Genesisy 23:1-20

23  Ary fito amby roapolo amby zato taona ny andro niainan’i Saraha. Izany no taona niainany.+  Ary i Saraha maty tao Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona,+ any amin’ny tany Kanana.+ Ary niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony an’i Saraha sy hitomany azy.  Dia niala teo anatrehan’ny maty izy nony avy eo ka niteny tamin’ny taranak’i Heta+ hoe:  “Vahiny sy mpiavy eto aminareo aho.+ Koa omeo toerana azoko andevenana eto aminareo aho, mba handevenako ny vadiko tsy ho eto anatrehako.”+  Dia namaly an’i Abrahama ny taranak’i Heta hoe:  “Mihainoa anay, tompoko:+ Voatendrin’Andriamanitra ho mpiadidy eto aminay ianao.+ Koa izay toeram-pandevenana tsara indrindra eto aminay no andeveno ny vadinao.+ Tsy hisy aminay handa tsy hanome anao ny toeram-pandevenany, ka hanakana anao tsy handevina ny vadinao.”+  Ary i Abrahama niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany,+ dia ny taranak’i Heta,+  ka niteny hoe: “Raha ekenareo ny handevenako ny vadiko tsy ho eto anatrehako, dia henoy aho, ary iangavio i Efrona zanak’i Zohara+  mba hanome ahy ny lava-batony ao Makpela,+ izay eo amin’ny sisin’ny sahany. Aoka homeny ahy eto anatrehanareo izany, araka izay habetsahan’ny volafotsy tokony ho vidiny, mba hahazoako toeram-pandevenana.”+ 10  Ary i Efrona nipetraka teo, niaraka tamin’ny taranak’i Heta. Koa namaly an’i Abrahama i Efrona Hetita,+ teo anatrehan’ny taranak’i Heta sy izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna, nanao hoe:+ 11  “Tsia, tompoko, fa henoy aho: Omeko anao tokoa ilay saha, ary omeko anao koa ilay lava-bato ao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako izany anao.+ Koa aleveno ny vadinao.” 12  Dia niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany i Abrahama, 13  ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’izy ireo, hoe: “Maninona moa raha...? Henoy aho: Homeko anao ny volafotsy vidin’ilay saha. Koa raiso avy amiko izany,+ mba handevenako ny vadiko.” 14  Ary namaly an’i Abrahama i Efrona hoe: 15  “Mihainoa ahy, tompoko: Tany mitentina sekely volafotsy efajato io, nefa misy dikany inona moa izany vidiny izany eo amintsika? Koa aleveno ny vadinao.”+ 16  Dia nihaino an’i Efrona i Abrahama ka nolanjainy ho an’i Efrona ny volafotsy, araka izay efa nolazainy teo anatrehan’ny taranak’i Heta. Sekely volafotsy efajato izany, araka ny lanja fampiasan’ny mpivarotra.+ 17  Koa ny sahan’i Efrona tao Makpela izay tandrifin’i Mamre, izany hoe ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra efa teo, izay tao anatin’ny faritr’ilay saha,+ dia nekena ara-dalàna+ 18  ho fananan’i Abrahama, novidiny teo imason’ny taranak’i Heta, eny, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna.+ 19  Ary i Abrahama nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ny saha tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe tao Hebrona, any Kanana.+ 20  Koa nomen’ny taranak’i Heta an’i Abrahama ilay saha sy ilay lava-bato tao, mba hataony toeram-pandevenana.+

Fanamarihana