Genesisy 35:1-29

35  Taorian’izany, dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba: “Mandehana miakatra any Betela ka mitoera any.+ Ary manaova alitara any, ho an’ilay Andriamanitra izay niseho taminao, fony ianao nandositra an’i Esao rahalahinao.”+  Dia hoy i Jakoba tamin’ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: “Ario ny andriamani-kafa any aminareo,+ ary diovy ny tenanareo, ka soloy ny lamba fitafinareo.+  Ary andao isika hiakatra any Betela. Dia any aho no hanao alitara ho an’Andriamanitra, izay nihaino ahy tamin’ny andro fahoriako,+ ka nomba ahy tany amin’ny lalana nalehako.”+  Koa nomen’izy ireo an’i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra+ tany amin’izy ireo sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i+ Jakoba teo am-pototr’ilay hazobe tany akaikin’i Sekema.  Dia niainga izy ireo. Ary nataon’Andriamanitra nihorohoro ireo tanàna nanodidina,+ ka tsy nanenjika ny zanak’i Jakoba ireny.  Farany, dia tonga tao Lozy,+ izany hoe Betela, ao amin’ny tany Kanana i Jakoba sy ny olona rehetra niaraka taminy.  Dia nanorina alitara teo izy, ary nataony hoe Ela-betela ny anaran’ilay toerana, satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny rahalahiny.+  Tatỳ aoriana dia maty i Debora,+ ilay vehivavy nampinono an’i Rebeka taloha, ka nalevina teo akaikin’i Betela, teo am-pototry ny hazo goavam-be iray. Koa nataon’i Jakoba hoe Alona-bakota ny anaran’ilay hazo.  Dia niseho tamin’i Jakoba indray Andriamanitra, ka nitso-drano azy+ tamin’izy avy tany Padana-arama.+ 10  Ary hoy Andriamanitra taminy: “Jakoba no anaranao.+ Tsy atao hoe Jakoba intsony anefa ny anaranao, fa hatao hoe Israely.” Dia nataony hoe Israely ny anarany.+ 11  Ary hoy koa Andriamanitra taminy: “Izaho no Andriamanitra Mahery Indrindra.+ Manàna taranaka ka mihabetsaha. Hisy firenena maro sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao, ary hisy mpanjaka maro haterakao.*+ 12  Homeko anao ilay tany+ nomeko an’i Abrahama sy Isaka, ary homeko ny taranakao+ handimby anao koa izany.” 13  Avy eo dia niakatra Andriamanitra ka niala teo aminy, teo amin’ilay toerana niresahany taminy.+ 14  Koa nanorina tsangambato teo amin’ilay toerana niresahan’Andriamanitra taminy i Jakoba,+ ka nandraraka fanatitra zava-pisotro sy menaka teo amboniny.+ 15  Ary Betela+ ihany no nataon’i Jakoba anaran’ilay toerana niresahan’Andriamanitra taminy. 16  Koa niainga izy ireo ka niala tao Betela. Ary raha mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efrata,+ dia efa akaiky hiteraka i Rahely, nefa saro-piterahana izy.+ 17  Raha mbola nananosarotra ny fiterahany, dia hoy ny mpampivelona: “Aza matahotra, fa mbola lahikely koa ity ho azonao ity.”+ 18  Ary efa ho faty i Rahely. Koa rehefa niala aina* izy,+ dia nataony hoe Ben-ony ny anaran’ilay zaza. Fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamina.+ 19  Dia maty i Rahely ka nalevina teny amin’ny lalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema.+ 20  Koa nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasany i Jakoba. Io no tsangambaton’ny fasan’i Rahely mandraka androany.+ 21  Taorian’izany, dia niainga i Israely. Ary nanorina ny tranolainy izy raha vao niala kely teo amin’ny tilikambo Edera.+ 22  Indray mandeha, raha mbola nonina+ teo amin’izany tany izany i Israely, dia lasa i Robena nanao firaisana tamin’i Bilaha vadikelin-drainy, ary ren’i Israely izany.+ Ary roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakoba. 23  Ny naterak’i Lea dia i Robena,+ lahimatoan’i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona. 24  Ny naterak’i Rahely dia i Josefa sy Benjamina. 25  Ary ny naterak’i Bilaha, mpanompovavin’i Rahely, dia i Dana sy Naftaly. 26  Ary ny naterak’i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia i Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakoba izay naterany tany Padana-arama. 27  Farany, dia tonga tany amin’i Isaka rainy tany Mamre+ i Jakoba, tao Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, izay nivahinian’i Abrahama sy Isaka.+ 28  Ary valopolo amby zato taona ny andron’i Isaka.+ 29  Dia niala aina i Isaka ka maty, ary nangonina any amin’ny razany izy, rehefa antitra sady voky andro.+ Ary nandevina azy i Esao sy Jakoba zanany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “avy amin’ny andilanao.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.