Genesisy 41:1-57

41  Ary rehefa afaka roa taona katroka, dia nanonofy+ i Farao hoe nijoro teo amoron’ny reniranon’i Neily.  Ary nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy, niakatra avy tao amin’ny reniranon’i Neily, ka niraoka ahitra teo amorony.+  Ary nisy ombivavy fito ratsy tarehy sady mahia, niakatra avy tao amin’ny reniranon’i Neily nanaraka azy ireo,+ ka nijoro teo anilany teo amoron’ilay renirano.  Ary ny ombivavy ratsy tarehy sady mahia dia nihinana ny ombivavy fito tsara tarehy sady matavy.+ Dia taitra tamin’ny torimasony i Farao.+  Natory indray izy ka nanonofy fanindroany. Ary nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara, nipoitra tamin’ny tahony iray.+  Ary nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, izay mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana.+  Ary ireo salohy fito mahia dia nitelina an’ireo fito vaventy sady be voa.+ Dia taitra tamin’ny torimasony i Farao, ka fantany fa nofy ilay izy.  Ary nitebiteby+ i Farao nony maraina, ka nampanantsoiny avokoa ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina+ sy ny olon-kendry+ tao Ejipta. Dia notantarainy tamin’ireo ny nofiny,+ nefa tsy nisy nahalaza ny heviny.  Dia niteny tamin’i Farao ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro+ hoe: “Tsaroako izao ny fahotako.+ 10  Tezitra tamin’ny mpanompony i Farao,+ eny, tezitra tamiko sy tamin’ny lehiben’ny mpanao mofo, ka nampiditra anay tao amin’ilay fonja ao amin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiaro+ an’i Farao. 11  Ary samy nanonofy izahay roa lahy indray alina. Ary samy nanana ny heviny ny nofinay.+ 12  Ary nisy tovolahy hebreo iray,+ mpanompon’ilay lehiben’ny mpiaro+ an’i Farao, niaraka taminay. Rehefa notantarainay taminy ny nofinay,+ dia nolazainy taminay ny heviny. Koa samy nilazany ny hevitry ny nofinay izahay. 13  Ary araka izay heviny nolazainy taminay no nitranga: Izaho naverina tamin’ny toerako,+ fa ilay iray kosa nahantona.”+ 14  Dia nampiantso an’i Josefa i Farao,+ ka nampaka azy haingana avy tao amin’ny lavaka figadrana.+ Koa niharatra+ sy nisolo lamba fitafy+ izy, dia nankao amin’i Farao. 15  Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: “Nanonofy aho, nefa tsy misy mahalaza ny heviny. Reko anefa hoe rehefa misy nofy lazaina aminao, dia hainao ny milaza ny heviny.”+ 16  Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: “Tsy izaho no inona, fa Andriamanitra no hanambara izay mahasoa an’i Farao.”+ 17  Koa hoy i Farao taminy: “Nanonofy aho hoe nijoro teo amoron’ny reniranon’i Neily. 18  Ary nisy ombivavy fito matavy sady tsara bika niakatra avy tao amin’ny reniranon’i Neily, dia niraoka ahitra teo amorony.+ 19  Ary nisy ombivavy fito hafa, kaozatra sady ratsy bika ary mahia, niakatra nanaraka azy ireo.+ Mbola tsy nahita ratsy toa azy ireo mihitsy aho nanerana an’i Ejipta. 20  Ary ny ombivavy kaozatra sady ratsy dia nihinana ny ombivavy fito matavy.+ 21  Koa lanin’izy ireo ny ombivavy matavy nefa tsy fantatra akory hoe efa lasa ao an-kibony, satria mbola nahia sy ratsy toy ny tamin’ny voalohany ihany izy ireo.+ Dia taitra tamin’ny torimasoko aho. 22  “Ary hitako tao amin’ny nofiko indray avy eo, fa nisy salohim-barimbazaha fito be voa sady tsara, nipoitra tamin’ny tahony iray.+ 23  Ary nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, izay malazo sady mahia ary main’ny rivotra avy any atsinanana.+ 24  Ary ireo salohy fito mahia dia nitelina an’ireo salohy tsara.+ Koa notantaraiko tamin’ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina+ izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.”+ 25  Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: “Iray ihany ny hevitr’ireo nofin’i Farao ireo. Izay hataon’ilay tena Andriamanitra no nolazainy tamin’i Farao.+ 26  Ny ombivavy fito tsara tarehy sy ny salohim-barimbazaha fito tsara dia samy midika ho fito taona. Iray ihany ny hevitr’ireo nofy ireo. 27  Ary ny ombivavy fito kaozatra sady ratsy izay niakatra nanaraka azy ireo dia midika ho fito taona. Ary ny salohim-barimbazaha fito izay tsy nisy afa-tsy akofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana,+ dia midika ho fito taona mosarena.+ 28  Izany no efa nolazaiko tamin’i Farao teo hoe: Izay hataon’ilay tena Andriamanitra no nasehony an’i Farao.+ 29  “Koa hisy fito taona zina hanerana an’i Ejipta. 30  Hisy fito taona mosarena koa anefa hanaraka izany, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teto Ejipta, ary ho ripaky ny mosary ny tany.+ 31  Ary tsy ho fantatra intsony hoe nisy fahavokarana be teto noho ny amin’ilay mosary aoriany, satria ho mafy dia mafy ilay mosary. 32  Naverina indroa tamin’i Farao ilay nofy, satria nataon’Andriamanitra mafy orina izany,+ ary hotanterahin’Andriamanitra haingana.+ 33  “Koa aoka i Farao hitady lehilahy malina sy hendry, ka hanendry azy hiadidy an’i Ejipta.+ 34  Aoka koa i Farao hanendry mpiandraikitra eto amin’ny tany,+ ka haka ny ampahadimin’ny vokatra eto Ejipta, mandritra ny fito taona zina.+ 35  Ary aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra mandritra ireo taona zina ho avy ireo, ka hanangom-bokatra eo ambany fitantanan’i Farao, ho sakafo ao amin’ireo tanàna.+ Dia hotehirizin’izy ireo izany. 36  Ary ireo sakafo ireo dia hatao tahiry ho an’i Ejipta ho amin’ny fito taona mosarena ho tonga eto,+ mba tsy ho ripaky ny mosary ny tany.”+ 37  Ary sitrak’i Farao sy ny mpanompony rehetra izany.+ 38  Koa hoy i Farao tamin’ny mpanompony: “Aiza indray isika no hahita lehilahy tahaka an’io, izay manana ny fanahin’Andriamanitra?”*+ 39  Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: “Koa satria nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany,+ dia tsy misy malina sy hendry tahaka anao.+ 40  Ianao no hiandraikitra ny ankohonako,+ ary hankatò anao tanteraka ny vahoakako manontolo.+ Ny seza fiandrianana ihany no maha ambony ahy noho ianao.”+ 41  Ary hoy koa i Farao: “Izaho dia manendry anao hiadidy an’i Ejipta manontolo.”+ 42  Dia nesorin’i Farao ny peratra fanombohan-kase+ teny amin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, ary nampitafiany lamba rongony tena tsara izy sady nasiany rojo volamena ny vozony.+ 43  Ary nampitaingeniny teo amin’ny kalesim-boninahiny faharoa koa izy,+ mba hiantsoantsoan’ny olona teo alohany hoe: “Avreka!” Toy izany no nanendren’i Farao azy hiadidy an’i Ejipta manontolo. 44  Ary hoy ihany koa i Farao tamin’i Josefa: “Izaho no Farao, nefa tsy misy mahazo manao na inona na inona* eran’i Ejipta, raha tsy omenao alalana.”+ 45  Taorian’izany, dia nataon’i Farao hoe Zafenata-panea ny anaran’i Josefa, ary nomeny ho vadiny i Asenata,+ zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona.+ Ary nanomboka nitety an’i Ejipta i Josefa.+ 46  Telopolo taona+ i Josefa tamin’izy nijoro teo anatrehan’i Farao mpanjakan’i Ejipta. Dia niala teo anatrehan’i Farao i Josefa ka nitety an’i Ejipta manontolo. 47  Ary namokatra be ilay tany, nandritra ny fito taona zina.+ 48  Ary nangoniny ny sakafo rehetra vokatra tamin’ireo fito taona zina tany Ejipta, ka nataony tao amin’ireo tanàna.+ Koa ny vokatry ny saha nanodidina ny tanàna iray, dia nataony tao an-tanàna.+ 49  Ary i Josefa tsy nitsahatra nanangom-bokatra be dia be+ tahaka ny fasika any an-dranomasina, hany ka tsy nanisa intsony izy ireo tamin’ny farany, satria tsy hita isa izany.+ 50  Ary talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka zazalahy roa tamin’i Josefa+ i Asenata, zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona. 51  Koa nataon’i Josefa hoe Manase+ ny anaran’ny lahimatoa, satria hoy izy: “Efa nataon’Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra sy ny ankohonan-draiko manontolo.”+ 52  Ary nataony hoe Efraima+ ny anaran’ilay faharoa, satria hoy izy: “Efa nomen’Andriamanitra taranaka aho, eto amin’ity tany nahitako fahoriana mafy ity.”+ 53  Ary nifarana tsikelikely ny fito taona zina tany Ejipta.+ 54  Dia niantomboka ny fito taona mosarena, araka ny efa nolazain’i Josefa.+ Ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra, fa eran’i Ejipta kosa mbola nahitana sakafo.+ 55  Farany, dia mosarena koa ny tany Ejipta manontolo, ka nitaraina tamin’i Farao ny olona mba hahazo sakafo.+ Dia hoy i Farao tamin’ny Ejipsianina rehetra: “Mankanesa any amin’i Josefa, ka ataovy izay rehetra lazainy aminareo.”+ 56  Ary nanenika ny tany rehetra ny mosary.+ Koa nanokatra ny trano fitehirizam-boa rehetra teo amin’izy ireo i Josefa, ka nivarotra tamin’ny Ejipsianina,+ satria tratran’ny mosary mafy i Ejipta. 57  Ary tonga tany Ejipta koa ny olona avy any amin’ny tany rehetra mba hividy sakafo tamin’i Josefa, satria tratran’ny mosary mafy ny tany rehetra.+

Fanamarihana

‘fanahy.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
A.b.t.: “tsy hisy lehilahy hanainga ny tanany na ny tongony.”