Genesisy 44:1-34

44  Ary nandidy an’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony+ i Josefa, nanao hoe: “Fenoy sakafo ny gonin’ireo lehilahy ireo araka izay zakany, ary ataovy eo am-bavan’ny gonin’ny tsirairay ny volany.+  Ataovy eo am-bavan’ny gonin’ilay zandriny indrindra kosa ny kaopiko volafotsy, sy ny vola nividianany sakafo.” Dia nanao araka izay nolazain’i Josefa ralehilahy.+  Ary efa nazava ny andro rehefa nalefa ireo lehilahy ireo+ mbamin’ny ampondrany.  Dia nivoaka ny tanàna izy ireo. Raha mbola tsy lasa lavitra anefa izy ireo, dia hoy i Josefa tamin’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony: “Mandehana, enjeho ireny lehilahy ireny, dia ataovy izay hahatratrarana azy, ary lazao aminy hoe: ‘Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa natao taminareo?+  Tsy iny kaopy iny ve no fisotroan’ny tompoko sady ahaizany mamantatra ny hevitry ny fambara?+ Ratsy izao nataonareo izao.’”  Dia nahatratra azy ireo izy ka nilaza ireo teny ireo taminy.  Hoy anefa ireo: “Nahoana ianao tompoko no miteny toy izany? Sanatria anay mpanomponao ny hanao toy izany!  Ilay vola hitanay teo am-bavan’ny goninay aza naverinay taminao avy tany Kanana.+ Koa ataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?+  Aoka ho faty izay mpanomponao hahitana izany, ary izahay kosa ho mpanompon’ny tompoko.”+ 10  Koa hoy ralehilahy: “Eny àry, andao hatao araka ny teninareo,+ ka izay hahitana azy no ho mpanompoko,+ fa ianareo kosa tsy hanan-tsiny.” 11  Dia samy nampidina haingana ny goniny tamin’ny tany izy ireo, ka nanokatra izany. 12  Koa nikaroka fatratra ralehilahy, nanomboka tamin’ny zokiny indrindra ka hatramin’ny zandriny indrindra. Farany, dia hita tao anaty gonin’i Benjamina ilay kaopy.+ 13  Koa nandrovitra ny lamba fitafiny+ izy ireo, ary samy namerina ny entany teo ambony ampondrany, dia niverina tany an-tanàna. 14  Ary niditra tao an-tranon’i Josefa i Joda+ sy ny rahalahiny, ary io fa mbola tao izy. Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.+ 15  Ary hoy i Josefa: “Fa inona izao nataonareo izao? Tsy fantatrareo angaha fa mahay mamantatra ny hevitry ny fambara aho?”+ 16  Dia hoy i Joda: “Inona moa no holazainay amin’ny tompoko? Inona intsony no hoteneninay? Ary ahoana no anamarinanay ny tenanay?+ Efa hitan’Andriamanitra ny fahadisoan’ny mpanomponao.+ Koa indreto izahay ho mpanompon’ny tompoko,+ dia izahay sy ilay nahitana ny kaopy!” 17  Fa hoy i Josefa: “Sanatria ahy ny hanao izany!+ Ilay nahitana ny kaopy ihany no ho mpanompoko.+ Fa ny sisa aminareo kosa, miakara soa aman-tsara any amin’ny rainareo.”+ 18  Ary nanatona azy i Joda ka niteny hoe: “Mitalaho aminao aho, tompoko ô, mba avelao hiteny kely eo anatrehan’ny tompoko ny mpanomponao,+ ary aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao.+ Toa an’i Farao ihany mantsy ianao.+ 19  Ny tompoko nanontany ny mpanompony hoe: ‘Mbola manan-dray na rahalahy hafa ve ianareo?’ 20  Koa hoy izahay tamin’ny tompoko: ‘Manan-dray efa be taona izahay, ary koa zandry faralahy.+ Zanaky ny rainay tamin’ny fahanterany izy io, ary efa maty ny rahalahiny, ka izy irery sisa no tavela amin’ny zanaky ny reniny,+ ary tena tia azy ny rainy.’ 21  Dia hoy ianao tamin’ny mpanomponao: ‘Ento atỳ amiko izy mba ho hitan’ny masoko.’+ 22  Fa hoy izahay tamin’ny tompoko: ‘Tsy afaka mandao ny rainy ny zaza, fa raha mandao azy izy, dia ho faty ny rainy.’+ 23  Hoy anefa ianao tamin’ny mpanomponao: ‘Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy mahazo mahita ny tavako intsony ianareo.’+ 24  “Dia niakatra nankany amin’ny raiko mpanomponao izahay, ka nolazainay taminy ny tenin’ny tompoko. 25  Tatỳ aoriana, dia hoy ny rainay: ‘Mandehana miverina hividy sakafo kely ho antsika.’+ 26  Fa hoy izahay: ‘Tsy afaka ny hidina izahay. Raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina izahay. Fa tsy afaka ny hahita ny tavan-dralehilahy izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.’+ 27  Dia hoy ny raiko mpanomponao taminay: ‘Fantatrareo tsara fa roa lahy monja no nateraky ny vadiko tamiko.+ 28  Ary tafasaraka tamiko ny iray, ka hoy aho: “Noviravirain’ny bibidia tokoa izy!”+ Ary tsy hitako izy hatramin’izao. 29  Raha entinareo tsy ho hitan’ny masoko koa ity iray ity ka misy loza mahafaty manjo azy, dia hataonareo izay hidinako amin’alahelo any amin’ny Fasana,*+ amin’izao fahanterako izao.’ 30  “Koa raha tonga any amin’ny raiko mpanomponao aho ka tsy miaraka aminay ny zaza, nefa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’ny zaza,+ 31  dia azo antoka fa ho faty izy raha vao hitany fa tsy eo ny zaza. Ary izahay mpanomponao ihany no hahatonga ny volofotsin’ny rainay mpanomponao hidina amin’alahelo any amin’ny Fasana.* 32  Fa izaho mpanomponao no niantoka+ an’ilay zaza nisaraka tamin-drainy, ka nanao hoe: ‘Raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy, dia ho fahotako amin’ny raiko mandrakizay izany.’+ 33  Koa ankehitriny, avelao re ny mpanomponao no hijanona ho solon’ny zaza hanompo ny tompoko, mba hiakatra miaraka amin’ny rahalahiny izy.+ 34  Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko nefa tsy hiaraka amiko ny zaza? Tsy te hahita ny fahoriana hanjo an-draiko aho.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.