  Hotsaraiko anefa ilay firenena hotompoin’izy ireo.+ Ary hivoaka hitondra zava-tsoa maro izy ireo aorian’izany.+ 15  Fa ianao kosa handeha amim-piadanana ho any amin’ny razanao. Ary ho tratrantitra ianao vao halevina.+ 16  Fa amin’ny andron’ny zafiafiny kosa izy ireo vao hiverina eto,+ satria mbola tsy mahatratra ny fara tampony ny fahadisoan’ny Amorita.”+ 17  Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia nisy haizina mikitroka. Ary nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra, nandalo teo anelanelan’ireo biby efa voarasa ireo.+ 18  Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe. 19  Eny, homeko ny taranakao ny tanin’ny Kenita+ sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20  sy ny Hetita+ sy ny Perizita+ sy ny Refaima+ 21  sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.”+

Fanamarihana