Genesisy 47:1-31

47  Ary tonga nilaza tamin’i Farao i Josefa hoe:+ “Tonga avy any Kanana ny raiko sy ny rahalahiko, mbamin’ny ondriny sy ny ombiny ary izay rehetra ananany, ka ao Gosena+ ry zareo izao.”  Ary nentiny teo anatrehan’i Farao ny dimy tamin’ny rahalahiny.+  Ary hoy i Farao tamin’ny rahalahin’i Josefa: “Inona no asanareo?”+ Dia hoy ireo tamin’i Farao: “Mpiandry ondry izahay mpanomponao,+ na izahay na ny razanay.”+  Ary hoy koa ireo taminy: “Tonga hivahiny eto izahay.+ Any Kanana mantsy tsy misy ahitra hohanin’ny andian’ondrin’ny mpanomponao,+ fa mafy ny mosary any.+ Koa mba avelao hipetraka ao Gosena+ re ny mpanomponao e!”  Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: “Efa tonga atỳ aminao ny rainao sy ny rahalahinao.  Afaka mifidy izay faritra tianao eto Ejipta ianao.+ Koa apetraho ao amin’izay faritra tsara indrindra eto Ejipta ny rainao sy ny rahalahinao.+ Dia aoka izy ireo hipetraka ao Gosena,+ ary raha mahafantatra lehilahy be herim-po+ eo amin’izy ireo ianao, dia tendreo ho lehiben’ny mpiandry biby fiompiko+ izy.”  Dia nentin’i Josefa nankao amin’i Farao i Jakoba rainy ka nampifankahalalainy taminy. Ary nitso-drano+ an’i Farao i Jakoba.  Ary hoy i Farao tamin’i Jakoba: “Firy taona ny andro niainanao?”  Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: “Telopolo amby zato taona ny andro nivahiniako.+ Vitsy sady nampahory ireo andro niainako,+ ka tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ireo andro nivahiniany.”+ 10  Ary nitso-drano an’i Farao i Jakoba, dia niala teo anatrehany.+ 11  Koa nasain’i Josefa nanorim-ponenana tao Ejipta ny rainy sy ny rahalahiny, ka nomeny tany tao amin’izay faritra tsara indrindra, dia tao Ramesesa,+ araka ny nandidian’i Farao. 12  Ary i Josefa nandefa sakafo tsy tapaka ho an-drainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy manontolo,+ araka ny isan’ny zaza madinika.+ 13  Ary tsy nisy sakafo nanerana an’ilay tany, satria mafy dia mafy ny mosary.+ Koa reraka be ny olona tao Ejipta sy ny tany Kanana noho ny mosary.+ 14  Ary nangonin’i Josefa daholo ny vola rehetra tao Ejipta sy tany Kanana, dia ny vola nividianan’ny olona varimbazaha,*+ ka nataony tao an-tranon’i Farao. 15  Tamin’ny farany, dia lany ny vola tao Ejipta sy tany Kanana, ka nankany amin’i Josefa ny Ejipsianina rehetra, nanao hoe: “Omeo sakafo izahay!+ Satria ve lany vola izahay dia ho faty eto anatrehanao?”+ 16  Dia hoy i Josefa: “Ento atỳ ny biby fiompinareo, dia homeko sakafo ianareo ho takalon’ny biby fiompinareo, raha lany ny volanareo.” 17  Dia nentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny biby fiompiny. Ary nomen’i Josefa sakafo izy ireo ho takalon’ny soavaliny sy ny ondriny sy ny ombiny ary ny ampondrany.+ Eny, nomeny sakafo izy ireo ho takalon’ny biby fiompiny rehetra, nandritra iny taona iny. 18  Ary tapitra iny taona iny, ka nankany amin’i Josefa izy ireo ny taona nanaraka, dia niteny taminy hoe: “Tsy hafeninay aminao, tompoko, fa efa lany nomena ny tompoko ny vola sy ny biby fiompy.+ Tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay sisa eto anatrehan’ny tompoko.+ 19  Fa nahoana no ho faty eto imasonao izahay,+ ary ho lao ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ka omeo sakafo izahay ho takalon’izany,+ dia hanompo an’i Farao izahay sy ny taninay. Ary omeo masomboly izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay.”+ 20  Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao ny tany rehetran’ny Ejipsianina,+ satria samy nivarotra ny sahany izy ireo, noho ny mosary mafy nanjo azy ireo. Koa lasan’i Farao i Ejipta manontolo. 21  Ary nafindran’i Josefa nankany amin’ny tanàna samy hafa ny olona, nanerana an’i Ejipta.+ 22  Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy novidiny.+ Nahazo anjara sakafo avy tao an-tranon’i Farao mantsy ny mpisorona,+ ka izany no antony tsy nivarotan’izy ireo ny taniny.+ 23  Ary hoy i Josefa tamin’ny olona: “Efa novidiko ho an’i Farao ianareo sy ny taninareo androany. Ireo ny masomboly ho anareo, ka afafazo.+ 24  Rehefa miakatra ny vokatra,+ dia omeo an’i Farao ny ampahadiminy,+ fa ny efatra ampahadiminy kosa hataonareo masomboly eny an-tsaha, sy ho sakafonareo mbamin’izay ao an-tranonareo sy ny zanakareo madinika.”+ 25  Koa hoy ireo: “Efa namonjy ny ainay ianao.+ Aoka izahay hahazo sitraka amin’ny tompoko, dia ho mpanompon’i Farao izahay.”+ 26  Ary namoaka didy momba ny fananan-tany any Ejipta i Josefa hoe ho an’i Farao ny ampahadiminy. Ary manan-kery mandraka ankehitriny izany didy izany. Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao,+ satria navahana tamin’ny vahoaka izy ireo. 27  Ary nipetraka tao Gosena, tany Ejipta, ny Israely.+ Koa nanorim-ponenana tao izy ireo, ary nanan-taranaka ka nihamaro be.+ 28  Ary i Jakoba mbola velona fito ambin’ny folo taona tany Ejipta. Koa fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany.+ 29  Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Israely,+ dia nantsoiny i Josefa zanany ka nilazany hoe: “Raha mahazo sitraka aminao aho, dia mba ataovy ato ambany feko ny tananao,+ ary anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho ka asehoy amiko fa azoko itokisana ianao:+ Miangavy anao aho mba tsy handevina ahy eto Ejipta.+ 30  Rehefa hodimandry any amin’ny razako aho,+ dia ento hiala eto Ejipta, ary aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.”+ Dia hoy i Josefa: “Hotanterahiko tokoa ny teninao.” 31  Ary hoy izy: “Mianiàna amiko àry.” Dia nianiana taminy i Josefa.+ Ary niankohoka teo an-doham-pandriana i Israely.+

Fanamarihana

Mety ho vary orza koa.