Genesisy 26:1-35

26  Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ankoatra ilay mosary voalohany tamin’ny andron’i Abrahama.+ Ary i Isaka lasa nankany amin’i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, tany Gerara.+  Ary niseho taminy i Jehovah, ka niteny hoe:+ “Aza midina any Ejipta, fa aoka ianao honina any amin’izay tany hasehoko anao.+  Ary aoka ianao hivahiny eto amin’ity tany ity,+ dia homba anao foana aho ka hitahy anao, satria ianao sy ny taranakao no homeko izao tany rehetra izao.+ Ary hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao+ hoe:  ‘Hataoko maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakao, ary homeko ny taranakao izao tany rehetra izao.+ Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.’+  Nihaino ny teniko mantsy i Abrahama ka nanao foana ny adidiny tamiko, sady nitandrina mandrakariva ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lalàko.”+  Koa mbola nonina tao Gerara i Isaka.+  Ary nanontany foana momba ny vadiny ireo lehilahy teo an-toerana, nefa hoy izy: “Anabaviko izy”,+ satria natahotra izy ny hilaza hoe: “Vadiko izy.” Hoy mantsy izy: “Sao hamono ahy ireo lehilahy eto, noho ny amin’i Rebeka.” Tsara tarehy mantsy ravehivavy.+  Ary raha mbola nijanona elaela tao Gerara i Isaka, dia nitazantazana teo am-baravarankely i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, ka nahita an’i Isaka nisangy an’i Rebeka vadiny.+  Dia niantso an’i Isaka avy hatrany i Abimeleka ka niteny hoe: “Hay, vadinao izy, ka nahoana ianao no nilaza hoe: ‘Anabaviko izy’?” Ary hoy i Isaka taminy: “Nilaza izany aho, satria natahotra sao ho faty noho ny aminy.”+ 10  Fa hoy i Abimeleka: “Inona izao nataonao taminay izao?+ Raha nisy kely foana, dia nanaovan’olona firaisana ny vadinao, ka nahatonga heloka taminay ianao!”+ 11  Dia nandidy ny olona rehetra i Abimeleka hoe: “Hovonoina ho faty izay mikasika an’ity lehilahy ity sy ny vadiny!” 12  Taorian’izany, dia nanomboka namafy voa tao amin’izany tany izany i Isaka.+ Ary nahatratra avo zato heny ny vokatra+ azony tamin’io taona io, satria notahin’i Jehovah izy.+ 13  Koa lasa nanan-karena ralehilahy ka nihanisondrotra ny fiainany, ary nitombo harena hatrany izy ka tonga mpanankarem-be tamin’ny farany.+ 14  Dia nanana andian’ondry sy andian’omby ary mpanompo maro be izy,+ ka nialonan’ny+ Filistinina. 15  Ary ny lavadrano rehetra izay efa nohadin’ny mpanompon-drainy tamin’ny andron’i Abrahama rainy,+ dia efa notampenan’ny Filistinina sy nototofany tany.+ 16  Tamin’ny farany, dia hoy i Abimeleka tamin’i Isaka: “Mialà eto aminay, fa lasa mahery lavitra noho izahay ianao.”+ 17  Koa niala tao i Isaka, dia nitoby teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Gerara,+ ka nanorim-ponenana teo. 18  Ary nohadin’i Isaka indray ireo lavadrano efa nohadina tamin’ny andron’i Abrahama rainy, izay efa notampenan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesan’i Abrahama.+ Ary nantsoiny indray tamin’ny anarany avy izy ireny, araka ny niantsoan-drainy azy.+ 19  Ary nandavaka teo amin’ilay lohasaha falehan-driaka ny mpanompon’i Isaka, ka nahita lavadrano nisy rano madio. 20  Nifanditra tamin’ny mpiandry ondrin’i Isaka anefa ny mpiandry ondry tao Gerara,+ ka nanao hoe: “Anay io rano io!” Koa nataon’i Isaka hoe Eseka ny anaran’ilay lavadrano, satria nifanditra taminy izy ireo. 21  Ary nandavaka lavadrano hafa indray ny mpanompon’i Isaka, nefa nampifanditra azy ireo koa ilay izy. Koa nataon’i Isaka hoe Sitna ny anaran’izy io. 22  Tatỳ aoriana, dia niala teo izy ka nandavaka lavadrano hafa indray.+ Ary tsy nampifanditra azy ireo intsony ilay izy. Koa nataony hoe Rehobota ny anaran’izy io, fa hoy izy: “Satria efa nanome antsika toerana malalaka i Jehovah,+ ka nataony maro isika eto an-tany.”+ 23  Ary niala teo izy ka niakatra nankany Beri-sheba.+ 24  Ary niseho taminy i Jehovah tamin’iny alina iny, ka niteny hoe: “Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao.+ Aza matahotra,+ fa momba anao aho. Ary hitahy anao aho ka hataoko maro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.”+ 25  Koa nanorina alitara teo izy ka niantso ny anaran’i Jehovah,+ sady nanangana tranolay teo.+ Ary nandavaka lavadrano teo ny mpanompon’i Isaka. 26  Tatỳ aoriana, dia tonga teo aminy avy any Gerara i Abimeleka, niaraka tamin’i Ahozata namany akaiky sy Pikola lehiben’ny tafiny.+ 27  Ary hoy i Isaka tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no mankatỳ amiko, nefa ianareo efa nankahala ahy ka nandroaka ahy niala teo aminareo?”+ 28  Dia hoy ireo: “Hitanay tokoa fa momba anao i Jehovah.+ Koa hoy izahay: ‘Andao isika hanao fianianana,+ dia fianianana ifanaovantsika. Ary andao isika hanao fifanekena+ 29  fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao sy tsy nanaovanay afa-tsy izay tsara taminao, ka navelanay handeha soa aman-tsara ianao.+ Fa ianao ankehitriny no tahin’i Jehovah.’”+ 30  Dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka avy eo, ary nihinana sy nisotro ireo.+ 31  Ary nifoha maraina izy ireo ny ampitso, ka nianiana tamin’ny andaniny ny ankilany.+ Taorian’izay, dia nalefan’i Isaka izy ireo ka lasa soa aman-tsara.+ 32  Ary tamin’io andro io, dia tonga ny mpanompon’i Isaka nilaza taminy momba ilay lavadrano nohadin’izy ireo,+ nanao hoe: “Nahita rano izahay!” 33  Koa nataon’i Isaka hoe Shiba ny anaran’izy io. Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Beri-sheba,+ mandraka androany. 34  Ary rehefa efapolo taona i Esao, dia nalainy ho vady i Jodita zanakavavin’i Bery Hetita, ary koa Basemata zanakavavin’i Elona Hetita.+ 35  Ary nangidy ny fiainan’i Isaka sy Rebeka, noho ny amin’ireny.+

Fanamarihana