Genesisy 24:1-67

24  Ary efa antitra sady nandroso taona i Abrahama. Ary i Jehovah efa nitahy azy tamin’ny zava-drehetra.+  Dia hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony, izay zokiny indrindra tao amin’ny ankohonany sady niandraikitra ny fananany rehetra:+ “Mba ataovy ato ambany feko ny tananao,+ azafady!  Fa mampianiana anao amin’ny anaran’i Jehovah+ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany aho, mba tsy haka vady ho an-janako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay miara-monina amiko.+  Fa ho any amin’ny taniko sy ny havako+ kosa ianao, ka haka vady ho an’i Isaka zanako.”  Hoy anefa ilay mpanompo taminy: “Ahoana raha tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity ravehivavy? Tokony hoentiko miverina any amin’ilay tany nialanao+ ve ny zanakao?”  Dia hoy i Abrahama taminy: “Tandremo sao hoentinao miverina any+ ny zanako.  Efa naka ahy avy tany amin’ny ankohonan-draiko sy ny tanin’ny havako i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ ka nianiana tamiko+ hoe: ‘Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.’+ Koa haniraka ny anjeliny eo alohanao izy,+ ka any+ no hakanao vady ho an-janako.  Raha tsy te hiaraka aminao kosa ravehivavy, dia ho afaka amin’izao fianianana nataonao tamiko izao ianao.+ Fa izao fotsiny: Aza entinao miverina any ny zanako.”  Dia nataon’ilay mpanompo tao ambany fen’i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’izany izy.+ 10  Koa naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony ilay mpanompo. Ary nakany avokoa ny karazan-java-tsoa rehetra+ nananan’ny tompony ka nentiny. Dia niainga ho any Mezopotamia izy, ho any amin’ny tanànan’i Nahora. 11  Tamin’ny farany, dia nampandohalehiny teo ivelan’ny tanàna, teo anilan’ny lavadrano iray, ny rameva.+ Efa ho takariva tamin’izay, tokony ho tamin’ny fotoana fivoahan’ny vehivavy hantsaka rano.+ 12  Dia hoy izy: “Ry Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô!+ Mba ataovy re izay hitrangan’izao zavatra izao eto anatrehako anio e, ka manehoa hatsaram-panahy feno fitiavana+ amin’i Abrahama tompoko+: 13  Eto anilan’ny loharano aho izao, ary mivoaka hantsaka ny zanakavavin’ny olona ao an-tanàna.+ 14  Koa izay tovovavy hilazako hoe: ‘Mba ampidino kely ny sininao hisotroako’, ka hilaza hoe: ‘Misotroa, ary hanome rano ho an’ny ramevanao koa aho’, dia izy no aoka hotendrenao ho an’i Isaka mpanomponao.+ Dia izany no hahafantarako fa tsy miovaova ny fitiavana asehonao amin’ny tompoko.”+ 15  Raha mbola tsy tapitra akory ny teniny,+ dia iny fa nivoaka i Rebeka izay naterak’i Betoela+ zanakalahin’i Milka,+ vadin’i Nahora+ rahalahin’i Abrahama. Ary i Rebeka nitondra ny sininy teny an-tsorony.+ 16  Tena tsara tarehy ilay tovovavy+ sady virjiny, ary mbola tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminy.+ Ary nidina nankeo an-doharano izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. 17  Dia nihazakazaka nitsena azy avy hatrany ilay mpanompo, ka niteny hoe: “Mba omeo rano kely amin’ny sininao aho hosotroiko!”+ 18  Ary hoy razazavavy: “Misotroa àry, tompoko.” Dia nampidininy haingana teo an-tanany ny sininy, ka nomeny rano ralehilahy hosotroiny.+ 19  Rehefa avy nanome rano azy razazavavy, dia hoy izy: “Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho, mandra-pisotron’izy rehetra.”+ 20  Koa nararany haingana tao anaty tavin-drano fampisotroam-biby ny rano rehetra tao anaty sininy. Ary niverimberina nihazakazaka nankeo amin’ny lavadrano izy,+ ka nantsaka tsy an-kiato ho an’ny rameva rehetra. 21  Nandritra izany fotoana izany, dia nibanjina azy ralehilahy sady gaga. Ary tsy niteny mihitsy izy mba hahafantarany raha nambinin’i Jehovah ny diany, na tsia.+ 22  Koa rehefa avy nisotro rano ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’orona+ volamena iray nilanja antsasa-tsekely,* mbamin’ny brasele+ roa nilanja sekely volamena folo, hatao amin’ny tanan’ilay tovovavy. 23  Ary hoy izy: “Zanak’iza moa ianao? Mba azonao lazaina amiko ve? Ary misy azonay atoriana ve ao an-tranon-drainao?”+ 24  Dia hoy razazavavy taminy: “Zanakavavin’i Betoela+ aho, dia i Betoela zanakalahin’i Milka, naterany tamin’i Nahora.”+ 25  Ary hoy koa izy: “Misy mololo ao aminay, ary misy sakafom-biby betsaka sy toerana hatoriana.”+ 26  Koa niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah ralehilahy,+ 27  ka niteny hoe: “Hisaorana anie i Jehovah,+ Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny tompoko foana izy, sady tsy nivadika taminy mihitsy! Rehefa teny an-dalana aho, dia notarihin’i Jehovah ho atỳ an-tranon’ny rahalahin’ny tompoko.”+ 28  Ary nihazakazaka nilaza izany tamin’ny ankohonan-dreniny razazavavy. 29  Ary i Rebeka nanana anadahy: Labana+ no anarany. Ary i Labana nihazakazaka nankeny amin-dralehilahy teny ivelany, teo an-doharano. 30  Hitany mantsy ny kavina teny amin’ny oron’ny anabaviny sy ny brasele+ teny an-tanany, sady efa reny izay nolazain’i Rebeka anabaviny hoe: “Izany no nolazain-dralehilahy tamiko.” Dia nankeo amin-dralehilahy izy, ka io fa mbola nijoro teo anilan’ny rameva, teo an-doharano, ralehilahy. 31  Koa niteny avy hatrany i Labana hoe: “Avia, ry ilay notahin’i Jehovah.+ Nahoana no mijanona atỳ ivelany ianao, nefa izaho efa nanomana ny trano sy izay itoeran’ny rameva?” 32  Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary namaha ny entana teo amin’ny rameva i Labana, ka nanome mololo sy sakafo ho an’ny rameva, ary nanome rano ho an-dralehilahy sy ny olona niaraka taminy mba hanasany tongotra.+ 33  Dia naroso teo anoloan-dralehilahy ny sakafo, nefa hoy izy: “Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny anton-diako.” Dia hoy izy: “Lazao àry!”+ 34  Ary hoy ralehilahy: “Mpanompon’i Abrahama aho.+ 35  Ary i Jehovah efa nandrotsaka fitahiana be dia be tamin’ny tompoko, satria mampanan-karena azy foana izy, sady manome azy ondry sy omby sy volafotsy sy volamena sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy rameva ary ampondra.+ 36  Ary nitera-dahy tamin’ny tompoko i Saraha vadiny, na efa antitra aza.+ Ary homen’ny tompoko ho an-janany izay rehetra ananany.+ 37  Koa nampianiana ahy ny tompoko, ka niteny hoe: ‘Aza maka vady ho an-janako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay tompon’ny tany onenako.+ 38  Fa ho any amin’ny ankohonan-draiko sy ny fianakaviako+ kosa ianao, ka haka vady ho an-janako.’+ 39  Hoy anefa aho tamin’ny tompoko: ‘Ahoana raha tsy te hiaraka amiko ravehivavy?’+ 40  Dia hoy izy tamiko: ‘Haniraka ny anjeliny+ homba anao anie i Jehovah, ka hanambina ny dianao,+ satria eo anatrehany no andehanako!+ Ary haka vady ho an-janako avy amin’ny fianakaviako sy ny ankohonan-draiko+ ianao. 41  Dia ho afaka adidy amiko ianao ka ho afaka amin’ilay fianiananao, rehefa tonga any amin’ny fianakaviako. Ary raha tsy omeny anao ravehivavy, dia ho afaka adidy amiko ianao ka ho afaka amin’ilay fianiananao.’+ 42  “Koa rehefa tonga teo an-doharano aho androany, dia hoy aho: ‘Ry Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, raha tena ambininao tokoa ny diako,+ dia izao no aoka hitranga: 43  Raha mijoro eto an-doharano aho, dia izay zazavavy+ mivoaka hantsaka ka hilazako hoe: “Mba avelao aho hisotro rano kely avy amin’ny sininao”, 44  ary hiteny amiko hoe: “Misotroa, ary hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho”, dia izy no vehivavy voatendrin’i Jehovah ho an’ny zanaky ny tompoko.’+ 45  “Raha mbola niteny+ izany anakampo+ aho, dia iny fa nivoaka i Rebeka nitondra ny sininy teny an-tsorony. Ary nidina nankeo an-doharano izy, ka nantsaka.+ Ary hoy aho taminy: ‘Mba omeo rano kely aho hosotroiko!’+ 46  Dia nampidininy haingana avy teny an-tsorony ny sininy, ka hoy izy: ‘Misotroa,+ ary hanome rano ho an’ny ramevanao koa aho.’ Koa nisotro aho, ary nomeny rano koa ny rameva. 47  Avy eo dia nanontaniako izy hoe: ‘Zanak’iza moa ianao?’+ Dia hoy izy: ‘Zanakavavin’i Betoela aho, dia i Betoela zanakalahin’i Nahora, naterak’i Milka taminy.’ Koa nataoko teo amin’ny orony ilay kavin’orona, ary teo amin’ny tanany ireo brasele.+ 48  Ary niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah aho, ka nisaotra an’i Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko,+ izay nitarika ahy tamin’ny lalana tokony halehako,+ mba haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko ho an-janany. 49  Koa raha maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny tompoko ianareo, ary asehonareo aminy koa fa azony itokisana ianareo,+ dia lazao amiko. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako hiankavanana na hiankavia.”+ 50  Ary hoy ny navalin’i Labana sy Betoela: “Avy tamin’i Jehovah izao zavatra izao.+ Ary tsy afaka hilaza aminao izahay hoe eny na tsia.+ 51  Io anatrehanao io i Rebeka. Ento izy ka mandehana, ary aoka izy ho vadin’ny zanaky ny tomponao, araka izay nolazain’i Jehovah.”+ 52  Raha vao nandre izany tenin’izy ireo izany ilay mpanompon’i Abrahama, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah.+ 53  Ary namoaka zavatra vita tamin’ny volafotsy sy zavatra vita tamin’ny volamena ary akanjo ilay mpanompo, ka nomeny an’i Rebeka. Ary nomeny zava-tsarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny.+ 54  Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ny olona niaraka taminy. Dia natory tao izy ireo, ary nifoha nony maraina. Ary hoy ralehilahy: “Alefaso ho any amin’ny tompoko aho.”+ 55  Dia hoy ny anadahin’i Rebeka sy ny reniny: “Aoka razazavavy hijanona eto aminay folo andro, fara fahakeliny. Aorian’izay, dia afaka mandeha izy.” 56  Fa hoy ralehilahy tamin’izy ireo: “Aza sakananareo tsy handeha aho, fa efa nambinin’i Jehovah ny diako.+ Alefaso ho any amin’ny tompoko aho.”+ 57  Koa hoy ireo: “Andao hantsoina razazavavy mba hanontaniana ny heviny.”+ 58  Ary niantso an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: “Handeha hiaraka amin’io lehilahy io ve ianao?” Dia hoy izy: “Vonona handeha aho.”+ 59  Koa nalefan’izy ireo i Rebeka+ anabaviny, sy ilay nampinono azy taloha,+ ary ilay mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olona niaraka taminy. 60  Ary nitso-drano an’i Rebeka izy ireo hoe: “Ry anabavinay ô, ho tonga an’alinalina inarivoarivo anie ianao, ary aoka ho azon’ny taranakao ny vavahadin’izay mankahala azy!”+ 61  Taorian’izany, dia niainga i Rebeka sy ireo mpanompovaviny,+ ka nitaingina rameva+ ary nanaraka an-dralehilahy. Ary nitondra an’i Rebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. 62  Ary i Isaka niverina avy tany amin’ny lalana mankany Bera-lahai-roy,+ satria nipetraka tao amin’ny tany Negeba+ izy. 63  Ary nivoaka mba hisaintsaina+ tany an-tsaha izy, rehefa harivariva ny andro. Dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary indreny nisy rameva nanatona! 64  Ary nanopy ny masony i Rebeka ka nahita an’i Isaka, dia nidina avy teo amin’ny rameva. 65  Ary hoy izy tamin’ilay mpanompo: “Fa iza iny lehilahy mandeha eny an-tsaha mitsena antsika iny?” Dia hoy ilay mpanompo: “Ny tompoko iny.” Ary naka saron-doha i Rebeka ka nosaronany ny lohany.+ 66  Ary notantarain’ilay mpanompo tamin’i Isaka daholo ny zava-drehetra nataony. 67  Ary i Rebeka nentin’i Isaka nankao an-tranolain’i Saraha reniny.+ Dia nalainy i Rebeka ka lasa vadiny.+ Koa raiki-pitia taminy i Isaka,+ ary nionona tamin’ny nahafatesan-dreniny izy.+

Fanamarihana

1 sekely = 11,4 g.