Genesisy 46:1-34

46  Koa niainga i Israely sy ny ankohonany manontolo ka tonga tao Beri-sheba.+ Ary nanao sorona ho an’ilay Andriamanitr’i Isaka rainy+ izy.  Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely, tao amin’ny fahitana tamin’ny alina, nanao hoe:+ “Jakoba, Jakoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho!”+  Ary hoy koa Andriamanitra: “Izaho no tena Andriamanitra,+ ilay Andriamanitry ny rainao.+ Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko firenena lehibe ianao any.+  Izaho mihitsy no hidina hiaraka aminao any Ejipta ary hitondra anao hiakatra avy any.+ Ary ny tanan’i Josefa no hanakimpy ny masonao rehefa maty ianao.”+  Dia niala tao Beri-sheba i Jakoba. Ary nentin’ny zanak’i Israely tamin’ny sarety nalefan’i Farao hitondrana azy i Jakoba rainy, mbamin’ny zanak’izy ireo madinika sy ny vadin’izy ireo.+  Nentin’izy ireo koa ny biby fiompiny sy ny fananana voangony tany Kanana.+ Farany, dia tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany rehetra niaraka taminy.  Ary nentiny niaraka taminy nankany Ejipta ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin’ny zafikeliny rehetra. Eny, nentiny ny zanany rehetra.+  Ary ireto avy ny anaran’ny zanak’i Israely, izany hoe ny zanak’i Jakoba, tonga tany Ejipta:+ Robena+ no lahimatoan’i Jakoba.  Ary ny zanakalahin’i Robena dia i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.+ 10  Ary ny zanakalahin’i Simeona+ dia i Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina+ sy Zohara, ary koa Saoly+ zanakalahin’ny vehivavy kananita. 11  Ary ny zanakalahin’i Levy+ dia i Gersona+ sy Kehata+ ary Merary.+ 12  Ary ny zanakalahin’i Joda+ dia i Era+ sy Onana+ sy Sela+ sy Pereza+ ary Zera.+ Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana.+ Ary ny zanakalahin’i Pereza dia i Hezrona+ sy Hamola.+ 13  Ary ny zanakalahin’i Isakara+ dia i Tola+ sy Pova+ sy Joba ary Simrona.+ 14  Ary ny zanakalahin’i Zebolona+ dia i Sereda sy Elona ary Jahalela.+ 15  Ireo no zanakalahin’i Lea+ naterany tamin’i Jakoba tany Padana-arama, niampy an’i Dina+ zanany vavy. Telo amby telopolo ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra. 16  Ary ny zanakalahin’i Gada+ dia i Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Ery sy Aroda ary Arely.+ 17  Ary ny zanakalahin’i Asera+ dia i Jimna sy Jisva sy Jisvy ary Beria.+ Ary i Sera no anabavin’izy ireo. Ary ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy Malkiela.+ 18  Ireo no zanakalahin’i Zilpa,+ ilay nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy. Ireo no naterany tamin’i Jakoba. Enina ambin’ny folo izy* rehetra. 19  Ary ny zanakalahin’i Rahely+ vadin’i Jakoba dia i Josefa+ sy Benjamina.+ 20  Ary ny naterak’i Josefa tany Ejipta dia i Manase+ sy Efraima,+ izay naterak’i Asenata+ taminy. Zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona io Asenata io. 21  Ary ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela+ sy Bekera+ sy Asbela sy Gera+ sy Namàna+ sy Ehy sy Rosy sy Mopima+ sy Hopima+ ary Arda. 22  Ireo no zanakalahin’i Rahely naterany tamin’i Jakoba. Efatra ambin’ny folo izy* rehetra. 23  Ary anisan’ny zanakalahin’i Dana+ i Hosima.+ 24  Ary ny zanakalahin’i Naftaly+ dia i Jazila sy Gony+ sy Jezera ary Silema.+ 25  Ireo no zanakalahin’i Bilaha,+ ilay nomen’i Labana an’i Rahely zanany vavy. Ireo no naterany tamin’i Jakoba. Fito izy* rehetra. 26  Naterak’i*+ Jakoba daholo izay* rehetra niaraka taminy nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin’ireo zanany lahy. Enina amby enimpolo izy* rehetra. 27  Ary roa lahy* ny zanak’i Josefa naterany tany Ejipta. Koa fitopolo ny fitambaran’ireo* anisan’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.+ 28  Ary nirahiny hialoha azy ho any amin’i Josefa i Joda+ mba hampandre an’izay any Gosena. Dia tonga tany Gosena+ izy ireo. 29  Ary nasain’i Josefa nomanina ny kalesiny, ka niakatra hitsena an’i Israely rainy tany Gosena izy.+ Raha vao nahita azy izy, dia niantoraka teo amin’ny vozony ka nitomany be teo.+ 30  Farany, dia hoy i Israely tamin’i Josefa: “Tsy mampaninona ahy intsony na ho faty aza aho,+ satria efa nifanatri-tava taminao aho, fa mbola velona ihany ianao.” 31  Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: “Aleo aho hiakatra hilaza amin’i Farao hoe:+ ‘Efa tonga atỳ amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan-draiko izay tany Kanana.+ 32  Mpiandry ondry ry zareo,+ satria mpiompy.+ Ary nentiny atỳ ny ondriny sy ny ombiny ary izay rehetra ananany.’+ 33  Koa rehefa hampiantso anareo i Farao ka hanontany hoe: ‘Inona no asanareo?’, 34  dia lazao hoe: ‘Efa mpiompy hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao izahay mpanomponao, dia izahay sy ny razanay.’+ Amin’izay dia ho afaka hipetraka eto Gosena ianareo,+ satria maharikoriko amin’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Avy tao amin’ny foto-pen’i.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.