Genesisy 34:1-31

34  Ary zatra nandeha nitsidika+ ny zazavavy tompon-tany+ i Dina zanakavavin’i Lea,+ izay naterany tamin’i Jakoba.  Ary nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora Hivita+ izay mpiadidy tao amin’ilay tany, dia naka azy ka nametaveta azy.+  Ary tany amin’i Dina zanakavavin’i Jakoba foana ny sain’i Sekema. Dia raiki-pitia tamin-drazazavavy izy, ka tsy nitsahatra nanao teny nambabo ny fony.  Farany, dia hoy izy tamin’i Hamora rainy:+ “Alaivo ho vadiko io tovovavy io.”+  Ary ren’i Jakoba fa efa nandoto an’i Dina zanany vavy i Sekema. Mbola niandry ny biby fiompiny tany an-tsaha anefa ny zanany lahy,+ ka nangina ihany izy mandra-pahatongan’izy ireo.+  Ary nivoaka ho any amin’i Jakoba i Hamora, rain’i Sekema, mba hiresaka taminy.+  Dia nody avy tany an-tsaha ny zanakalahin’i Jakoba raha vao nandre izay nitranga. Ary nalahelo sady tezitra be izy ireo.+ Nanao hadalana nanala baraka ny Israely mantsy i Sekema, noho ny nanaovany firaisana tamin’ny zanakavavin’i Jakoba,+ nefa zavatra tsy tokony hatao mihitsy izany.+  Ary niresaka tamin’izy ireo i Hamora hoe: “Raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy i Sekema zanako.+ Koa mba omeo azy re razazavavy ho vadiny e!+  Ary aoka hisy fifanarahana eo amintsika,+ ka ny zanakareo vavy homenareo ho vadin’ny zanakay lahy, ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho vadin’ny zanakareo lahy.+ 10  Dia ho afaka hiara-monina aminay ianareo. Ary eo anoloanareo ny tany, ka mahazo monina sy manao varotra eo ianareo, ary afaka manorim-ponenana eo.”+ 11  Ary hoy i Sekema tamin’ny rain-drazazavavy sy ny anadahiny: “Aoka aho hahazo sitraka aminareo, ka izay hotakinareo dia homeko. 12  Ataovy lafo be ny vodiondry sy ny fanomezana takinareo amiko,+ fa vonona aho hanome araka izay lazainareo amiko. Izao fotsiny no angatahiko: Omeo ahy razazavavy ho vadiko.” 13  Ary ny zanakalahin’i Jakoba namaly an’i Sekema sy Hamora rainy tamim-pitaka, satria nandoto an’i Dina anabaviny i Sekema.+ 14  Koa hoy izy ireo tamin’izy mianaka: “Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an’ny lehilahy tsy mifora,+ fa manala baraka anay izany. 15  Hanaiky anareo anefa izahay raha izao no ataonareo: Tsy maintsy hatao tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lahy rehetra eo aminareo.+ 16  Dia homenay anareo ny zanakay vavy, ary halainay ho anay ny zanakareo vavy. Koa hiara-monina aminareo izahay, dia ho firenena iray isika.+ 17  Fa raha tsy mihaino anay kosa ianareo ka tsy hoforana, dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay.” 18  Ary sitrak’i Hamora sy Sekema zanany+ ny hevitr’izy ireo. 19  Koa tsy nangataka andro razazalahy nanao izany,+ satria nahafinaritra azy ny zanakavavin’i Jakoba, sady razazalahy no mendri-kaja indrindra+ tao amin’ny ankohonan-drainy manontolo.+ 20  Koa nankeo am-bavahadin’ny tanànany i Hamora sy Sekema zanany, ka niteny tamin’ny lehilahy tao an-tanàna+ hoe: 21  “Te hihavana amintsika ireo olona ireo.+ Koa aoka izy hanorim-ponenana eto amin’ny tanintsika sy hanao varotra eto, satria malalaka be azony ipetrahana ny tany.+ Ny zanany vavy dia azontsika alaina ho vady, ary ny zanatsika vavy azontsika omena azy.+ 22  Hanaiky hiara-monina amintsika izy ireo mba ho firenena iray isika sy ry zareo, raha izao no ataontsika: Tsy maintsy hoforana ny lahy rehetra eto amintsika, toy ny namorana azy ireo.+ 23  Tsy ho antsika ve amin’izay ny fananany sy ny harenany ary ny biby fiompiny rehetra?+ Aoka fotsiny isika hanaiky izay lazainy, mba hiarahany monina amintsika.”+ 24  Ary nihaino an’i Hamora sy Sekema zanany ny olona rehetra nivoaka tamin’ny vavahadin’ny tanànany, ka noforana ny lahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ny vavahadin’ny tanàna. 25  Kanjo tamin’ny andro fahatelo, raha mbola nanaintaina ireo lehilahy,+ dia nandray ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy Levy,+ anadahin’i Dina.+ Koa niditra tao an-tanàna izy ireo, ary tsy nisy niahiahy hoe hamono ny lahy rehetra tao izy ireo.+ 26  Ary novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra+ i Hamora sy Sekema zanany. Dia naka an’i Dina tao an-tranon’i Sekema izy ireo ka lasa nandeha.+ 27  Ary ny zanakalahin’i Jakoba hafa dia nanafika an’ireo lehilahy naratra mafy efa ho faty, sy nandroba an’ilay tanàna, noho ny nandotoan’izy ireo ny anabaviny.+ 28  Dia nalain’ny zanak’i Jakoba ny ondrin’izy ireo sy ny ombiny sy ny ampondrany sy izay tao an-tanàna ary izay teny an-tsaha.+ 29  Ary nentiny ho babo ny fananan’izy ireo rehetra sy ny zanany kely ary ny vadiny, ka norobainy ny zava-drehetra tao an-trano.+ 30  Ary hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy Levy:+ “Efa nahatonga loza tamiko ianareo, fa noho ny nataonareo, dia hankahala ahy ny mponina eto amin’ity tany ity,+ dia ny Kananita sy ny Perizita. Ary satria vitsy an’isa aho,+ dia hiangona hanohitra sy hamely ahy izy ireo, ka ho ripaka izaho sy ny ankohonako.” 31  Fa hoy ireo: “Ny anabavinay ve dia avelanay hataon’ny olona toy ny mpivaro-tena?”+

Fanamarihana