Genesisy 16:1-16

16  Ary tsy nanan-janaka tamin’i Abrama i Saray vadiny.+ Izy kosa anefa nanana mpanompovavy ejipsianina: Hagara+ no anarany.  Koa hoy i Saray tamin’i Abrama: “Azafady ange ianao e! Tsy navelan’i Jehovah hanan-janaka aho.+ Koa mba manaova firaisana amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hahazo zanaka avy aminy aho.”+ Dia nihaino an’i Saray i Abrama.+  Ary nalain’i Saray vadin’i Abrama, i Hagara mpanompovaviny ejipsianina, ka nomeny ho vadin’i Abrama.+ Efa folo taona nipetrahana tao amin’ny tany Kanana i Abrama tamin’izay.  Koa nanao firaisana tamin’i Hagara i Abrama, dia bevohoka ravehivavy. Rehefa fantatr’i Hagara anefa fa bevohoka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny.+  Koa hoy i Saray tamin’i Abrama: “Ho tompon’andraikitra amin’izao fahavoazako izao anie ianao! Izaho mihitsy no nanome ny mpanompovaviko ho eo an-tratranao, nefa rehefa fantany fa bevohoka izy, dia nataony tsinontsinona aho. I Jehovah anie hitsara ahy sy ianao!”+  Dia hoy i Abrama tamin’i Saray:+ “Manam-pahefana amin’ny mpanompovavinao ianao. Koa ataovy aminy izay hitanao fa mety.”+ Ary i Saray nampietry an’i Hagara, ka lasa nandositra azy izy.+  Ary hitan’ilay anjelin’i Jehovah+ teo akaikin’ny loharano iray tany an-tany efitra i Hagara. Teo amin’ny lalana mankany Sora+ io loharano io.  Dia hoy ilay anjely: “Ry Hagara mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, ary ho aiza?” Ary hoy izy: “Mandositra an’i Saray tompovaviko aho.”  Ary hoy indray ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Miverena any amin’ny tompovavinao, ka manetre tena eo anatrehany.”+ 10  Ary hoy koa ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Hataoko maro be ny taranakao,+ ka tsy ho voaisa izy noho ny hamaroany.”+ 11  Mbola hoy koa ilay anjelin’i Jehovah: “Bevohoka ianao izao, ka ho tera-dahy. Ary hataonao hoe Ismaela+ ny anarany, fa efa ren’i Jehovah ny fahorianao.+ 12  Ary tsy ho laitra fehezina toy ny zebra izy: Ny tanany hanohitra ny rehetra, ary ny tanan’ny rehetra kosa hanohitra azy.+ Ary eo anatrehan’ny rahalahiny rehetra no hananganany ny tranolainy.”+ 13  Ary niantso ny anaran’i Jehovah izay niteny taminy, i Hagara, ka nanao hoe: “Andriamanitra mahita+ ianao.” Hoy mantsy izy: “Teto tokoa ve no nijereko an’ilay mahita ahy?” 14  Izany no antony niantsoana an’ilay lavadrano hoe Bera-lahai-roy.+ Eo anelanelan’i Kadesy sy Bareda izy io. 15  Tatỳ aoriana, dia nitera-dahy tamin’i Abrama i Hagara, ka nataon’i Abrama hoe Ismaela ny anaran’ilay zanany izay naterak’i Hagara.+ 16  Ary enina amby valopolo taona i Abrama, fony i Hagara niteraka an’i Ismaela taminy.

Fanamarihana