Genesisy 21:1-34

21  Ary nitsinjo an’i Saraha i Jehovah araka izay efa nolazainy, ka notanterahin’i Jehovah taminy izay nampanantenainy.+  Koa bevohoka i Saraha+ ka nitera-dahy tamin’i Abrahama, izay efa antitra tamin’izay. Tamin’ilay fotoana voatondro nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama no nitrangan’izany.+  Koa nataon’i Abrahama hoe Isaka+ ny anaran’ilay zanany, izay naterak’i Saraha taminy.  Ary noforan’i Abrahama i Isaka zanany rehefa feno valo andro, araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.+  Zato taona i Abrahama rehefa teraka i Isaka zanany.  Dia hoy i Saraha: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.”+  Ary hoy koa izy: “Iza moa no nanampo fa hisy hiteny amin’i Abrahama hoe: ‘Hampinono zaza i Saraha?’ Nitera-dahy taminy ihany anefa aho, amin’izao fahanterany izao.”  Ary nihalehibe ilay zaza ka nosarahi-nono.+ Koa nanomana fanasambe i Abrahama, tamin’ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka.  Ary tsikaritr’i Saraha fa nihomehy naneso+ an’i Isaka ny zanakalahin’i Hagara Ejipsianina,+ izay naterany tamin’i Abrahama. 10  Koa hoy i Saraha tamin’i Abrahama: “Roahy any io mpanompovavy io sy ny zanany, fa tsy hiray lova amin’i Isaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io!”+ 11  Tena nahasosotra an’i Abrahama anefa izany noho ny amin’ny zanany.+ 12  Hoy anefa Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Aza atao mahasosotra anao izay lazain’i Saraha aminao momba ny zaza sy ny mpanompovavinao. Henoy ny teniny, satria avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.+ 13  Ary ny zanak’ilay mpanompovavinao+ dia hataoko lasa firenena, satria zanakao izy.”+ 14  Koa nifoha maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano. Dia nomeny an’i Hagara izany,+ ka napetrany teo an-tsorony. Ary nomeny azy koa ny zaza,+ ka nalefany nandeha ravehivavy. Dia lasa i Hagara ka nirenireny tany an-tany efitr’i Beri-sheba.+ 15  Tamin’ny farany, dia lany ny rano+ tao amin’ny siny hoditra. Ary nadabony+ teo ambanin’ny kirihitra iray ny zaza. 16  Dia lasa izy nipetraka irery terỳ lavidavitra terỳ, teny amin’ny toerana tokony ho takatry ny zana-tsipìka, satria hoy izy: “Tsy te hahita ny hahafatesan’ny zaza aho.”+ Koa nipetraka lavidavitra izy, dia nidradradradra nitomany.+ 17  Ary ren’Andriamanitra ny feon’ilay zaza.+ Koa niantso an’i Hagara avy tany an-danitra ny anjelin’Andriamanitra, ka niteny taminy hoe:+ “Fa maninona ianao, ry Hagara? Aza matahotra, fa Andriamanitra efa nihaino ny feon’ny zaza erỳ amin’ny misy azy erỳ. 18  Mitsangàna, ary areno ny zaza ka hazòny, fa hataoko firenena lehibe izy.”+ 19  Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara ka nahita lavadrano izy.+ Ary lasa izy nameno rano ny siny hoditra, ka nampisotro rano an’ilay zaza. 20  Ary nomban’Andriamanitra foana ilay zaza,+ ary nihalehibe. Dia nipetraka tany an-tany efitra izy, ary lasa mpandefa zana-tsipìka.+ 21  Nanorim-ponenana tany an-tany efitr’i Parana+ izy, ary nakan-dreniny vady avy any Ejipta. 22  Tamin’izany fotoana izany, dia hoy i Abimeleka sy Pikola lehiben’ny tafiny, tamin’i Abrahama: “Momba anao Andriamanitra amin’izay rehetra ataonao.+ 23  Koa aoka ianao hianiana amiko eto, ka hianiana amin’ny anaran’Andriamanitra+ fa tsy hamitaka ahy sy ny zanako ary ny taranako.+ Tsy niovaova ny fitiavana nasehoko taminao,+ ka aoka mba ho toy izany koa no hataonao amiko sy amin’ny tany ivahinianao.”+ 24  Dia hoy i Abrahama: “Hianiana aho.”+ 25  Ary nanome tsiny mafy an’i Abimeleka i Abrahama, noho ny amin’ny lavadrano nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny.+ 26  Dia hoy i Abimeleka: “Tsy fantatro izay nanao izany, ary ianao koa mbola tsy niteny izany tamiko. Izaho koa tsy nandre izany raha tsy vao izao.”+ 27  Ary i Abrahama naka ondry sy omby, ka nomeny an’i Abimeleka.+ Dia nanao fifanekena+ izy roa lahy. 28  Ary nanokana ondrivavy kely fito avy tamin’ny andian’ondry i Abrahama. 29  Dia hoy i Abimeleka taminy: “Hataonao inona ireto ondrivavy kely fito natokanao ireto?” 30  Dia hoy izy: “Raiso ireto ondrivavy kely fito avy amiko ireto, ho vavolombelona+ fa izaho no nihady ity lavadrano ity.” 31  Izany no antony niantsoany an’ilay toerana hoe Beri-sheba,+ satria teo izy roa lahy no nianiana. 32  Koa nanao fifanekena+ tao Beri-sheba izy ireo. Dia niainga i Abimeleka sy Pikola lehiben’ny tafiny, ka niverina tany amin’ny tanin’ny Filistinina.+ 33  Ary namboly hazo tamariska tao Beri-sheba i Abrahama, ka tao no niantsoany ny anaran’i Jehovah,+ ilay Andriamanitra mandrakizay.+ 34  Ary mbola nivahiny andro maro teo amin’ny tanin’ny Filistinina i Abrahama.+

Fanamarihana