Genesisy 22:1-24

22  Tatỳ aoriana dia nizaha toetra+ an’i Abrahama Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Ry Abrahama!” Dia hoy izy: “Intỳ aho!”+  Ary hoy Andriamanitra: “Ento, azafady, i Isaka+ zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao,+ ka mankanesa any amin’ny tany Moria.+ Ary atolory ho fanatitra dorana izy rehefa any, eo amin’ny tendrombohitra iray holazaiko anao.”+  Koa nifoha maraina i Abrahama ka nanisy lasely ny ampondrany, ary nentiny niaraka taminy ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany.+ Ary namaky kitay ho an’ny fanatitra dorana izy, ary avy eo dia niainga nankany amin’ilay toerana nolazain’Andriamanitra taminy.  Ary efa tamin’ny andro fahatelo i Abrahama vao nahatazana ilay toerana avy lavitra, tamin’izy nanopy ny masony.  Koa hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony:+ “Mijanòna eto ianareo, miaraka amin’ny ampondra, fa izaho sy ny zaza handeha ho erỳ, mba hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra.+ Ary hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.”  Dia nalain’i Abrahama ny kitay ho an’ny fanatitra dorana ka nasainy nentin’i Isaka zanany.+ Ary nentin’i Abrahama ny afo sy ny antsin-kena, ka niara-nandeha izy mianaka.+  Ary hoy i Isaka tamin’i Abrahama rainy: “Dada ô!”+ Dia hoy izy: “Intỳ aho, anaka!”+ Ary hoy i Isaka: “Efa ireto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?”+  Dia hoy i Abrahama: “Andriamanitra ihany, anaka, no hanome ny ondry hatao fanatitra dorana+ hatolotra azy.” Ary nanohy ny diany izy mianaka.  Farany dia tonga teo amin’ilay toerana nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka. Ary nanorina alitara+ teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia nafatony ny tongotra aman-tanan’i Isaka zanany. Ary nataony teo ambonin’ny alitara izy, teo ambonin’ny kitay.+ 10  Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsin-kena mba hamonoana ny zanany.+ 11  Niantso azy avy tany an-danitra anefa ilay anjelin’i Jehovah, nanao hoe:+ “Ry Abrahama! Ry Abrahama!” Dia hoy izy: “Intỳ aho!” 12  Ary hoy ilay anjely: “Aza maninjitra ny tananao hamely ny zaza, ary aza manao na inona na inona aminy mihitsy.+ Fa fantatro tokoa izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.”+ 13  Tamin’izay dia nanopy ny masony i Abrahama ka nahita ondrilahy tsy dia lavitra teo, ary voasaringotry ny kirihitrala ny tandrok’ilay ondry. Dia nalain’i Abrahama ilay ondry, ka natolony ho fanatitra dorana ho solon-janany.+ 14  Ary nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire ny anaran’ilay toerana. Izany no nahatonga an’ilay fiteny mahazatra ankehitriny hoe: “Any an-tendrombohitr’i Jehovah no hanomezana izany.”+ 15  Ary niantso an’i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra ilay anjelin’i Jehovah, 16  nanao hoe: “‘Mianiana amin’ny tenako aho’, hoy i Jehovah,+ ‘fa noho ianao nanao izao zavatra izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao,+ 17  dia hitahy anao tokoa aho, ka tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina.+ Ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.+ 18  Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao,+ satria nihaino ny teniko ianao.’”+ 19  Avy eo dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama. Ary niainga izy ireo ka niara-nankany Beri-sheba.+ Dia nitoetra tao Beri-sheba i Abrahama. 20  Taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Abrahama hoe: “I Milka+ koa efa nitera-dahy tamin’i Nahora+ rahalahinao, 21  dia i Oza lahimatoa sy Boza+ rahalahiny sy Kemoela rain’i Arama, 22  sy Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidlafa ary Betoela.”+ 23  Ary i Betoela niteraka an’i Rebeka.+ Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. 24  Ary nanana vadikely koa i Nahora: Reoma no anarany. Ary niteraka an’i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Maka+ i Reoma.

Fanamarihana