Genesisy 33:1-20

33  Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nijery, ary iny fa tonga i Esao, ary nisy efajato lahy niaraka taminy.+ Koa nozarazarain’i Jakoba tamin’i Lea sy Rahely ary ny mpanompovavy roa, ireo ankizy.+  Ary nataony loha laharana ireo mpanompovavy sy ny zanany,+ ary nanarakaraka i Lea sy ny zanany,+ ary i Rahely sy Josefa no tao aorianan’izy ireo.+  Dia nandeha nialoha azy ireo i Jakoba, ka niankohoka tamin’ny tany impito, mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny.+  Ary nihazakazaka nitsena azy i Esao,+ ka namihina azy+ sady nanankina ny lohany teo amin’ny vozony, ary nanoroka azy. Dia nitomany izy mirahalahy.  Ary nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy, dia hoy izy: “Iza ireo miaraka aminao ireo?” Ary hoy i Jakoba: “Zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao ireo.”+  Ary nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany, ka niankohoka.  Dia nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka. Ary nanatona i Josefa sy Rahely avy eo, ka niankohoka.+  Ary hoy i Esao: “Inona no antony nandefasanao an’ireny antokon’olona rehetra nifanena tamiko ireny?”+ Dia hoy i Jakoba: “Mba hahazoako sitraka amin’ny tompoko.”+  Ary hoy i Esao: “Efa manana be dia be aho, ry rahalahiko,+ ka aoka ho anao ihany ny anao.” 10  Fa hoy i Jakoba: “Aoka re e! Raha mahazo sitraka aminao aho ankehitriny,+ dia raiso ny fanomezana atolotro. Nikasa hahita ny endrikao mantsy aho, dia nahita tokoa aho izao, ka toy ny hoe nahita ny tavan’Andriamanitra satria noraisinao tamim-pifaliana aho.+ 11  Koa mba raiso re ny fanomezana nentina ho anao, izay tsodrano avy amiko e!+ Efa nankasitraka ahy mantsy Andriamanitra, ka manana ny zava-drehetra aho.”+ Dia mbola nisisika ihany izy, ka noraisin’i Esao izany.+ 12  Ary hoy i Esao: “Andeha isika hiala eto, ka aleo aho handeha eo alohanao.” 13  Fa hoy i Jakoba: “Fantatry ny tompoko tsara fa mora reraka ny ankizy, ary mampinono ny ondry sy omby entiko.+ Koa raha entina haingana loatra ao anatin’ny iray andro ireo, dia ho faty ny andiam-biby rehetra.+ 14  Koa aoka re ny tompoko hialoha ny mpanompony e! Fa aleo aho hanohy ny diako miadana, araka ny dian’ny biby fiompy+ eo alohako sy ny dian’ny ankizy,+ mandra-pahatongako any amin’ny tompoko any Seira.”+ 15  Dia hoy i Esao: “Raha sitrakao àry, dia omeko olona ianao hanampy anao.” Fa hoy i Jakoba: “Aoka re ho amin’izao e! Aoka aho mba hahazo sitraka amin’ny tompoko.”+ 16  Koa niverina nankany Seira i Esao tamin’iny andro iny. 17  Ary i Jakoba niainga ho any Sokota.+ Ary nanorina trano izy, sady nanao trano rantsankazo ho an’ny biby fiompiny.+ Izany no antony nanaovany ny anaran’ilay toerana hoe Sokota. 18  Farany, dia tonga soa aman-tsara teo akaikin’ny tanànan’i Sekema+ tany Kanana+ i Jakoba, rehefa avy tany Padana-arama.+ Ary nanangana ny tobiny tandrifin’ilay tanàna izy. 19  Dia nahazo sombin-tany nananganany ny tranolainy izy. Ary farantsa volafotsy zato no nividianany izany tamin’ny zanakalahin’i Hamora, rain’i Sekema.+ 20  Dia nanorina alitara teo izy, ary ny anaran’ilay alitara nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.+

Fanamarihana