Genesisy 37:1-36

37  Ary i Jakoba mbola nonina tao amin’ilay tany nivahinian-drainy,+ tany Kanana.+  Ary izao no tantaran’i Jakoba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Josefa,+ dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy.+ Niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilaha+ sy ny zanakalahin’i Zilpa+ vadin-drainy izy, satria mbola zaza. Ary notantarainy tamin-drainy ny ratsy nataon’ny rahalahiny.+  Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany lahy hafa rehetra+ i Josefa, satria zanaky ny fahanterany. Ary nampanao akanjo lava mitsipitsipika misy tanany ho an’i Josefa izy.+  Rehefa hitan’ny rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahala azy izy ireo,+ ka tsy nahavita niresaka taminy tamin-katsaram-panahy.+  Ary nanonofy i Josefa ka notantarainy tamin’ny rahalahiny izany.+ Koa vao mainka nankahala azy ny rahalahiny.  Hoy mantsy izy tamin’ireo: “Mba henoy kely izao nofiko izao:+  Samy namatotra amboara teny an-tsaha, hono, isika no iny fa niarina ny amboarako ka nijoro mahitsy, ary indreo kosa ny amboaranareo fa nanodidina ka niankohoka teo anoloan’ny amboarako.”+  Ary hoy ny rahalahiny taminy: “Dia tena hanjaka aminay tokoa ve ialahy?+ Dia tena hifehy anay tokoa ve ialahy?”+ Koa vao mainka nankahalan’ireo azy ny nofiny sy ny teniny.  Ary mbola nanonofy indray izy ka notantarainy tamin’ny rahalahiny, hoe: “Nanonofy indray aho, ary indreo fa niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo.”+ 10  Ary notantarainy tamin-drainy sy ny rahalahiny izany. Koa niteny mafy azy ny rainy hoe:+ “Inona no dikan’izany nofinao izany? Ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?” 11  Koa nialona azy ny rahalahiny,+ fa ny rainy kosa nitadidy izany teny izany.+ 12  Ary lasa niandry ny andian’ondrin’ny rainy tany akaikin’i Sekema+ ny rahalahiny. 13  Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: “Tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema moa ny rahalahinao? Avia hirahiko ho any aminy ianao.” Dia hoy i Josefa: “Intỳ aho!”+ 14  Koa hoy izy taminy: “Mba mandehana jereo raha tsy misy maninona ny rahalahinao sy ny andian’ondry. Dia miverena hilaza amiko.”+ Koa nirahiny avy teo amin’ny lemaka iva any Hebrona+ i Josefa, ka lasa nankany Sekema. 15  Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha, ka nanontany azy hoe: “Fa inona no tadiavinao?” 16  Dia hoy izy: “Ny rahalahiko no tadiaviko. Mba lazao amiko izay toerana iandrasany ondry.” 17  Ary hoy ralehilahy: “Niala teto ry zareo, fa reko niresaka hoe: ‘Andao isika ho any Dotana.’” Koa narahin’i Josefa izay nalehan’ny rahalahiny, ka hitany tany Dotana izy ireo. 18  Vao lavitra izy dia tazan’izy ireo. Ary raha mbola tsy tonga teny akaikin’izy ireo akory izy, dia nanaovan’ireo tetika hovonoina ho faty.+ 19  Koa nifampiresaka ireo hoe: “Iny tonga iny ilay mpanonofy.+ 20  Andao hovonointsika izy dia hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireo lavaka fanangonan-drano ireo,+ ka holazaintsika hoe lanin’ny bibidia masiaka.+ Dia ho hitantsika hoe hanao ahoana ny nofiny.” 21  Rehefa nandre izany i Robena, dia nitady hevitra hamonjena azy eo an-tanan’ireo.+ Koa hoy izy: “Aoka isika tsy hamely azy* ho faty.”+ 22  Ary hoy koa izy: “Aza mandatsa-dra,+ fa atsipazo ao anatin’io lavaka fanangonan-drano atỳ an-tany efitra io izy, ary aza mikasi-tanana azy.”+ Te hamonjy an’i Josefa teo an-tanan’ireo mantsy izy, mba hamerenany azy tany amin-drainy. 23  Koa raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa, dia nendahan’ireo ny akanjony, dia ilay akanjo lava mitsipitsipika nanaovany.+ 24  Ary nobatainy izy ka natsipiny tao anatin’ilay lavaka fanangonan-drano.+ Ary foana ilay lavaka tamin’izay, fa tsy nisy rano tao. 25  Dia nipetraka hihinan-kanina izy ireo.+ Ary rehefa nanopy ny masony ireo, dia nahita Ismaelita+ maromaro niara-dia avy tany Gileada. Ary ny ramevany nitondra ditin-kazo ladanoma sy balsama ary hodi-kazo misy ditiny,+ izay nentiny nidina ho any Ejipta. 26  Dia hoy i Joda tamin’ny rahalahiny: “Inona moa no soa ho azontsika, raha mamono ny rahalahintsika isika ka manafina ny rany?+ 27  Andao hamidintsika amin’ireto Ismaelita ireto izy,+ fa tsy hamely azy ny tanantsika.+ Rahalahintsika sy nofontsika ihany ange izy e!” Koa nohenoin’ireo ny tenin’ny rahalahiny.+ 28  Ary nisy Midianita mpivarotra+ nandalo. Dia nakarin’ny rahalahiny avy tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano i Josefa,+ ka namidiny farantsa volafotsy roapolo tamin’ireo Ismaelita.+ Dia nentin’ireo nankany Ejipta i Josefa. 29  Rehefa niverina nankeo amin’ilay lavaka fanangonan-drano i Robena, dia efa tsy tao intsony i Josefa. Koa nandrovitra ny akanjony i Robena.+ 30  Dia niverina teo amin’ny rahalahiny izy, ka niantsoantso hoe: “Tsy ao intsony ilay zaza! Aiza re ny tany halehako e?”+ 31  Ary nalain’ny rahalahiny ilay akanjo lavan’i Josefa. Ary namono osilahy izy ireo, ka natsobony imbetsaka tao amin’ny ra ilay akanjo.+ 32  Avy eo dia nampanateriny tany amin-drainy ilay akanjo lava mitsipitsipika, ka nilazany izy hoe: “Ity no hitanay. Mba jereo tsara+ raha ny akanjo lavan’ny zanakao ity na tsia.”+ 33  Koa nojeren’ny rainy tsara ilay izy, ka niantsoantso izy hoe: “Ny akanjo lavan’ny zanako ity! Tena notafihin’ny bibidia masiaka i Josefa ka noviravirainy!”+ 34  Dia nandrovitra ny lamba fitafiny i Jakoba, ka nisikina lamba gony sady nisaona an-janany andro maro.+ 35  Ary nampionona azy foana ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra,+ fa tsy nety nampiononina izy. Fa hoy izy:+ “Hidina amin’alahelo ho any amin-janako any amin’ny Fasana* aho!” Ary nitomany azy foana ny rainy. 36  Ary ny Midianita nivarotra an’i Josefa tany Ejipta tamin’i Potifara, tandapan’i Farao+ sady lehiben’ny mpiaro azy.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.