Genesisy 27:1-46

27  Ary rehefa antitra i Isaka sady efa nanjavozavo be ny masony ka tsy nahita intsony,+ dia nantsoiny i Esao lahimatoany, ka hoy izy taminy:+ “Ry Esao zanako ô!” Dia hoy i Esao taminy: “Intỳ aho!”  Ary hoy i Isaka: “Efa antitra aho,+ ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.+  Koa ankehitriny, mba alaivo kely ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mivoaha ho any an-tsaha ka mandehana mihaza ho ahy.+  Ary anaovy sakafo matsiro araka ilay tiako aho, dia ento atỳ amiko hankafizako azy, mba hitsofako rano anao, alohan’ny hahafatesako.”+  Ren’i Rebeka anefa ny resak’i Isaka tamin’i Esao zanany. Ary i Esao lasa nankany an-tsaha mba hitady haza ka hitondra izany mody.+  Dia hoy i Rebeka tamin’i Jakoba zanany:+ “Vao reko teo ny rainao niteny tamin’i Esao rahalahinao hoe:  ‘Itondray haza aho, dia anaovy sakafo matsiro hankafizako azy, mba hitsofako rano anao eo anatrehan’i Jehovah, alohan’ny hahafatesako.’+  Koa ankehitriny, anaka, henoy izao teny andidiako anao izao:+  Mandehana kely any amin’ny ondry aman’osy, ka itondray zanak’osy roa tsara aho hanaovako sakafo matsiro ho an-drainao, araka ilay tiany. 10  Dia ento any amin-drainao izany hohaniny, mba hitsofany rano anao, alohan’ny hahafatesany.” 11  Fa hoy i Jakoba tamin’i Rebeka reniny: “I Esao rahalahiko ange voloina e, nefa izaho malamalama hoditra.+ 12  Dia ahoana raha mitsapa ahy ny raiko?+ Ho toy ny olona mpananihany azy aho amin’izay,+ ka ozona, fa tsy tsodrano, no ho azoko.”+ 13  Dia hoy ny reniny: “Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka.+ Henoy fotsiny ny teniko, dia mandehana, ka itondray zanak’osy aho.”+ 14  Koa lasa naka zanak’osy izy ka nitondra izany tany amin-dreniny. Ary ny reniny nanao sakafo matsiro araka ilay tian-drainy. 15  Avy eo dia nalain’i Rebeka ny akanjon’i Esao lahimatoany,+ dia ny tsara indrindra tao an-trano,+ ka nampanaoviny an’i Jakoba faralahiny.+ 16  Ary ny hoditry ny zanak’osy dia nataony teo amin’ny tanan’i Jakoba sy teo amin’ny faritra tsy misy volo amin’ny vozony.+ 17  Dia natolony teo an-tanan’i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo namboariny.+ 18  Koa nankao amin-drainy i Jakoba, ka niteny hoe: “Dada ô!” Dia hoy i Isaka: “Intỳ aho! Iza moa ianao, anaka?” 19  Ary hoy i Jakoba tamin-drainy: “Esao lahimatoanao.+ Efa nanao izay nolazainao tamiko aho. Koa mba miarena kely, dia mipetraha, ka mihinàna amin’ny haza nentiko, mba hitsofanao rano ahy.”+ 20  Ary hoy i Isaka tamin-janany: “Fa ahoana, anaka, no nahitanao haza haingana?” Dia hoy i Jakoba: “Satria nataon’i Jehovah Andriamanitrao tojo ahy ilay izy.” 21  Ary hoy i Isaka taminy: “Mba manatòna kely, anaka, hitsapako anao, mba hahafantarako raha i Esao zanako tokoa ianao, na tsia.”+ 22  Koa nanatona an’i Isaka rainy i Jakoba. Ary nitsapa azy i Isaka, dia niteny hoe: “Ny feo dia feon’i Jakoba, fa ny tanana kosa tanan’i Esao.”+ 23  Ary tsy fantany i Jakoba, satria voloina tahaka ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany. Dia nitso-drano azy izy.+ 24  Ary hoy izy: “I Esao zanako tokoa moa ianao?” Dia hoy i Jakoba: “Eny, izaho no izy.”+ 25  Ary hoy i Isaka: “Arosoy eto amiko àry hihinanako izato hazan-janako, mba hitsofako rano anao.”+ Dia narosony teo aminy izany ka nihinana izy, ary nitondrany divay koa izy ka nisotro. 26  Ary hoy i Isaka rainy: “Mba manatòna kely, anaka, hanoroka ahy.”+ 27  Dia nanatona izy ka nanoroka azy. Ary ren’i Isaka ny hanitry ny akanjony.+ Koa nitso-drano azy izy hoe: “Ny hanitry ny zanako dia tahaka ny hanitry ny saha notahin’i Jehovah. 28  Andriamanitra anie hanome anao ny andon’ny lanitra+ sy ny faritra lonaka amin’ny tany,+ ary varimbazaha sy divay vaovao be dia be!+ 29  Hanompo anao anie ireo firenena, ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa!+ Hanana fahefana eo amin’ny rahalahinao anie ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao!+ Ho voaozona anie izay manozona anao, ary hotahina kosa izay mitso-drano anao!”+ 30  Ary niala teo anatrehan’i Isaka rainy i Jakoba raha vao avy nitso-drano azy i Isaka. Raha vao niala teo anefa izy, dia tonga i Esao rahalahiny avy nihaza.+ 31  Ary nanao sakafo matsiro koa izy, dia nentiny teo amin-drainy izany, ka hoy izy: “Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ny hazan-janany, mba hitsofanao rano ahy.”+ 32  Ary hoy i Isaka rainy taminy: “Fa iza moa ianao?” Dia hoy izy: “Esao lahimatoanao.”+ 33  Ary tena nangovitra be mihitsy i Isaka, ka niteny hoe: “Fa iza àry ilay nitady haza ka nitondra izany teto amiko? Efa nohaniko avokoa izay narosony, raha mbola tsy niditra ianao, dia nitso-drano azy aho. Ary hotahina koa izy!”+ 34  Nony nandre ny tenin-drainy i Esao, dia niantsoantso faran’izay mafy sy tamin’alahelo, ka niteny hoe:+ “Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô!”+ 35  Fa hoy ny rainy: “Tonga tamim-pitaka ny rahalahinao mba hahazoany ny tsodrano tokony ho anao.”+ 36  Dia hoy i Esao: “Tsy izany ve no antony nanaovana ny anarany hoe Jakoba, satria fanindroany izao no nakany ny toerako?+ Ny zoko amin’ny maha lahimatoa ahy efa nalainy,+ ary izao indray koa nalainy ny tsodrano tokony ho ahy!”+ Ary hoy koa izy: “Tsy mba nitahiry tsodrano ho ahy ve ianao?” 37  Fa hoy ny navalin’i Isaka an’i Esao: “Efa notendreko hanana fahefana aminao izy,+ ary efa nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra,+ ary nomeko varimbazaha sy divay vaovao izy mba hivelomany.+ Koa inona indray no azoko atao ho anao, anaka?” 38  Ary hoy i Esao tamin-drainy: “Tsodrano iray monja ve no anananao, ry Dada ô? Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô!”+ Dia nidradradradra nitomany+ i Esao. 39  Ary hoy ny navalin’i Isaka rainy: “Tsy ho eny akaikin’ny faritra lonaka amin’ny tany ny fonenanao, sady tsy hahazo ny andon’ny lanitra ambony.+ 40  Ny sabatrao no hivelomanao,+ ary ny rahalahinao no hotompoinao.+ Ary rehefa tsy mahalefitra intsony ianao, dia hotapahinao hiala amin’ny vozonao ny ziogany.”+ 41  Ary i Esao nitana lolompo tamin’i Jakoba noho ny amin’ilay tsodrano nataon-drainy taminy.+ Koa hoy izy anakampo:+ “Efa manakaiky izao ny andro hisaonana an-draiko.+ Aorian’izay, dia hovonoiko i Jakoba rahalahiko.”+ 42  Ary rehefa nisy nilaza tamin’i Rebeka ny tenin’i Esao lahimatoany, dia nampanantsoiny avy hatrany i Jakoba faralahiny, ka hoy izy taminy: “Mampionon-tena amin’ny fikasana hamono+ anao i Esao rahalahinao. 43  Koa henoy ny teniko, anaka, ka mandehana+ mandositra ho any amin’i Labana anadahiko, any Harana.+ 44  Ary mijanòna andro vitsivitsy any aminy, mandra-pitonin’ny fahatezeran’ny+ rahalahinao, 45  eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy.+ Ary hampaka anao avy any aho. Fa ataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy ao anatin’ny iray andro?” 46  Taorian’izany, dia hoy foana i Rebeka tamin’i Isaka: “Halako mihitsy ny fiainako noho ny amin’ireo zanakavavin’ny Hetita ireo.+ Raha sanatria i Jakoba ka manambady zanakavavin’ny Hetita tahaka ireo zazavavy tompon-tany ireo, dia aleoko maty.”+

Fanamarihana