Genesisy 29:1-35

29  Taorian’izany, dia niainga i Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny Tatsinanana.+  Ary nitazana izy ka nahita lavadrano iray tany an-tsaha. Nisy ondry andiany telo natory teo anilan’ilay lavadrano, satria teo no fampisotroan’ny mpiandry ondry ny andian’ondry.+ Ary nisy vato lehibe teo am-bavan’ilay lavadrano.+  Rehefa tafangona teo ny andiany rehetra vao nakodian’ny mpiandry ondry hiala amin’ny vavan’ny lavadrano ilay vato, ka nampisotroiny rano ny ondry. Avy eo dia naveriny teo amin’ny toerany, teo am-bavan’ny lavadrano, ilay vato.  Ary hoy i Jakoba tamin’izy ireo: “Avy aiza moa ianareo, ry rahalahiko?” Dia hoy ireo: “Avy any Harana+ izahay.”  Ary hoy izy tamin’ireo: “Fantatrareo ve i Labana,+ zafikelin’i Nahora?”+ Dia hoy ireo: “Eny, fantatray izy.”  Ary hoy izy: “Salama ve izy?”+ Dia hoy ireo: “Salama izy. Ary iny tonga iny i Rahely+ zanany vavy, mitondra ny ondry!”+  Ary hoy i Jakoba: “Mbola antoandrobe izao, ka tsy fotoana fanangonana ny andian’ondry. Ampisotroy rano ny ondry, dia ento hiraoka ahitra.”+  Fa hoy ireo: “Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona ny andiany rehetra, ka akodia hiala amin’ny vavan’ny lavadrano ny vato. Amin’izay vao mampisotro rano ny ondry izahay.”  Raha mbola niresaka tamin’ireo i Jakoba, dia tonga i Rahely+ nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry razazavavy.+ 10  Ary raha vao hitan’i Jakoba i Rahely zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondrin’i Labana, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavadrano. Dia nampisotroiny rano ny ondrin’i Labana anadahin-dreniny.+ 11  Ary nanoroka+ an’i Rahely i Jakoba, ka nidradradradra nitomany.+ 12  Ary nolazain’i Jakoba tamin’i Rahely fa havan-drainy+ izy sady zanak’i Rebeka. Koa lasa nihazakazaka nilaza izany tamin-drainy i Rahely.+ 13  Raha vao ren’i Labana ny momba an’i Jakoba zanak’anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy.+ Ary namihina sy nanoroka azy izy, ka nitondra azy tao an-tranony.+ Ary notantarain’i Jakoba an’i Labana ny zava-drehetra. 14  Dia hoy i Labana taminy: “Taolako sy nofoko tokoa ianao.”+ Koa nipetraka tao aminy iray volana feno i Jakoba. 15  Taorian’izay, dia hoy i Labana tamin’i Jakoba: “Havako+ ianao, nefa dia hiasa maina ho ahy fotsiny ve?+ Lazao amiko izay ho karamanao.”+ 16  Ary i Labana nanan-janakavavy roa: Lea+ no anaran’ny zokiny, ary Rahely no anaran’ny zandriny. 17  Tsy mba nahafinaritra ny mason’i Lea, fa i Rahely+ kosa sady tsara bika no tsara tarehy.+ 18  Ary raiki-pitia tamin’i Rahely i Jakoba. Koa hoy izy: “Vonona hanompo anao fito taona aho mba hahazoako an’i Rahely faravavinao.”+ 19  Dia hoy i Labana: “Aleoko homena anao izy, toy izay homena olon-kafa.+ Koa mijanòna ato amiko ihany.” 20  Ary nanompo fito taona i Jakoba mba hahazoany an’i Rahely,+ nefa toa andro vitsy monja izany taminy, noho ny fitiavany azy.+ 21  Ary hoy i Jakoba tamin’i Labana: “Omeo ahy amin’izay ny vadiko, fa tapitra ny andro fanompoako, ary aoka aho hanao firaisana aminy.”+ 22  Dia novorin’i Labana ny olona rehetra teo an-toerana, ka nanao fanasambe+ izy. 23  Nony takariva anefa, dia nalainy i Lea zanany vavy, ka nentiny tany amin’i Jakoba mba hanaovany firaisana. 24  Ary i Zilpa+ mpanompovavin’i Labana dia nomeny ho mpanompon’i Lea zanany vavy. 25  Nony maraina, dia hay, Lea no tao! Koa hoy izy tamin’i Labana: “Fa inona ity nataonao tamiko? Tsy ny hahazoako an’i Rahely ve no nanompoako anao? Koa nahoana no nofitahinao aho?”+ 26  Ary hoy i Labana: “Tsy fanao eto aminay ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny. 27  Koa vitao+ hatramin’ny farany ny herinandron’io vehivavy io, dia homena anao koa avy eo ilay iray, ho tambin’ny fanompoanao ahy fito taona indray.”+ 28  Dia nataon’i Jakoba izany, ka novitainy hatramin’ny farany ny herinandron-dravehivavy. Taorian’izay, dia nomen’i Labana ho vadiny koa i Rahely zanany vavy. 29  Ary i Bilaha+ mpanompovavin’i Labana dia nomeny ho mpanompon’i Rahely zanany vavy. 30  Dia nanao firaisana tamin’i Rahely koa i Jakoba, ka naneho fitiavana bebe kokoa tamin’i Rahely noho ny tamin’i Lea.+ Ary mbola nanompo an’i Labana fito taona indray izy.+ 31  Rehefa hitan’i Jehovah fa nankahalaina i Lea, dia nataony izay hananany zanaka,*+ fa i Rahely kosa momba.+ 32  Ary bevohoka i Lea ka tera-dahy. Dia nataony hoe Robena+ ny anarany, fa hoy izy: “Efa nijery ny fahoriana mafy nanjo ahy i Jehovah,+ ka ho tia ahy amin’izay izao ny vadiko.” 33  Ary bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: “Satria efa nihaino i Jehovah,+ noho izaho nankahalaina, ka nomeny an’ity koa aho.” Dia nataony hoe Simeona+ ny anarany. 34  Ary mbola bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: “Hiraiki-po kokoa amiko izao ny vadiko, satria efa telo lahy no naterako taminy.” Koa natao hoe Levy+ ny anarany. 35  Ary mbola bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: “Hidera an’i Jehovah aho amin’ity indray mandeha ity.” Koa nataony hoe Joda+ ny anarany. Taorian’izay, dia nitsahatra tsy niteraka izy.

Fanamarihana

A.b.t.: “nanokatra ny kibony Izy.”