Genesisy 19:1-38

  • Notsidihin’ny anjely i Lota (1-11)

  • Nododosina handeha ry Lota mianakavy (12-22)

  • Noravana i Sodoma sy Gomora (23-29)

    • Lasa vongan-tsira mitsangana ny vadin’i Lota (26)

  • Lota sy ny zanany vavy (30-38)

    • Ny razamben’ny Moabita sy ny Amonita (37, 38)

19  Tonga tao Sodoma ireo anjely roa rehefa harivariva. Nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma i Lota tamin’izay. Rehefa nahita azy roa lahy i Lota, dia nitsangana hitsena azy ka niankohoka tamin’ny tany.+ 2  Hoy izy: “Azafady, tompoko! Mba mivilia re any an-tranon’ny mpanomponareo e! Mijanòna any androany alina, dia hosasana koa ny tongotrareo. Afaka mifoha maraina ianareo rahampitso dia manohy ny dianareo.” Hoy anefa izy ireo: “Aoka izao fa hatory eo amin’ny tany malalaky ny tanàna izahay.” 3  Nisisika ihany anefa i Lota, ka niaraka taminy nankany an-tranony izy ireo. Ary nanao sakafo be ho azy ireo izy, sady nanao mofo tsy misy lalivay. Dia nihinana izy ireo. 4  Raha mbola tsy natory anefa izy ireo, dia nitangorona nanodidina an’ilay trano ny lehilahy rehetra tao an-tanànan’i Sodoma, hatramin’ny ankizilahikely ka hatramin’ny lahiantitra, ka nila ady tamin’izy ireo. 5  Ary nitabataba tamin’i Lota foana izy ireo hoe: “Aiza ireny lehilahy tonga tato aminao androany alina ireny? Avoahy atỳ aminay ireny hanaovanay firaisana.”+ 6  Dia nivoaka nankeo amin’izy ireo teo am-baravarana i Lota sady nohidiany ny varavarana. 7  Ary hoy izy: “Miangavy anareo re aho, ry rahalahiko, mba aza manao ratsy re e! 8  Manan-janaka roa vavy aho ato. Mbola tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy mihitsy izy roa vavy. Aleo re izy mirahavavy no havoakako eto aminareo e! Dia ataovy aminy izay hitanareo fa mety. Fa aza atao na inona na inona ireo lehilahy ireo, satria vahiny ato an-tranoko.”*+ 9  Dia hoy ireo: “Mialà teo ialahy e!” Hoy koa ireo: “Vahiny manirery atỳ an-tanin’olona atỳ ilay rangahy io, nefa miseho mitsaratsara antsika! Mbola ho ratsy kokoa noho ny hataonay amin-dry zareo no hataonay amin’ialahy!” Dia nanosika mafy an’i* Lota izy ireo ka nisesika hamaky ny varavarana. 10  Navoakan’izy roa lahy àry ny tanany ka nosintoniny hankao aminy tao an-trano i Lota, dia nohidiany ny varavarana. 11  Ireo lehilahy teo am-baravarana kosa nataony jamba, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka reraka fotsiny izy ireo nitady fa tsy hitany mihitsy ny varavarana. 12  Dia hoy izy roa lahy tamin’i Lota: “Mbola misy havanao ve eto? Ento miala eto amin’ity tanàna ity izay havanao eto, na ny vinantolahinao izany na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy! 13  Fa handeha handrava an’ity toerana ity izahay, satria efa be* loatra ny fitarainana momba azy tonga eo anatrehan’i Jehovah.+ Dia nirahin’i Jehovah handrava an’ity tanàna ity izahay.” 14  Dia lasa i Lota niresaka tamin’ireo vinantolahiny izay efa hanambady ny zanany vavy. Dia hoy foana izy hoe: “Andao haingana hiala eto amin’ity toerana ity, fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity!” Noheverin’ny vinantolahiny fa nivazivazy anefa izy.+ 15  Rehefa nazava ratsy ny andro, dia nododosin’ireo anjely i Lota, ka hoy izy ireo: “Ento haingana ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy ireo, sao ho faty ianao rehefa ravana ity tanàna ity noho ny fahadisoany!”+ 16  Mbola nitaraikiraiky teo anefa i Lota, ka nosintonin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy. Nangoraka azy mantsy i Jehovah.+ Dia naterin’izy roa lahy teo ivelan’ny tanàna izy.+ 17  Vao tongan’izy roa lahy teo an-tsisin’ny tanàna izy ireo, dia hoy ny iray tamin’izy roa lahy: “Mandosira, dia amin’izay ho voavonjy ny ainao! Aza mitodika any aoriana,+ ary aza mijanona na aiza na aiza etỳ amin’ny faritr’i Jordana!+ Mandosira any amin’ny faritra be tendrombohitra, sao ho faty ianao!” 18  Dia hoy i Lota tamin’izy ireo: “Aleo re izaho tsy ho any, Jehovah ô! 19  Azafady re e! Efa mba nankasitrahanao ihany ny mpanomponao, sady tena tsara fanahy amiko* ianao ka namonjy ny aiko.+ Tsy vitako anefa ny mandositra mankeny amin’ny faritra be tendrombohitra, satria matahotra aho sao ho tratran’ny loza dia ho faty.+ 20  Azafady re e! Mba akaikikaiky irỳ tanàna irỳ, ka vitako ny mandositra mankeny. Toerana kely koa io. Mahazo mandositra eny ve aho, azafady? Tanàna kely ange io e! Dia amin’izay aho tsy ho faty.” 21  Dia hoy izy taminy: “Eny àry! Noho ianao+ dia tsy horavako io tanàna resahinao io.+ 22  Mandehana haingana mandositra ao, fa tsy afaka manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao!”+ Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay tanàna hoe Zoara.*+ 23  Efa niposaka teo amin’ilay faritra ny masoandro, rehefa tonga tao Zoara i Lota. 24  Avy eo dia nandefa solifara sy afo i Jehovah, ka nalatsany toy ny orana teo amin’i Sodoma sy Gomora ilay izy. Avy tamin’i Jehovah avy any an-danitra izany.+ 25  Dia noravany ireo tanàna ireo, izany hoe ny faritr’i Jordana manontolo. Naripany koa ny mponina rehetra tao amin’ireo tanàna ireo sy ny zavamaniry tao.+ 26  Niherika anefa ny vadin’i Lota tao aorianany, ka lasa vongan-tsira mitsangana.+ 27  Ary nifoha maraina i Abrahama, ka nankeny amin’ilay toerana nijoroany teo anatrehan’i Jehovah.+ 28  Dia nitazana an’i Sodoma sy Gomora ary ilay faritr’i Jordana manontolo izy, ka nahita setroka be niakatra avy teo amin’ilay tany, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky.+ 29  Rehefa nandrava an’ireo tanàna teo amin’ny faritr’i Jordana ireo àry Andriamanitra, dia tsy hadinony i Abrahama, ka nentiny nivoaka avy tao amin’ireo tanàna noravany i Lota, tao amin’ny tanàna nipetrahany.+ 30  Taorian’izany dia niakatra avy tao Zoara i Lota, niaraka tamin’ny zanany roa vavy, dia nipetraka teny amin’ny faritra be tendrombohitra.+ Natahotra ny hipetraka tao Zoara+ mantsy izy. Koa nipetraka tao anaty lava-bato izy sy ny zanany roa vavy. 31  Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: “Efa antitra ity i Dada, nefa tsy misy lehilahy hanao firaisana amintsika hoatran’ny fanaon’ny olona, eto amin’ity faritra ity. 32  Andao hampisotrointsika divay ny raintsika, dia andao isika hanao firaisana aminy, mba tsy ho lany taranaka izy.” 33  Koa nampisotroin’izy mirahavavy divay ny rainy, tamin’iny alina iny. Dia niditra ny vavimatoa ka nanao firaisana tamin’ny rainy, nefa tsy fantatry ny rainy akory hoe natory teo aminy ilay zanany dia avy eo lasa. 34  Ny ampitson’iny indray, dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: “Efa nanao firaisana tamin’i Dada aho halina. Andao hampisotrointsika divay indray izy androany alina. Dia midira ianao ka manaova firaisana aminy, mba tsy ho lany taranaka ny raintsika.” 35  Koa nampisotroin’izy mirahavavy divay imbetsaka indray ny rainy, tamin’iny alina iny. Dia lasa ilay zandriny nanao firaisana tamin’ny rainy, nefa tsy fantatry ny rainy akory hoe natory teo aminy ilay zanany dia niala teo rehefa nifoha. 36  Dia samy bevohokan’i Lota ny zanany roa vavy. 37  Tera-dahy ilay vavimatoa, ka nataony hoe Moaba ny anarany.+ Izy io no rain’ireo Moabita amin’izao andro izao ireo.+ 38  Tera-dahy koa ilay zandriny, ka nataony hoe Ben-amy ny anarany. Izy io no rain’ireo Amonita+ amin’izao andro izao ireo.

Fanamarihana

Abt: “ato ambany alokaloky ny tafoko.”
Na: “Dia nirohotra nankeo amin’i.”
Na: “mafy.”
Na: “sady tia ahy sy tsy mivadika amiko.”
Midika hoe “Hakelezana.”