Genesisy 39:1-23

39  Ary i Josefa nentina nidina tany Ejipta.+ Ary i Potifara+ Ejipsianina, izay tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiaro azy, dia nividy an’i Josefa tamin’ireo Ismaelita+ nitondra azy nidina tany.  Nomba an’i Josefa anefa i Jehovah, ka nahomby avokoa izay nataony,+ ary nahazo andraikitra tao an-tranon’ilay Ejipsianina tompony izy.  Koa hitan’ny tompony fa nomba an’i Josefa i Jehovah, ary nataon’i Jehovah nahomby avokoa izay nataony.  Ary nahazo sitraka tamin’ny tompony i Josefa ka nikarakara izay nilainy. Koa notendreny hiandraikitra ny tao an-tranony i Josefa,+ ary nankininy taminy izay rehetra nananany.  Ary hatramin’izay nanendren’ilay Ejipsianina azy hiandraikitra ny tao an-tranony sy ny fananany rehetra, dia notahin’i Jehovah foana ny tao an-tranony, noho ny amin’i Josefa. Eny, notahin’i Jehovah izay rehetra nananany tao an-trano sy tany an-tsaha.+  Farany, dia nankininy tamin’i Josefa izay rehetra nananany.+ Koa tsy nieritreritra na inona na inona intsony ralehilahy, afa-tsy izay sakafo hohaniny ihany. Ary lasa tsara bika sy tsara tarehy i Josefa.  Tatỳ aoriana dia nanomboka nijery+ an’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka niteny hoe: “Avia hanao firaisana amiko.”+  Tsy nety anefa izy+ fa niteny tamin’ny vadin’ny tompony hoe: “Tsy mieritreritra intsony ny amin’ny ato an-trano ny tompoko, fa efa nankininy tamiko izay rehetra ananany.+  Tsy misy lehibe noho izaho ato amin’ity trano ity, ary tsy nisy na inona na inona nandrarany ahy afa-tsy ianao, satria vadiny ianao.+ Koa hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”+ 10  Koa na dia niteny tamin’i Josefa isan’andro isan’andro aza ravehivavy, dia tsy nanaiky hanao firaisana taminy na hiaraka irery taminy mihitsy izy.+ 11  Indray andro anefa, rehefa niditra tao an-trano hanao ny raharahany toy ny fanaony isan’andro i Josefa, ary tsy nisy tao ny mpanompo,+ 12  dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy+ sady niteny hoe: “Avia hanao firaisana amiko!”+ Navelany teo an-tanan-dravehivavy anefa ny akanjony, dia nandositra nivoaka tany ivelany izy.+ 13  Raha vao hitan-dravehivavy fa namela ny akanjony teny an-tanany i Josefa ka nandositra tany ivelany, 14  dia niantsoantso mafy izy ka niteny tamin’ny mpanompo hoe: “Te hanao antsika ho fihomehezana ilay lehilahy hebreo nentin’ny vadiko. Ary nanatona ahy izy mba hanao firaisana amiko, nefa niantsoantso faran’izay mafy aho.+ 15  Koa raha vao reny fa nampiaka-peo aho ka niantsoantso mafy, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra nivoaka tany ivelany izy.” 16  Dia notazoniny teo anilany ilay akanjo, mandra-pahatongan’ny tompon’i Josefa tao an-trano.+ 17  Koa niteny taminy toy izao ravehivavy: “Nanatona ahy mba hanao ahy ho fihomehezana ilay mpanompo hebreo nentinao tato amintsika. 18  Raha vao nampiaka-peo anefa aho ka niantsoantso mafy, dia navelany teto anilako ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy.”+ 19  Dia nirehitra ny fahatezeran’ny tompon’i Josefa, raha vao reny ny tenin’ny vadiny taminy hoe: “Toy izao sy izao no nataon’ilay mpanomponao tamiko.”+ 20  Koa nalain’ny tompony i Josefa ka nalefany tany amin’ny fonja, izay nihazonana ny voafonjan’ny mpanjaka. Dia tao am-ponja tao foana izy.+ 21  Nomba an’i Josefa foana anefa i Jehovah, sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy, ka nanao izay hahazoany sitraka tamin’ny lehiben’ny fonja.+ 22  Koa natolotry ny lehiben’ny fonja ho eo ambany fiandraiketan’i Josefa ny voafonja rehetra tao am-ponja. Ary izay nataon’izy ireo tao dia zavatra nampanaovin’i Josefa azy avokoa.+ 23  Koa tsy nikarakara na inona na inona mihitsy tamin’izay nankininy tamin’i Josefa ny lehiben’ny fonja, satria i Jehovah nomba an’i Josefa, ka nataon’i Jehovah nahomby izay nataony.+

Fanamarihana