Genesisy 32:1-32

32  Dia nanohy ny diany i Jakoba, ary nifanena taminy ireo anjelin’Andriamanitra.+  Dia hoy i Jakoba raha vao nahita an’ireo: “Tobin’Andriamanitra ity!”+ Koa nataony hoe Mahanaima+ ny anaran’io toerana io.  Ary i Jakoba nandefa iraka+ nialoha azy, ho any amin’i Esao rahalahiny tany amin’ny tany Seira,+ tany amin’ny faritr’i Edoma.+  Koa nandidy azy ireo izy hoe: “Izao no holazainareo amin’i Esao tompoko:+ ‘Hoy i Jakoba mpanomponao: “Nivahiny tany amin’i Labana aho ka nipetraka ela tany, mandraka ankehitriny.+  Dia nanjary nanana omby sy ampondra sy ondry sy mpanompolahy ary mpanompovavy aho.+ Ary te hampilaza amin’ny tompoko aho, mba hahazoako sitraka aminao.”’”+  Ary niverina teo amin’i Jakoba ireo iraka nony afaka elaela, ka niteny hoe: “Tonga tany amin’i Esao rahalahinao izahay. Ary efa eny an-dalana hitsena anao koa izy, miaraka amin’ny efajato lahy.”+  Dia natahotra mafy i Jakoba sady nitebiteby.+ Koa nozarainy ho antokony roa ny olona niaraka taminy, mbamin’ny ondry aman’osy sy ny omby ary ny rameva.+  Fa hoy izy: “Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka manafika azy, dia mba hisy antokony iray ho afa-mandositra.”+  Ary hoy i Jakoba: “Ry Andriamanitr’i Abrahama raiko sy Andriamanitr’i Isaka raiko ô!+ Jehovah ô! Ianao no niteny tamiko hoe: ‘Miverena any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao, fa hanisy soa anao aho.’+ 10  Izaho anefa tsy mendrika ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fitokisana rehetra nasehonao tamin’ny mpanomponao.+ Fa tsy nanana afa-tsy ny tehiko aho fony niampita ity Reniranon’i Jordana ity, nefa izao lasa antokony roa aho.+ 11  Mba vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Esao rahalahiko re aho,+ fa matahotra azy aho e! Sao mantsy izy ho tonga hanafika ahy+ mbamin’ny ankizy sy ny reniny. 12  Ary ianao efa nilaza hoe: ‘Hanisy soa anao tokoa aho, ary ny taranakao hataoko maro be tsy hita isa tahaka ny fasika any an-dranomasina.’”+ 13  Dia nitoetra teo izy ny alin’iny. Ary izay teo am-pelatanany no nakany hatao fanomezana ho an’i Esao rahalahiny:+ 14  Osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo, 15  rameva telopolo mampinono sy ny zanany, ombivavy efapolo sy ombilahy folo, ary ampondravavy roapolo sy ampondralahy folo.+ 16  Dia natolony ny mpanompony ny andiam-biby tsirairay, ka izao foana no nolazainy tamin’ireo mpanompony: “Miampità mialoha ahy, ary ataovy mifanelanelana ny andiam-biby.”+ 17  Ary nodidiany ny voalohany hoe: “Raha mifanena aminao i Esao rahalahiko ka manontany hoe: ‘An’iza moa ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ireo eo alohanao ireo?’, 18  dia lazao hoe: ‘An’i Jakoba mpanomponao. Fanomezana+ nalefany ho an’i Esao tompoko+ mantsy ireo, ary ao aoriananay ao koa izy.’” 19  Ary nodidiany koa ny faharoa sy ny fahatelo, ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby, nanao hoe: “Araka izany teny izany no holazainareo amin’i Esao, rehefa mifanena aminy ianareo.+ 20  Ary lazao koa hoe: ‘Ao aoriananay ao i Jakoba mpanomponao.’”+ Fa hoy izy anakampo: “Ny fanomezana alefako hialoha ahy no hampitoneko azy,+ vao hifanatri-tava aminy aho. Angamba handray ahy tsara izy.”+ 21  Koa niampita nialoha azy ny fanomezana, fa izy kosa nitoetra teo an-toby tamin’iny alina iny.+ 22  Ary nitsangana izy tamin’iny alina iny, ka nalainy ny vadiny roa+ sy ny mpanompovaviny roa+ ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy,+ dia nentiny niampita teo amin’izay marivo teo Jaboka.+ 23  Koa nentiny teny ampitan’ilay lohasaha falehan-driaka+ izy ireo, ary nentiny koa izay nananany. 24  Farany, dia i Jakoba irery no nijanona teo. Ary nisy lehilahy nifampitolona taminy, mandra-pahazava ratsin’ny andro.+ 25  Rehefa hitan-dralehilahy fa tsy resiny i Jakoba,+ dia nokasihiny ny foto-peny. Koa nipitsoka ny foto-pen’i Jakoba, tamin’izy nifampitolona taminy.+ 26  Ary hoy ralehilahy: “Avelao aho handeha, fa efa mazava ratsy ny andro.” Dia hoy i Jakoba: “Tsy havelako handeha ianao, raha tsy mitso-drano ahy aloha.”+ 27  Ary hoy ralehilahy taminy: “Iza moa ny anaranao?” Dia hoy izy: “Jakoba.” 28  Ary hoy ralehilahy: “Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely,*+ satria efa nitolona+ tamin’Andriamanitra sy tamin’olona ianao, ka nandresy.” 29  Dia nanontany i Jakoba hoe: “Mba lazao amiko àry ny anaranao.” Fa hoy ralehilahy: “Nahoana no anontanianao ny anarako?”+ Dia nitso-drano azy teo izy. 30  Koa nataon’i Jakoba hoe Peniela+ ny anaran’ilay toerana, satria hoy izy: “Efa nifanatri-tava tamin’Andriamanitra aho, nefa voavonjy ny aiko.”+ 31  Ary niposaka ny masoandro raha vao nandalo an’i Penoela izy. Ary nikotringa izy noho ny feny.+ 32  Izany no antony tsy ihinanan’ny zanak’Israely ny hozatra* eo amin’ny foto-pe mandraka androany, satria nokasihin’ilay lehilahy ny hozatry+ ny foto-pen’i Jakoba.

Fanamarihana

Midika hoe “Mitolona Andriamanitra; Mpitolona (Manam-paharetana) Amin’Andriamanitra.”
Izy io dia hozabe mampitohy ny tonon-taolana eo amin’ny foto-pe.