Genesisy 18:1-33

18  Taorian’izany, dia niseho+ tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazobe tao Mamre+ i Jehovah. Nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy i Abrahama tamin’izay, tamin’ilay nahamay be iny ny andro.+  Nony nanopy ny masony+ izy ka nijery, dia indreo nisy telo lahy nijoro terỳ lavidavitra terỳ. Ary raha vao nahita azy ireo izy, dia nihazakazaka avy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay mba hitsena azy, ka niankohoka tamin’ny tany.+  Ary hoy izy: “Raha mahazo sitraka aminao aho, Jehovah ô, dia aza andalovana fotsiny re ny mpanomponao e!+  Aoka re mba hakana rano kely ianareo, ka hosasana ny tongotrareo e!+ Dia mialà sasatra eo ambanin’ny hazo.+  Ary haka mofo aho, dia mihinàna mba ho voky,+ ary avy eo dia mahazo mandeha ianareo. Izany mantsy no antony andalovanareo eto amin’ny mpanomponareo.” Dia hoy ireo: “Eny àry. Ataovy araka izany nolazainao izany.”  Koa lasa haingana i Abrahama nankao an-tranolay tao amin’i Saraha, ka niteny hoe: “Makà haingana lafarinina tsara toto intelon’ny seha,* ka volavolao ny koba, dia manaova mofo boribory.”+  Avy eo dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’omby izy, ary naka vantotr’omby tanora sady tsara. Dia natolony ny mpanompo izany, ary nokarakarainy haingana.+  Ary naka dibera sy ronono izy, ary koa ilay vantotr’omby efa nokarakarainy, ka nandroso izany teo anoloan’izy telo lahy.+ Ary nijoro teo anilan’izy ireo teo ambanin’ilay hazo izy, raha mbola nihinana ireo.+  Ary hoy ireo taminy: “Aiza moa i Saraha vadinao?”+ Dia hoy izy: “Ao an-tranolay ao.”+ 10  Ary hoy indray ny iray tamin’izy ireo: “Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hanan-janakalahy i Saraha vadinao.”+ Ary i Saraha nihaino teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay, izay tao andamosin-dralehilahy. 11  Efa antitra sady nandroso taona i Abrahama sy Saraha,+ ary efa tsy tonga fotoana+ intsony i Saraha. 12  Koa nihomehy anakampo i Saraha,+ ka nanao hoe: “Mbola hahita fifaliana ihany ve aho amin’izao fahanterako izao, sady efa antitra koa ny tompoko?”+ 13  Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Nahoana no nihomehy i Saraha, ka nanao hoe: ‘Tena hiteraka tokoa ve aho, nefa izaho efa antitra?’+ 14  Angaha misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah?+ Hiverina eto aminao aho amin’ny fotoana voatondro, amin’ny herintaona toy izao, ka hanan-janakalahy i Saraha.” 15  Fa nanda i Saraha hoe: “Tsy nihomehy aho!” Natahotra mantsy izy. Ary hoy ilay anjely: “Tena nihomehy mihitsy ianao!”+ 16  Ary nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo, dia nitazana an’i Sodoma.+ Ary niaraka taminy i Abrahama mba hanatitra azy.+ 17  Ary hoy i Jehovah: “Hafeniko amin’i Abrahama ve izay hataoko?+ 18  Ho lasa firenena lehibe sy mahery mantsy i Abrahama, ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoana fitahiana amin’ny alalany.+ 19  Efa fantatro tsara izy izao. Koa handidy ny ankohonany sy ny zanany handimby azy izy, mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.+ Amin’izay dia hotanterahin’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy momba azy.”+ 20  Koa hoy i Jehovah: “Tena mafy tokoa ny fitarainana momba an’i Sodoma sy Gomora,+ ary tena mavesatra ny fahotan’izy ireo.+ 21  Tapa-kevitra mihitsy aho ny hidina, mba hahitako raha tena araka ny fitarainana tonga atỳ amiko tokoa ny zavatra ataony. Ary raha tsy araka izany, dia ho fantatro koa.”+ 22  Dia niala teo ireo lehilahy ireo ka lasa nankany Sodoma. Fa i Jehovah+ kosa mbola nijoro teo anatrehan’i Abrahama.+ 23  Ary nanatona i Abrahama ka niteny hoe: “Dia haripakao miaraka amin’ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina?+ 24  Aoka hatao hoe misy olo-marina dimampolo ao an-tanàna. Dia haripakao ve izy ireo ka tsy havelanao ny helok’ilay tanàna, nefa misy an’ireo olo-marina dimampolo ireo ao?+ 25  Sanatria anao ny hanao toy izany!+ Eny, sanatria anao ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy! Raha izany mantsy, dia ho toy izay manjo ny ratsy fanahy ihany no manjo ny marina.+ Tsy hanao ny rariny anefa ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”+ 26  Dia hoy i Jehovah: “Raha mahita olo-marina dimampolo ao amin’ny tanànan’i Sodoma aho, dia hamela ny helok’ilay tanàna manontolo, noho ny amin’izy ireo.”+ 27  Hoy anefa i Abrahama: “Azafady re e! Efa sahy niresaka tamin’i Jehovah ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.+ 28  Aoka hatao hoe tsy ampy dimampolo ireo olo-marina fa latsaka dimy. Horavanao ve ilay tanàna manontolo, noho ny amin’ireo dimy?” Dia hoy izy: “Tsy handrava azy aho, raha mahita dimy amby efapolo ao.”+ 29  Fa hoy indray i Abrahama: “Aoka hatao hoe efapolo no hita ao.” Dia hoy izy: “Tsy hanao izany aho, noho ny amin’ireo efapolo.” 30  Ary niteny indray i Abrahama hoe: “Aoka tsy ho tezitra ianao, Jehovah ô,+ fa mamelà ahy hiteny ihany:+ Aoka hatao hoe telopolo no hita ao.” Dia hoy izy: “Tsy hanao izany aho raha mahita telopolo ao.” 31  Fa mbola hoy ihany i Abrahama: “Efa sahy niresaka tamin’i Jehovah ihany aho:+ Aoka hatao hoe roapolo no hita ao.” Dia hoy izy: “Tsy handrava azy aho, noho ny amin’ireo roapolo.”+ 32  Farany dia hoy i Abrahama: “Aoka tsy ho tezitra ianao, Jehovah ô,+ fa mamelà ahy hiteny izao indray mandeha izao fotsiny:+ Aoka hatao hoe folo no hita ao.” Dia hoy izy: “Tsy handrava azy aho, noho ny amin’ireo folo.”+ 33  Ary lasa i Jehovah+ rehefa vitany ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, fa i Abrahama kosa niverina tany amin’ny toerana nisy azy.

Fanamarihana

1 seha = 7,33 litatra.