Genesisy 42:1-38

42  Tatỳ aoriana, dia fantatr’i Jakoba fa nisy sakafo* tany Ejipta.+ Koa hoy izy tamin’ny zanany lahy: “Nahoana ianareo no mifampijerijery eo fotsiny?”  Ary hoy koa izy: “Reko fa misy sakafo any Ejipta.+ Midìna any ka mividiana ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.”  Koa nidina mba hividy sakafo tany Ejipta ny rahalahin’i Josefa folo lahy.+  I Benjamina+ rahalahin’i Josefa anefa tsy nalefan’i Jakoba niaraka tamin’ny rahalahiny hafa, satria hoy izy: “Sao hisy loza mahafaty hanjo azy.”+  Koa tonga niaraka tamin’ny olon-kafa hividy sakafo ny zanakalahin’i Israely, satria nisy mosary koa tany Kanana.+  Ary i Josefa no lehilahy nanana fahefana tao Ejipta.+ Izy no nivarotra tamin’ny olona rehetra tambonin’ny tany.+ Koa tonga ny rahalahin’i Josefa ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.+  Raha vao nahita an’ireo rahalahiny i Josefa, dia nahafantatra azy. Nataony anefa izay tsy hahafantaran’ireo ny tenany.+ Koa nasiaka fiteny tamin’ireo izy, nanao hoe: “Avy aiza ianareo?” Dia hoy ireo: “Avy any Kanana izahay mba hividy sakafo.”+  Fantatr’i Josefa tokoa ny rahalahiny, fa ireo kosa tsy nahafantatra azy.  Dia tsaroan’i Josefa avy hatrany ny nofiny momba azy ireo,+ ary hoy izy taminy: “Mpitsikilo ianareo! Tonga hijery taratra ny tany ianareo!”+ 10  Fa hoy ireo: “Tsia, tompoko,+ fa tonga hividy sakafo ny mpanomponao.+ 11  Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra, ary olo-marina. Tsy mpitsikilo ny mpanomponao.”+ 12  Hoy anefa izy: “Tsia, fa tonga hijery taratra ny tany ianareo!”+ 13  Dia hoy ireo: “Roa ambin’ny folo mirahalahy+ ny mpanomponao. Ary zanaky ny lehilahy iray ihany+ any Kanana izahay. Any amin’ny rainay izao ny faralahy,+ fa ny iray kosa efa tsy eo intsony.”+ 14  Hoy anefa i Josefa taminy: “Efa milaza aminareo aho hoe: ‘Mpitsikilo ianareo!’ 15  Koa izao no hitsapana anareo: Raha mbola velona koa i Farao, dia tsy hivoaka eto ianareo raha tsy tonga eto ny zandrinareo faralahy.+ 16  Iraho ny iray aminareo mba haka ny rahalahinareo, fa ianareo kosa hafatotra, mba hitsapana raha marina ny teninareo.+ Fa raha tsy izany, ary raha mbola velona koa i Farao, dia ho hita tokoa fa mpitsikilo ianareo.” 17  Dia nataony tao am-ponja telo andro izy ireo. 18  Tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Josefa: “Matahotra+ an’ilay tena Andriamanitra aho. Koa ataovy izao, dia ho velona ianareo: 19  Raha olo-marina ianareo, dia aoka ny iray amin’ny rahalahinareo no hafatotra ato amin’ity fonja ity.+ Fa ny sisa kosa mandehana, ka mitondrà sakafo ho an’ireo mosarena any an-tranonareo.+ 20  Ary hoentinareo atỳ amiko ny zandrinareo faralahy, mba ho hita fa azo itokisana ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”+ Dia neken’izy ireo izany. 21  Ary nifampiresaka izy ireo hoe: “Tena meloka tokoa isika noho izay nataontsika tamin’ny rahalahintsika,+ satria hitantsika ny fahoriany rehefa nitalaho mafy tamintsika izy mba hangoraka azy, nefa tsy nihaino isika. Izany no mahatonga izao fahoriana izao amintsika.”+ 22  Dia hoy i Robena: “Tsy efa niteny taminareo moa aho hoe: ‘Aza manota amin’ny zaza’? Kanefa tsy nihaino ianareo.+ Koa tsy maintsy atao ampamoaka isika izao noho ny amin’ny rany.”+ 23  Tsy fantatr’izy ireo anefa hoe nahazo izay nolazainy i Josefa, satria nampiasa mpandika teny izy niresahana taminy. 24  Koa niala teo amin’izy ireo izy ka nitomany.+ Ary niverina teo izy avy eo ka niresaka taminy, dia nalainy teo amin’ireo i Simeona+ ka nofatorany teo imasony.+ 25  Ary nasain’i Josefa nofenoina sakafo ny gonin’ireo. Nasainy naverina tao anaty gonin’ny tsirairay koa ny volany,+ ary nasainy nomena vatsy ho amin’ny diany izy ireo.+ Dia natao tamin’izy ireo izany. 26  Koa nataingin’izy ireo teo amin’ny ampondrany ny sakafo novidiny, dia lasa izy ireo. 27  Ary rehefa nanokatra ny goniny ny iray taminy mba hanome sakafo ny ampondrany teo amin’ny toeram-pilasiana,+ dia hitany fa teo am-bavan’ny goniny ny volany.+ 28  Koa hoy izy tamin’ny rahalahiny: “Nisy namerina ny volako! Io anaty goniko io ilay izy!” Dia ketraka ny fon’izy ireo, ka nangovitra izy+ sady nifampiresaka hoe: “Fa inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?”+ 29  Farany, dia tonga tany amin’i Jakoba rainy tany Kanana izy ireo ka nitantara taminy ny zava-drehetra nanjo azy, nanao hoe: 30  “Nasiaka fiteny taminay ilay lehilahy miadidy an’ilay tany,+ fa noheveriny fa mpitsikilo ny taniny izahay.+ 31  Hoy anefa izahay taminy: ‘Olo-marina izahay,+ fa tsy mpitsikilo. 32  Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay+ no zanaky ny rainay.+ Ny iray efa tsy eo intsony,+ ary ny faralahy any amin’ny rainay any Kanana izao.’+ 33  Hoy anefa ilay lehilahy miadidy an’ilay tany:+ ‘Ho fantatro hoe olo-marina+ ianareo raha izao no ataonareo: Avelao eto amiko ny iray amin’ny rahalahinareo,+ dia mandehana mitondra sakafo ho an’ireo mosarena any an-tranonareo.+ 34  Ary ento atỳ amiko ny zandrinareo faralahy, mba hahafantarako fa tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina. Dia haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hividy sakafo atỳ ianareo.’”+ 35  Ary rehefa nararak’izy ireo ny tao anaty goniny, dia io fa tao anaty gonin’ny tsirairay ny volany voafono tsara. Ary samy nahita izany izy ireo sy ny rainy, ka natahotra. 36  Dia hoy ny antsoantson’i Jakoba rainy: “Lasa tsy manan-janaka intsony aho, noho ny nataonareo!+ I Josefa efa tsy eo intsony, i Simeona koa efa tsy eo intsony,+ ary i Benjamina koa mbola halainareo! Izaho ihany no ianjadian’izany rehetra izany!” 37  Fa hoy i Robena tamin’ny rainy: “Azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy.+ Ankino amiko izy, fa izaho no hampody azy atỳ aminao.”+ 38  Fa hoy i Jakoba: “Tsy hiaraka hidina aminareo ny zanako, satria efa maty ny rahalahiny ary izy irery no sisa tavela.+ Raha misy loza mahafaty manjo azy any amin’izay halehanareo, dia hataonareo izay hidinan’ny volofotsiko amin’alahelo any amin’ny Fasana.”*+

Fanamarihana

Mety ho varimbazaha na vary orza.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.