Genesisy 40:1-23

40  Ary taorian’izany, dia nanota tamin’ny mpanjakan’i Ejipta+ tompony ny mpandroso zava-pisotrony+ sy ny mpanao mofo.  Dia tezitra tamin’ireo tandapany roa ireo i Farao,+ eny, tamin’ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben’ny mpanao mofo,+  ka nampidiriny am-ponja izy ireo. Tao amin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiaro+ an’i Farao io fonja+ io, dia ilay nigadran’i Josefa.  Ary notendren’ilay lehibe hiandraikitra azy roa lahy i Josefa ka hikarakara izay ilain’izy ireo.+ Dia tao am-ponja andro maromaro izy ireo.  Indray alina, dia nanonofy izy roa lahy,+ dia ilay mpandroso zava-pisotro sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta,+ izay samy tao am-ponja. Samy nanonofy izy ireo, ary samy nanana ny heviny ny nofiny.+  Ary rehefa nankeo amin’izy ireo i Josefa nony maraina, dia hitany fa maloka endrika+ izy ireo.  Koa nanontaniany ireo tandapan’i Farao ireo, izay niaraka taminy tao amin’ilay fonjan’ny tranon’ny tompony, nanao hoe: “Fa maninona no maloka endrika ianareo androany?”+  Dia hoy ireo: “Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.” Koa hoy i Josefa: “Tsy Andriamanitra ve no mahalaza ny hevitry ny nofy?+ Mba tantarao amiko kely ilay izy.”  Ary nitantara ny nofiny tamin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, hoe: “Nanonofy aho hoe nisy foto-boaloboka, hono, teo anatrehako. 10  Ary nisy sampany telo tamin’ilay foto-boaloboka.+ Toa nitsimoka ilay izy, dia namelana, ary namoa voaloboka masaka. 11  Ary teny an-tanako ny kaopin’i Farao. Koa nalaiko ireo voaloboka ka nofiazako teo ambonin’ilay kaopy.+ Dia natolotro teo an-tanan’i Farao ilay kaopy.”+ 12  Ary hoy i Josefa taminy: “Izao no heviny:+ Ny sampany telo dia telo andro. 13  Rehefa afaka telo andro, dia havoakan’i Farao ianao,* ka haveriny amin’ny toeranao.+ Ary hanolotra ny kaopin’i Farao eo an-tanany ianao, toy ny fanaonao taloha fony ianao nandroso zava-pisotro ho azy.+ 14  Mba tsarovy anefa aho raha vao mandeha tsara indray ny fiainanao.+ Ary mba anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho, ka resaho amin’i Farao,+ dia avoahy amin’ity trano ity. 15  Nalaina an-keriny avy any amin’ny tanin’ny Hebreo mantsy aho.+ Ary tatỳ koa aho dia tsy nanao na inona na inona izay tokony ho nampidirana ahy tato amin’ity lavaka figadrana ity.”+ 16  Rehefa hitan’ilay lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nolazain’i Josefa, dia mba hoy koa izy taminy: “Nanonofy koa aho hoe nisy harona telo feno mofo fotsy, hono, nololohaviko. 17  Ary tao anatin’ilay harona ambony indrindra, dia nisy sakafo isan-karazany ho an’i Farao,+ nataon’ny mpanao mofo. Dia nohanin’ny vorona+ ny sakafo teo amin’ilay harona nololohaviko.” 18  Dia hoy i Josefa: “Izao no heviny:+ Ny harona telo dia telo andro. 19  Rehefa afaka telo andro, dia havoakan’i Farao ianao, ka hotapahiny ny lohanao. Ary hahantony amin’ny tsato-kazo ianao,+ ka hohanin’ny vorona ny nofonao.”+ 20  Ary tamin’ny andro fahatelo, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao.+ Ary nanao fanasambe ho an’ny mpanompony rehetra izy, ka navoakany teo imason’ny mpanompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben’ny mpanao mofo.+ 21  Koa naveriny tamin’ny toerany ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro.+ Dia nanolotra ny kaopy teo an-tanan’i Farao izy. 22  Fa nahantony kosa ilay lehiben’ny mpanao mofo,+ araka ny hevitry ny nofy nolazain’i Josefa tamin’izy ireo.+ 23  Tsy nahatsiaro an’i Josefa anefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, fa nanadino azy.+

Fanamarihana

A.b.t.: “hasandratr’i Farao ny lohanao.”