Genesisy 43:1-34

43  Ary mafy ny mosary teo amin’ilay tany.+  Ary raha vao lanin’izy ireo ny sakafo nentiny avy tany Ejipta,+ dia hoy ny rainy: “Mandehana miverina mividy sakafo kely ho antsika.”+  Fa hoy i Joda taminy:+ “Efa nampitandrina anay mafy ralehilahy hoe: ‘Tsy mahazo mahita ny tavako intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ny rahalahinareo.’+  Koa raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay,+ dia vonona handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.  Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy hidina izahay, satria efa niteny ralehilahy hoe: ‘Tsy mahazo mahita ny tavako intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ny rahalahinareo.’”+  Dia hoy i Israely:+ “Nahoana no dia nanao izay hahitako loza ianareo, ka nilaza tamin-dralehilahy fa mbola manana rahalahy hafa?”  Ary hoy ireo: “Nivantana mihitsy ange ny fanontanian-dralehilahy momba anay sy ny havanay e! Fa hoy izy: ‘Mbola velona ve ny rainareo?+ Manana rahalahy hafa koa ve ianareo?’ Dia nolazainay taminy araka izany.+ Ahoana moa no hanampoizanay fa hilaza izy hoe: ‘Ento midina atỳ ny rahalahinareo’?”+  Farany, dia hoy i Joda tamin’i Israely rainy: “Alefaso miaraka amiko ny zaza+ mba handehananay, mba ho velona fa tsy ho faty isika,+ dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika.+  Izaho no hiantoka azy,+ ka ho azonao sazina aho.+ Raha tsy entiko atỳ aminao izy ka tsy atolotro anao, dia ho fahotako aminao mandrakizay izany. 10  Fa raha tsy nitaredretra izahay, dia ho efa tonga tany ka efa tafaverina fanindroany.”+ 11  Koa hoy i Israely rainy: “Izao àry no ataovy:+ Alaivo ny vokatra tsara indrindra amin’ny tany ka ataovy ao anaty goninareo, ary ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy,+ dia balsama+ kely, tantely+ kely, ditin-kazo ladanoma, hodi-kazo misy ditiny,+ sy voanjombazaha ary amandy.+ 12  Ary ataovy avo roa heny ny vola entinareo. Dia ento miverina ny vola naverina teo am-bavan’ny goninareo,+ fa angamba fahadisoana ilay izy.+ 13  Ary ento ny rahalahinareo, dia mandehana miverina any amin-dralehilahy. 14  Ary enga anie ilay Andriamanitra Mahery Indrindra hahatonga an-dralehilahy hiantra anareo,+ mba hanafahany an’ilay rahalahinareo iray sy Benjamina ka hanolorany azy ho anareo. Raha tsy maintsy afoiko ny zanako, dia vonona hamoy ny zanako aho!”+ 15  Koa nentin’izy ireo ny fanomezana sy ny vola avo roa heny ary koa i Benjamina. Dia niainga izy ireo ka nidina nankany Ejipta, ary tonga teo anatrehan’i Josefa.+ 16  Raha vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia hoy izy tamin’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony: “Ento any an-trano ireo lehilahy ireo. Ary makà biby hatao sakafo, dia vonoy izany ary karakarao,+ fa hiara-misakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.” 17  Ary nataon-dralehilahy avy hatrany izay nolazain’i Josefa.+ Koa nentiny ho any an-tranon’i Josefa izy ireo. 18  Natahotra anefa izy ireo rehefa nentina tany,+ ka nifampiresaka hoe: “Ilay vola naverina tao anaty gonintsika tamin’ny farany iny, no antony itondrana antsika eto. Hila ady amintsika izao ry zareo ka hamely antsika, dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny ampondrantsika!”+ 19  Koa nanatona an’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranon’i Josefa izy ireo, ka niresaka taminy teo am-baravarana, 20  nanao hoe: “Miala tsiny re, tompoko ô! Nidina hividy sakafo izahay tamin’ny farany.+ 21  Rehefa tonga tao amin’ny toeram-pilasiana+ anefa izahay ka nanokatra ny goninay, dia io fa teo am-bavan’ny gonin’ny tsirairay ny volanay avy, araka ny lanjany tsy nisy nanesorana. Koa tianay haverina izany.+ 22  Ary nitondra vola hafa koa izahay hividianana sakafo. Tsy fantatray mihitsy hoe iza no nametraka ny volanay tao anaty goninay.”+ 23  Dia hoy ralehilahy: “Tsy maninona izany, fa aza matahotra.+ Ilay Andriamanitrareo sy Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo harena tao anaty goninareo.+ Izaho no voalohany nandray ny volanareo.” Ary navoakany teo amin’izy ireo i Simeona.+ 24  Dia nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’i Josefa izy ireo ka nomeny rano hanasany tongotra.+ Ary nomeny sakafo ny ampondrany.+ 25  Ary nomanin’izy ireo ny fanomezana+ homena an’i Josefa rehefa tonga izy amin’ny mitataovovonana, satria efa ren’izy ireo fa ao izy ireo no hisakafo.+ 26  Nony tonga tao an-trano i Josefa, dia nentin’izy ireo tao aminy ny fanomezana teny an-tanany, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.+ 27  Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo izy, sady niteny hoe:+ “Salama tsara ve ny rainareo, ilay lahiantitra noresahinareo? Mbola velona ve izy?”+ 28  Ary hoy ireo: “Salama tsara ny rainay mpanomponao. Ary mbola velona izy.” Dia niondrika ireo ka niankohoka teo anatrehany.+ 29  Nony nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, ilay zanaky ny reniny,+ dia hoy izy: “Io ve ilay zandrinareo faralahy noresahinareo tamiko?”+ Ary hoy koa izy: “Ho tsara fanahy aminao anie Andriamanitra,+ anaka!” 30  Ary niala haingana i Josefa, satria nihetsi-po be izy noho ny amin’ilay rahalahiny.+ Koa nitady toerana hitomaniana izy, ka nankao amin’ny efitrano anatiny iray mba ho irery, dia nitomany tao.+ 31  Ary nosasany ny tarehiny avy eo, dia nivoaka avy tao izy. Ary nifehy ny fihetseham-pony izy ka niteny hoe:+ “Arosoy ny sakafo.”+ 32  Dia naroso mitokana ny sakafon’i Josefa, ary mitokana ny an’izy ireo, ary mitokana ny an’ny Ejipsianina izay nisakafo teo koa. Fa tsy afaka niara-nisakafo tamin’ny Hebreo ny Ejipsianina, satria zava-maharikoriko tamin’ny Ejipsianina izany.+ 33  Ary nasaina nipetraka teo anoloan’i Josefa izy ireo, nanomboka tamin’ny lahimatoa, amin’ny maha lahimatoa azy,+ ka hatramin’ny faralahy. Koa nifampijery izy ireo sady gagagaga. 34  Ary nasain’i Josefa nalaina avy teo aminy ny anjara sakafo homena azy ireo, kanefa ny anjaran’i Benjamina nampitomboiny avo dimy heny noho ny an’ny hafa rehetra.+ Koa nihinam-be sy nisotro niaraka taminy izy ireo, mandra-pahavokiny.+

Fanamarihana