Genesisy 25:1-34

25  Ary i Abrahama naka vady indray: Ketora no anarany.+  Ary ireto avy no naterany tamin’i Abrahama: Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midianina+ sy Jisbaka ary Soaha.+  Ary i Joksana niteraka an’i Sheba+ sy Dedana.+ Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy Letosima ary Leomima.  Ary ny zanakalahin’i Midianina dia i Efaha+ sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha.+ Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketora.  Tatỳ aoriana, dia nomen’i Abrahama an’i Isaka ny fananany rehetra,+  fa fanomezana kosa no nomeny an’ireo zanany lahy hafa nateraky ny vadikeliny.+ Koa dieny mbola velona izy, dia nasainy niala teo amin’i Isaka zanany ireo,+ ho any amin’ny tany Atsinanana.+  Ary dimy amby fitopolo amby zato taona no andro niainan’i Abrahama,  dia niala aina izy ka maty, rehefa tratrantitra, sady ela niainana sy afa-po. Ary nangonina any amin’ny razany izy.+  Ary i Isaka sy Ismaela zanany nandevina azy tao amin’ny lava-bato tao Makpela, tao amin’ny sahan’i Efrona zanak’i Zohara Hetita, dia ilay saha tandrifin’i Mamre,+ 10  izay novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+ 11  Ary mbola notahin’Andriamanitra i Isaka zanany,+ taorian’ny nahafatesan’i Abrahama. Ary nonina teny akaikin’i Bera-lahai-roy+ i Isaka. 12  Ary izao no tantaran’i Ismaela+ zanakalahin’i Abrahama, izay naterak’i Hagara Ejipsianina mpanompovavin’i Saraha:+ 13  Izao no anaran’ny zanakalahin’i Ismaela, araka ny anarany avy sy araka izay nipoiran’ny fianakaviany avy: Nebaiota+ no lahimatoan’i Ismaela, ary nanarakaraka azy i Kedara+ sy Adbela sy Mibsama+ 14  sy Misma sy Doma sy Masa 15  sy Hadada+ sy Tema+ sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.+ 16  Ireo no zanakalahin’i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tanànany avy sy ny tobiny mifefy vato.+ Samy mpiadidy avokoa izy roa ambin’ny folo lahy ireo, araka ny fokony avy.+ 17  Ary fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Ismaela, dia niala aina izy ka maty. Ary nangonina any amin’ny razany+ izy. 18  Ary ny zanany dia nonina tany amin’ny faritra rehetra hatrany Havila+ teny akaikin’i Sora,+ tandrifin’i Ejipta, ka hatrany Asyria. Tandrifin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany.+ 19  Ary izao no tantaran’i Isaka zanakalahin’i Abrahama:+ I Abrahama niteraka an’i Isaka. 20  Ary efapolo taona i Isaka tamin’izy naka vady an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela+ Syrianina+ avy any Padana-arama, sady anabavin’i Labana Syrianina. 21  Ary nitalaho foana tamin’i Jehovah i Isaka, indrindra fa ho an’ny vadiny,+ satria momba ravehivavy.+ Koa nohenoin’i Jehovah ny fitalahoany,+ ka bevohoka i Rebeka vadiny. 22  Ary niady ireo zaza tao an-kibony.+ Dia hoy i Rebeka: “Raha izao no izy, nahoana re aho no mbola velona ihany e?” Ary lasa izy nanontany an’i Jehovah.+ 23  Dia hoy i Jehovah taminy: “Firenena roa no ao an-kibonao,+ ary vahoaka roa no hisaraka avy ao anatinao.+ Ny vahoaka iray hahery noho ny iray,+ ary ny zokiny hanompo ny zandriny.”+ 24  Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga ny andro tokony hiterahany, ary kambana no tao an-kibony.+ 25  Dia nivoaka ny voalohany. Ary mena ny vatany manontolo, toy ny akanjo volom-biby.+ Koa natao hoe Esao*+ ny anarany. 26  Avy eo dia nivoaka koa ny rahalahiny, ary ny tanany nihazona ny voditongotr’i Esao.+ Koa natao hoe Jakoba*+ ny anarany. Ary enimpolo taona i Isaka tamin’i Rebeka niteraka azy mirahalahy. 27  Dia nitombo ireo zazalahy ireo. Ary lasa lehilahy nahay nihaza i Esao,+ sady mpankeny an-tsaha. Fa i Jakoba kosa lehilahy tsy nanan-tsiny,+ nipetraka an-tranolay.+ 28  Ary i Isaka tia an’i Esao, satria izy nitondra haza hohaniny. Fa i Rebeka kosa tia an’i Jakoba.+ 29  Indray mandeha, dia teo am-pandrahoana lantihy i Jakoba no tonga avy tany an-tsaha i Esao sady reraka. 30  Koa hoy i Esao tamin’i Jakoba: “Mba omeo indray mandrapaka amin’io mena io aho! Haingana fa reraka aho! Omeo amin’io mena io aho ho’aho!” Izany no antony nanaovana ny anarany hoe Edoma.*+ 31  Dia hoy i Jakoba: “Amidio amiko àry aloha ny zonao amin’ny maha lahimatoa anao!”+ 32  Ary hoy i Esao: “Efa ho faty ihany aho, koa inona no soa azoko amin’izay zon’ny lahimatoa?” 33  Fa hoy i Jakoba: “Mianiàna amiko aloha e!”+ Dia nianiana tamin’i Jakoba i Esao, ka namidiny taminy ny zony amin’ny maha lahimatoa azy.+ 34  Ary nomen’i Jakoba mofo sy lantihy izy, ka nihinana sy nisotro.+ Dia nitsangana izy ka lasa. Toy izany no nanaovan’i Esao tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa.+

Fanamarihana

Midika hoe “Voloina.”
Midika hoe “Mihazona Voditongotra; Mpangala-toerana.”
Midika hoe “Mena.”