Genesisy 31:1-55

31  Tatỳ aoriana, dia ren’i Jakoba ny tenin’ny zanakalahin’i Labana hoe: “Efa lasan’i Jakoba avokoa izay an’ny raintsika, ary avy tamin’ny fananan’ny raintsika no nanangonany an’ireo harena rehetra ireo.”+  Ary hitan’i Jakoba tamin’ny endrik’i Labana fa tsy faly taminy toy ny taloha intsony izy.+  Tamin’ny farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Jakoba: “Miverena any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny havanao.+ Ary homba anao foana aho.”+  Koa nampiantsoin’i Jakoba hankeny an-tsaha, teo amin’ny ondry aman’osiny, i Rahely sy Lea.  Ary hoy izy tamin’ireo: “Hitako amin’ny endriky ny rainareo fa tsy faly amiko toy ny taloha intsony izy.+ Momba ahy anefa ilay Andriamanitry ny raiko.+  Ary fantatrareo tsara fa tamin’ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo.+  Efa nitady hamitaka ahy ny rainareo ka nanova ny karamako impolo, nefa tsy navelan’Andriamanitra hanisy ratsy ahy izy.+  Raha niteny izy hoe: ‘Ny sada no ho karamanao’, dia niteraka sada avokoa ny ondry aman’osy. Fa raha niteny kosa izy hoe: ‘Ny misoritsoritra no ho karamanao’, dia niteraka misoritsoritra avokoa ny ondry aman’osy.+  Koa nalain’Andriamanitra foana ny biby fiompin-drainareo ka nomeny ahy.+ 10  Tamin’ny farany, rehefa nitady lahy ny ondry aman’osy, dia hitako tao amin’ny nofy+ fa misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina ny osilahy nitaingina ny vavy.+ 11  Ary hoy ny anjelin’Andriamanitra tamiko, tao amin’ilay fahitana: ‘Ry Jakoba!’ Dia hoy aho: ‘Intỳ aho.’+ 12  Ary hoy izy: ‘Mba jereo kely fa misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina avokoa ny osilahy mitaingina ny vavy. Hitako avokoa mantsy izay ataon’i Labana aminao.+ 13  Izaho ilay Andriamanitra niseho taminao tao Betela,+ izay toerana nanosoranao tsangambato+ sy nanaovanao voady tamiko.+ Koa mialà amin’ity tany ity ka miverena any amin’ny tany nahaterahanao.’”+ 14  Dia hoy i Rahely sy Lea taminy: “Angaha moa misy anjara lova ho anay intsony ao an-tranon-drainay?+ 15  Tsy efa ataony toy ny vahiny ve izahay satria efa namidiny, ka ny vola nomena hahazoana anay no ivelomany?+ 16  Fa anay sy ny zanakay ny harena rehetra nalain’Andriamanitra tamin-drainay.+ Koa ankehitriny, ataovy izay rehetra nolazain’Andriamanitra taminao.”+ 17  Dia niainga i Jakoba ka nampitaingeniny rameva ny vady aman-janany.+ 18  Ary nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananana rehetra voangony,+ eny, ny biby fiompy voangony tao Padana-arama, fa ho any amin’i Isaka rainy tany amin’ny tany Kanana, izy.+ 19  Ary i Labana efa lasa nanety ny ondriny. Tamin’izay fotoana izay anefa no nangalaran’i Rahely ireo terafiman’ny*+ rainy. 20  Ary namitaka an’i Labana Syrianina i Jakoba, satria tsy nilaza taminy hoe handositra izy. 21  Dia lasa nandositra izy ka niampita ny Renirano,+ niaraka tamin’izay rehetra azy. Ary nitodi-doha ho any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada+ izy avy eo. 22  Ary tamin’ny andro fahatelo, dia nisy nilaza tamin’i Labana fa lasa nandositra i Jakoba. 23  Koa nentin’i Labana niaraka taminy ny rahalahiny ka lasa nanenjika+ an’i Jakoba izy. Ary lalana fito andro no nandehanany vao nahatratra azy teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada izy. 24  Ary Andriamanitra tonga teo amin’i Labana Syrianina+ tao amin’ny nofy nony alina,+ ka niteny taminy hoe: “Mitandrema amin’izay hoteneninao amin’i Jakoba, na soa na ratsy.”+ 25  Koa nanatona an’i Jakoba i Labana, fa i Jakoba efa nanangana ny tranolainy teo amin’ilay faritra be tendrombohitr’i Gileada. Ary nasain’i Labana nitoby teo koa ny rahalahiny. 26  Dia hoy i Labana tamin’i Jakoba: “Fa inona ity nataonao? Nofitahinao aho, ka nentinao toy ny babo azo tamin-tsabatra ny zanako vavy.+ 27  Nahoana no nandositra mangingina ianao ka namitaka ahy? Raha mba niteny tamiko ianao, dia ho nalefako tamin’ny fifaliana sy ny hira+ sy ny ampongatapaka ary ny harpa.+ 28  Ary tsy navelanao hanoroka ny zanako lahy sy ny zanako vavy aho.+ Hadalana mihitsy izao ataonao izao! 29  Vitako ny manisy ratsy anareo,+ nefa ilay Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina hoe: ‘Mitandrema amin’izay hoteneninao amin’i Jakoba, na soa na ratsy.’+ 30  Koa nandeha ianao izao satria manina mafy ny ankohonan-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro?”+ 31  Ary hoy ny navalin’i Jakoba an’i Labana: “Satria natahotra aho.+ Nieritreritra aho mantsy hoe mety halainao an-keriny amiko ny zanakao vavy. 32  Aoka kosa ho faty izay olona hahitanao ny andriamanitrao.+ Eto anatrehan’ny rahalahintsika, dia jereo tsara izay ato amiko, ka alaivo izay anao.”+ Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa efa nangalarin’i Rahely izany.+ 33  Koa niditra tao amin’ny tranolain’i Jakoba sy ny an’i Lea ary ny an’ireo mpanompovavy roa+ i Labana, nefa tsy nahita. Farany, dia nivoaka avy tao amin’ny tranolain’i Lea izy ka nankao amin’ny an’i Rahely. 34  Ary efa nalain’i Rahely ny terafima, dia napetrany tao anatin’ny harom-behivavy teo amin’ny laselin-drameva, ka nipetrahany. Ary nisava eran’ilay tranolay i Labana, nefa tsy nahita. 35  Ary hoy i Rahely tamin-drainy: “Aoka tsy ho tezitra ny tompoko,+ fa tsy afaka mitsangana eo anatrehanao aho, satria manjo ahy ny zavatra mpahazo ny vehivavy.”+ Koa nikaroka fatratra i Labana, nefa tsy hitany ny terafima.+ 36  Ary tezitra+ i Jakoba ka nifamaly tamin’i Labana, dia niteny taminy hoe: “Inona no fikomiana nataoko,+ ary inona no fahotako, no dia nanenjika ahy mafy ianao?+ 37  Efa avy nisava ny fananako rehetra ianao izao, ka inona tamin’izay rehetra tao an-tranonao no hitanao?+ Apetraho eto anatrehan’ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany,+ dia avelao ry zareo no hitsara antsika mianaka.+ 38  Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao, nefa tsy mba nisy ondrivavinao na osivavinao tsy nahavanona anaka,+ ary tsy mba nisy nohaniko ny ondrilahinao. 39  Tsy nentiko tany aminao izay noviraviraim-biby,+ fa izaho no nivesatra ny fatiantoka. Ary izay nangalarina tamin’ny antoandro na tamin’ny alina, dia notakinao tamiko.+ 40  Nodanihin’ny andro aho nony antoandro, ary matin’ny hatsiaka nony alina. Ary tsy nahita tory mihitsy aho.+ 41  Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao. Efatra ambin’ny folo taona no nanompoako anao hahazoako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona kosa mba hahazoako anjara tamin’ny ondry aman’osinao, ary novanao impolo ny karamako.+ 42  Raha tsy teo anilako ilay Andriamanitry ny raiko,+ ilay Andriamanitr’i Abrahama sy ilay Atahoran’i Isaka,+ dia ho efa nalefanao nody maina fotsiny aho. Efa hitan’Andriamanitra anefa ny fahoriana mafy nanjo ahy sy ny fisasaran’ny tanako, ka nanariny ianao halina.”+ 43  Ary hoy i Labana taminy: “Ireo vehivavy ireo dia zanako vavy, ireo ankizy ireo dia zanako, ny ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary ahy sy an’ny zanako vavy izao rehetra hitanao izao. Koa inona moa no ratsy azoko atao amin’ireo, na amin’ny zanany naterany? 44  Andao hanao fifanekena+ izaho sy ianao, ka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.”+ 45  Dia naka vato i Jakoba ka najorony ho tsangambato.+ 46  Ary hoy i Jakoba tamin’ny rahalahiny: “Makà vato!” Dia naka vato ireo ka nataony antontany.+ Ary nihinana teo ambonin’ilay antontam-bato izy ireo. 47  Ary i Labana niantso azy io hoe Jegara-sahadota, fa i Jakoba kosa niantso azy hoe Galeda. 48  Ary hoy i Labana: “Ity antontam-bato ity no vavolombelona amiko sy aminao anio.” Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay izy hoe Galeda+ 49  sy hoe Ny Tilikambo Fiambenana, fa hoy izy: “Aoka i Jehovah hanara-maso ahy sy ianao foana rehefa tsy mifankahita isika.+ 50  Raha mampahory ny zanako vavy ianao+ na maka vady hafa ankoatra azy ireo, dia tadidio fa na tsy ho hitan’olona aza izany, dia ho hitan’Andriamanitra, izay vavolombelona amiko sy aminao.”+ 51  Ary hoy koa izy tamin’i Jakoba: “Indreo ny antontam-bato sy ny tsangambato, izay najoroko ho mariky ny fifanekena nifanaovantsika. 52  Ity antontam-bato ity no vavolombelona, ary ity tsangambato ity no mijoro ho vavolombelona+ fa tsy hihoatra an’ity antontam-bato ity hamely anao aho, ary ianao koa tsy hihoatra an’ireto antontam-bato sy tsangambato ireto hanisy ratsy ahy.+ 53  Hitsara antsika anie ny andriamanitr’i Abrahama+ sy ny andriamanitr’i Nahora,+ dia ilay andriamanitry ny rain’izy ireo!” Fa i Jakoba kosa nianiana tamin’ilay Atahoran’i Isaka rainy.+ 54  Taorian’izany, dia nanao sorona teo amin’ilay tendrombohitra i Jakoba, ary nanasa an’ireo rahalahiny hisakafo.+ Koa nisakafo izy ireo, ary natory teo amin’ilay tendrombohitra. 55  Ary nifoha maraina i Labana ka nanoroka+ an’ireo zanany lahy sy zanany vavy, dia nitso-drano azy.+ Ary niainga i Labana ka nody tany aminy.+

Fanamarihana

Sampy.