Genesisy 30:1-43

30  Ary rehefa hitan’i Rahely fa tsy niteraka tamin’i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka niteny tamin’i Jakoba hoe:+ “Omeo zaza aho, fa raha tsy izany dia ho faty.”+  Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba, ka hoy izy:+ “Izaho angaha solon’Andriamanitra izay tsy nanome zanaka anao?”+  Ary hoy i Rahely: “Io i Bilaha mpanompovaviko.+ Manaova firaisana aminy, mba hiterahany ho ahy,* ka hahazoako zaza avy aminy.”+  Dia nomeny ho vadin’i Jakoba i Bilaha mpanompovaviny, ka nanaovan’i Jakoba firaisana.+  Ary bevohoka i Bilaha ka niteraka zazalahy taminy.+  Dia hoy i Rahely: “Efa nitsara ahy Andriamanitra+ sady nihaino ny feoko, ka nanome ahy zazalahy.” Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.+  Ary bevohoka indray i Bilaha mpanompovavin’i Rahely, ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba.  Dia hoy i Rahely: “Nifampitolona mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy koa!” Dia nataony hoe Naftaly+ ny anarany.  Rehefa hitan’i Lea fa nitsahatra tsy niteraka izy, dia nalainy i Zilpa mpanompovaviny ka nomeny ho vadin’i Jakoba.+ 10  Ary niteraka zazalahy tamin’i Jakoba i Zilpa mpanompovavin’i Lea. 11  Dia hoy i Lea: “Tsara vintana aho!” Koa nataony hoe Gada+ ny anarany. 12  Ary mbola niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba i Zilpa mpanompovavin’i Lea. 13  Dia hoy i Lea: “Sambatra aho, fa hataon’ny zazavavy hoe sambatra.”+ Koa nataony hoe Asera+ ny anarany. 14  Ary nandehandeha i Robena+ tamin’ny fotoana fijinjana varimbazaha,+ ka nahita angivimbazaha naniry tany an-tsaha. Koa nentiny tany amin’i Lea reniny izany. Ary hoy i Rahely tamin’i Lea: “Mba anomezo amin’ny angivimbazaha+ hitan’ny zanakao aho.” 15  Fa hoy i Lea: “Tsy ampy anao angaha ny nakanao ny vadiko,+ no mbola alainao koa ny angivimbazaha hitan-janako?” Dia hoy i Rahely: “Aleo àry hanao firaisana aminao izy anio alina, ho takalon’ny angivimbazaha hitan’ny zanakao.” 16  Nony tonga avy tany an-tsaha i Jakoba tamin’ny takariva,+ dia nivoaka nitsena azy i Lea ka niteny hoe: “Izaho no hanaovanao firaisana, satria efa nomeko ho karama hahazoana anao ny angivimbazaha hitan-janako.” Koa nanao firaisana taminy i Jakoba iny alina iny.+ 17  Ary nohenoin’Andriamanitra i Lea. Dia bevohoka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba.+ 18  Ary hoy i Lea: “Efa nomen’Andriamanitra karama aho, satria nomeko ho an’ny vadiko ny mpanompovaviko.” Koa nataony hoe Isakara+ ny anarany. 19  Ary bevohoka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakoba.+ 20  Dia hoy i Lea: “Efa nomen’Andriamanitra fahasoavana aho. Tsy hampaninona ny vadiko intsony izao ny maha eto ahy,+ satria enin-dahy no naterako taminy.”+ Koa nataony hoe Zebolona+ ny anarany. 21  Ary niteraka zazavavy izy taorian’izany, ka nataony hoe Dina+ ny anarany. 22  Farany, dia nahatsiaro an’i Rahely Andriamanitra ka nihaino azy, ary nataony izay hananany zanaka.+ 23  Ary bevohoka i Rahely ka tera-dahy. Dia hoy izy: “Efa nesorin’Andriamanitra ny fahafaham-barakako!”+ 24  Koa nataony hoe Josefa+ ny anarany, fa hoy izy: “Efa nampian’i Jehovah zazalahy iray ny zanako.” 25  Ary rehefa niteraka an’i Josefa i Rahely, dia niteny tamin’i Labana avy hatrany i Jakoba hoe: “Alefaso ho any amin’ny toerana niaviako sy ny taniko aho.+ 26  Omeo ahy ny vady aman-janako, izay antony nanompoako anao, dia handeha aho. Fa fantatrao tsara ny fanompoana nataoko ho anao.”+ 27  Ary hoy i Labana taminy: “Raha mahazo sitraka aminao aho, dia mijanòna re e! Hitako tamin’ny fambara mantsy fa noho ianao no itahian’i Jehovah ahy.”+ 28  Ary hoy koa izy: “Lazao izay ho karamanao, fa homeko.”+ 29  Dia hoy i Jakoba taminy: “Fantatrao tsara ny nanompoako anao, sy ny nikarakarako tsara ny biby fiompinao.+ 30  Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako, ary nihabe dia be izany satria notahin’i Jehovah ianao hatramin’ny nidirako teto.+ Koa rahoviana kosa aho no mba hanao zavatra ho an’ny ankohonako?”+ 31  Ary hoy i Labana: “Inona àry no homeko anao?” Dia hoy i Jakoba: “Tsy misy tokony homenao ahy!+ Fa raha izao no hataonao, dia mbola hiandry ny ondry aman’osinao aho,+ ka hiambina azy foana:+ 32  Hitety ny ondry aman’osinao rehetra aho anio. Ary hatokanao ny ondry sada sy mara rehetra, sy ny vantotr’ondrilahy mivolontsôkôlà rehetra, ary ny osivavy mara sy sada rehetra. Koa aorian’izao, dia izay sahala amin’ireo no ho karamako.+ 33  Ary ho hitanao fa manao ny marina aho, na rahoviana na rahoviana ianao no ho tonga hijery ny karamako.+ Izay osivavy rehetra tsy sada na mara sy izay vantotr’ondrilahy tsy mivolontsôkôlà, dia halatra raha hita atỳ amiko.”+ 34  Dia hoy i Labana: “Mety izany. Aoka àry hatao araka ny teninao.”+ 35  Koa natokan’i Labana tamin’iny andro iny ny osilahy misoritsoritra sy mara, sy ny osivavy sada sy mara rehetra, sy izay rehetra misy fotsy, ary ny vantotr’ondrilahy mivolontsôkôla rehetra, ka natolony teo an-tanan’ny zanany lahy. 36  Ary lalana telo andro no nataon’i Labana nanelanelana azy sy Jakoba. Ary i Jakoba niandry ny ondry aman’osin’i Labana sisa. 37  Ary i Jakoba naka tsorakazo mbola maitso tamin’ny hazo stiraksa+ sy hazo amandie+ ary hazo platana.+ Dia nanesorany ny hoditry ny tsorakazo+ mba hivandambandana, ka hiseho ny fotsy. 38  Ary napetrany teo anoloan’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny, ka nataony tao anaty tavin-drano fisotroam-biby,+ izay falehan’ny ondry aman’osy hisotro rano. Amin’izay dia hitady lahy eo anoloan’ireny ny ondry aman’osy rehefa tonga hisotro rano. 39  Koa nitady lahy teo anoloan’ireo tsorakazo ny ondry aman’osy, ka niteraka misoritsoritra sy sada ary mara.+ 40  Dia natokan’i Jakoba ny vantotr’ondrilahy. Ary ny ondry aman’osy dia natodiny tany amin’izay misoritsoritra sy izay mivolontsôkôla rehetra teo amin’ny ondry aman’osin’i Labana. Avy eo dia natokan’i Jakoba ny ondry aman’osiny ka tsy nampiarahiny tamin’ny an’i Labana intsony. 41  Ary isaky ny nitady lahy ny ondry aman’osy matanjaka,+ dia napetrak’i Jakoba tao anaty tavin-drano+ teo anoloan’ny ondry aman’osy ireo tsorakazo, mba hitady lahy teo anilan’ny tsorakazo ny ondry. 42  Raha osaosa kosa ny ondry aman’osy, dia tsy napetrany teo ireo tsorakazo. Koa ny osaosa foana no nanjary an’i Labana, fa ny matanjaka kosa no an’i Jakoba.+ 43  Ary nitombo harena hatrany ralehilahy, ka nanjary nanana ondry aman’osy maro be sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy rameva ary ampondra.+

Fanamarihana

A.b.t.: “eo ambony lohaliko.”