Genesisy 38:1-30

38  Ary nidina avy tany amin’ny rahalahiny i Joda, ka nanangana ny tranolainy teo akaikin’izay nisy an’ilay lehilahy adolamita+ atao hoe Hira.  Ary teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray.+ Koa naka an-dravehivavy ho vadiny i Joda ka nanao firaisana taminy.  Ary bevohoka ravehivavy ka tera-dahy. Ary nataony hoe Era+ ny anarany.  Ary bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia nataony hoe Onana ny anarany.  Ary mbola tera-dahy koa izy, ka nataony hoe Sela ny anarany. Tany Akziba i Joda tamin’ny fotoana niterahan-dravehivavy an’i Sela.+  Tatỳ aoriana dia naka vady ho an’i Era lahimatoany i Joda: Tamara+ no anarany.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah+ anefa i Era lahimatoan’i Joda, ka novonoin’i Jehovah ho faty.+  Dia hoy i Joda tamin’i Onana: “Manaova firaisana amin’ny vadin-drahalahinao, ary alaivo ho vady izy ka ento loloha, dia miteraha hamelo-maso ny rahalahinao.”+  Fantatr’i Onana anefa fa tsy ho azy ny zaza.+ Koa rehefa nanao firaisana tamin’ny vadin-drahalahiny izy, dia nariany tamin’ny tany ny tsirinainy, mba tsy hanomezany taranaka ho an’ny rahalahiny.+ 10  Ary ratsy teo imason’i Jehovah izay nataony,+ ka novonoiny ho faty koa izy.+ 11  Koa hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: “Mitoera ho mpitondratena any an-tranon-drainao, mandra-pahalehiben’i Sela zanako lahy.”+ Fa hoy izy anakampo: “Sao ho faty toy ireo rahalahiny koa izy.”+ Koa lasa nitoetra tany an-tranon-drainy i Tamara.+ 12  Ary rehefa afaka elaela, dia maty ilay zanakavavin’i Soa, izany hoe ilay vadin’i Joda.+ Ary rehefa tapitra ny fotoana fisaonana,+ dia niakatra nankany amin’ny mpanety ny ondriny tany Timna+ i Joda sy Hira Adolamita+ namany. 13  Ary nisy nilaza tamin’i Tamara hoe: “Miakatra ho any Timna ny rafozandahinao, hanety ny ondriny.”+ 14  Dia nesorin’i Tamara ny akanjon’ny mpitondratena nanaovany, ka nosaronany lamba ny tenany, sady nosaronany koa ny tarehiny. Ary nipetraka teo amin’ny fidirana ho ao Enaima, izay eo amin’ny lalana mankany Timna, izy. Hitany mantsy fa efa lehibe i Sela, nefa mbola tsy nomena ho vadin’i Sela ihany izy.+ 15  Ary raha vao nahita azy i Joda, dia nihevitra azy ho mpivaro-tena,+ satria nosaronany ny tarehiny.+ 16  Koa nivily nankeo aminy teo amoron-dalana i Joda, ka niteny hoe: “Mba avelao aho hanao firaisana aminao.”+ Fa tsy fantany hoe ny vinantovaviny io.+ Hoy anefa ravehivavy: “Inona no homenao ahy mba hanaovanao firaisana amiko?”+ 17  Dia hoy izy: “Hampanatitra zanak’osy avy amin’ny ondry aman’osy aho.” Fa hoy ravehivavy: “Hanome antoka ve ianao mandra-panatitrao izany?”+ 18  Ary hoy izy: “Inona no antoka homeko anao?” Dia hoy ravehivavy: “Ny peratra fanombohan-kasenao+ sy iny tadiny iny ary ny tehina eny an-tananao.” Ary nomen’i Joda azy izany ka nanao firaisana taminy izy, dia bevohoka ravehivavy. 19  Taorian’izay, dia nitsangana ravehivavy ka lasa. Ary nesoriny ny lamba nisaronany, ka nanaovany indray ny akanjon’ny mpitondratena.+ 20  Ary nampanaterin’i Joda an’ilay Adolamita+ namany ilay zanak’osy, mba hahazoana an’ilay antoka tany amin-dravehivavy. Tsy nahita an-dravehivavy mihitsy anefa ilay namany. 21  Ary nanontaniany ny olona teo an-toerana hoe: “Aiza ilay mpivaro-tenan’ny tempoly teto Enaima, ilay teo amoron-dalana iny?” Fa hoy ny olona: “Tsy nisy mpivaro-tenan’ny tempoly+ mihitsy teto.” 22  Farany, dia niverina tany amin’i Joda izy ka niteny hoe: “Tsy hitako mihitsy ravehivavy, sady nilaza koa ny olona tany hoe: ‘Tsy nisy mpivaro-tenan’ny tempoly mihitsy teto.’” 23  Ary hoy i Joda: “Avelao ho lasany any ireny, sao ho afa-baraka+ eo isika. Izaho rahateo efa nampanatitra ity zanak’osy ity, fa ianao no tsy nahita an-dravehivavy mihitsy.” 24  Nony afaka telo volana teo ho eo anefa, dia nisy nilaza tamin’i Joda hoe: “Nivaro-tena+ i Tamara vinantovavinao, ka bevohoka+ tamin’ny fivarotan-tenany.” Dia hoy i Joda: “Avoahy izy hodorana.”+ 25  Ary rehefa navoaka izy, dia nampilaza tamin’ny rafozandahiny hoe: “Ilay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohoka ahy.”+ Ary hoy koa izy: “Mba jereo tsara+ hoe an’iza ireto peratra fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.”+ 26  Dia nojeren’i Joda tsara ireo, ka hoy izy:+ “Marina noho izaho izy,+ satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako lahy.”+ Ary tsy nanao firaisana taminy intsony i Joda.+ 27  Ary rehefa tonga ny fotoana hiterahany, dia zaza kambana no tao an-kibony. 28  Raha mbola teo am-piterahana izy, dia namoaka ny tanany ny zaza iray. Avy hatrany dia naka kofehy mena midorehitra ny mpampivelona, ka nafatony tamin’ny tanan’ilay zaza, sady hoy izy: “Ity no nivoaka voalohany.” 29  Tamin’ny farany anefa, raha vao nahemotr’ilay zaza ny tanany, dia ny rahalahiny indray no nivoaka. Koa hoy ilay mpampivelona: “Fa nahoana no nataonao rovitra toy izao ny reninao?” Koa natao hoe Pereza+ ny anaran’ilay zaza. 30  Avy eo dia nivoaka koa ilay rahalahiny, izay nisy kofehy mena midorehitra tamin’ny tanany. Ary natao hoe Zera+ ny anarany.

Fanamarihana