Genesisy 45:1-28

45  Ary tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony i Josefa, teo anatrehan’izay rehetra teo.+ Dia hoy izy hoe: “Avoahy ny olona rehetra!” Koa tsy nisy olon-kafa intsony teo, rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny i Josefa.+  Ary nidradradradra nitomany izy+ ka ren’ny Ejipsianina, ary ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.  Farany, dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: “Izaho no Josefa! Mbola velona any ihany ve i Dada?” Tsy nahateny mihitsy anefa ny rahalahiny, satria raiki-tahotra teo anatrehany.+  Koa hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: “Manatòna eto amiko e!” Dia nanatona izy ireo. Ary hoy izy: “Izaho ange ilay Josefa rahalahinareo e, ilay namidinareo ho atỳ Ejipta.+  Aza malahelo+ anefa, ary aza tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.+  Roa taona amin’ity izao no nisian’ny mosary amin’ny tany,+ ary mbola hisy dimy taona tsy hiasana ny tany na hijinjana.+  Koa nalefan’Andriamanitra hialoha anareo aho, mba tsy ho lany taranaka eto ambonin’ny tany ianareo,+ ary mba ho voatsimbina ny ainareo noho ny famonjena lehibe.  Tsy ianareo àry no nandefa ahy ho atỳ,+ fa Andriamanitra, mba hanendreny ahy ho rain’i+ Farao sy hanam-pahefana amin’ny ao an-tranony rehetra ary hifehy an’i Ejipta manontolo.  “Koa miakara haingana any amin’i Dada, ka lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Josefa zanakao: “Efa notendren’Andriamanitra hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo aho.+ Koa midìna atỳ amiko, fa aza mangataka andro. 10  Ary honina ao Gosena+ ianao, ka ho eo akaikiko foana ianao sy ny zanaka aman-jafinao sy ny ondrinao sy ny ombinao ary izay rehetra anao. 11  Ary izaho no hamatsy sakafo anao ao, mba tsy hahantra ianao sy ny ao an-tranonao ary izay rehetra anao. Mbola haharitra dimy taona mantsy ny mosary.”’+ 12  Ary hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no miteny aminareo.+ 13  Koa lazao amin’i Dada ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Ary mandehana haingana ka ento midina atỳ i Dada.” 14  Ary niantoraka teo amin’ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina koa nitomany teo amin’ny vozony.+ 15  Ary nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo amin’ny vozon’izy ireo.+ Dia izay ny rahalahiny vao niresaka taminy. 16  Ary ren’ny tao an-tranon’i Farao ny vaovao hoe: “Tonga ao, hono, ny rahalahin’i Josefa!” Dia nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany.+ 17  Koa hoy i Farao tamin’i Josefa: “Lazao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Izao atao: Makà biby mpitondra entana ka ataovy eo amboniny ny entanareo, dia mandehana any Kanana.+ 18  Ary alaivo ny rainareo sy ny ankohonanareo ka tongava atỳ amiko, mba homeko anareo izay zava-tsoa eto Ejipta. Ary hano izay tsara indrindra eto amin’ny tany Ejipta.’+ 19  Omeo baiko koa izy ireo hoe:+ ‘Izao atao: Makà sarety+ avy eto Ejipta hitondrana ny zanakareo madinika sy ny vadinareo, ary ampiakaro ao anatin’ny iray amin’ireny ny rainareo ka tongava atỳ.+ 20  Ary aza malahelo ny fanananareo,+ satria anareo ny zava-tsoa eran’i Ejipta.’”+ 21  Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ary nomen’i Josefa sarety izy ireo araka ny baikon’i Farao, sady nomeny vatsy+ hoentiny eny an-dalana. 22  Ary samy nomeny lamba fitafy+ iray avy izy ireo, fa i Benjamina kosa nomeny farantsa volafotsy telonjato sy lamba fitafy dimy.+ 23  Ary ireto avy no nampitondrainy ho an-drainy: Ampondra folo nitondra zava-tsoa avy tany Ejipta, sy ampondravavy folo nitondra varimbazaha sy mofo ary sakafo ho vatsin-drainy eny an-dalana. 24  Ary nalefany ny rahalahiny, ka lasa. Hoy anefa izy tamin’ireo: “Aza mifampila vaniny ianareo eny an-dalana eny.”+ 25  Koa niakatra avy tany Ejipta izy ireo ka tonga tany amin’i Jakoba rainy tany Kanana ihany. 26  Ary hoy izy ireo taminy: “Mbola velona any i Josefa, ary izy no manam-pahefana amin’i Ejipta manontolo!”+ Tsy nampihontsina an’i Jakoba anefa izany, satria tsy nino azy ireo izy.+ 27  Ary notantarain’izy ireo taminy foana izay rehetra nolazain’i Josefa, ary hitan’i Jakoba rain’izy ireo koa ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, ka velombelona indray izy.+ 28  Dia hoy i Israely: “Aoka izay! Hay, mbola velona any i Josefa zanako! Aleo aho handeha mba hahitako azy alohan’ny hahafatesako!”+

Fanamarihana