Genesisy 48:1-22

48  Ary taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Josefa hoe: “Efa mihaosa ny rainao.” Koa nentin’i Josefa tany i Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.+  Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba hoe: “Io fa tonga hamangy anao i Josefa zanakao.” Dia nanangona ny heriny rehetra i Israely ka nipetraka teo am-pandrianany.  Ary hoy i Jakoba tamin’i Josefa: “Niseho tamiko tao Lozy+ any Kanana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, mba hitso-drano ahy.+  Ary hoy izy tamiko: ‘Hataoko manan-taranaka ianao ka ho maro tokoa ny taranakao,+ ary hataoko firenena lehibe ianao.+ Homeko ho an’ny taranakao mandimby anao ity tany ity, ho fananany mandritra ny fotoana tsy voafetra.’+  Ary ankehitriny dia ho ahy izy mirahalahy,+ izay naterakao teto Ejipta talohan’ny nahatongavako teto aminao. Eny, ho ahy i Efraima sy Manase, tahaka an’i Robena sy Simeona.+  Ho anao kosa anefa ny zanaka haterakao aorian’izy mirahalahy. Momba ny anjara lovan’izy ireo, dia amin’ny anaran’izy mirahalahy ihany no hahazoany izany.+  Taorian’ny nialako tany Padana,+ dia maty teo anatrehako i Rahely,+ tany Kanana. Teny an-dalana ho any Efrata+ izahay tamin’izay, ary mbola lavitra i Efrata, izany hoe Betlehema.+ Koa naleviko tamin’iny lalana mankany Efrata iny izy.”  Ary hitan’i Israely ny zanak’i Josefa ka hoy izy: “Fa iza ireo?”+  Ary hoy i Josefa tamin-drainy: “Ireo no zanakalahy nomen’Andriamanitra ahy tatỳ.”+ Dia hoy izy: “Mba ento kely eto amiko izy ireo hitsofako rano azy.”+ 10  Ary efa nanjavozavo ny mason’i Israely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy.+ Koa nentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy. Dia nanoroka sady namihina azy roa lahy i Israely.+ 11  Ary hoy koa izy tamin’i Josefa: “Tsy nieritreritra ny hahita anao intsony aho,+ nefa izao aho navelan’Andriamanitra hahita ny zanakao koa aza.” 12  Ary nesorin’i Josefa avy teo an-dohaliny izy mirahalahy nony avy eo, ka niankohoka tamin’ny tany izy.+ 13  Ary noraisin’i Josefa tamin’ny tanany havanana i Efraima ho eo ankavian’i Israely,+ ary noraisiny tamin’ny tanany havia i Manase ho eo ankavanan’i Israely,+ ka nampanatoniny azy izy mirahalahy. 14  Rehefa nanatsotra ny tanany anefa i Israely, dia napetrany teo amin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana,+ na izy aza no zandriny,+ ary ny tanany havia kosa teo amin’ny lohan’i Manase.+ Niniany natao toy izany ny tanany, nefa i Manase no lahimatoa.+ 15  Ary nitso-drano an’i Josefa izy hoe:+ “Ry ilay tena Andriamanitra, izay narahin’i Abrahama sy Isaka raiko,+Ry ilay tena Andriamanitra, izay mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny,+ 16  Ry anjely nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra,+ tahio ireto zaza ireto.+Ary aoka hantsoina eo amin’izy ireo ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko,+Ary aoka hitombo maro be eto ambonin’ny tany izy ireo.”+ 17  Ary hitan’i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana, ka tsy faly izy.+ Koa notadiaviny hohazonina ny tanan-drainy mba hesorina teo amin’ny lohan’i Efraima ho eo amin’ny lohan’i Manase.+ 18  Ary hoy i Josefa tamin-drainy: “Tsy izao no izy, ry Dada! Fa ity no lahimatoa,+ ka apetraho eo amin’ny lohany ny tananao havanana.” 19  Tsy nety mihitsy anefa ny rainy, ka niteny hoe: “Fantatro ihany izany, anaka, fantatro ihany. Ho lasa firenena koa izy sady hahery.+ Ny zandriny anefa hahery noho izy,+ ary ny taranany ho maro be ka ho lasa firenena maro.”+ 20  Ary mbola nitso-drano azy ireo ihany izy tamin’iny andro iny+ hoe: “Hampiasa foana ny anaranao anie ny Israely rehefa mitso-drano, ka hilaza hoe:‘Hataon’Andriamanitra ho tahaka an’i Efraima sy ho tahaka an’i Manase anie ianao!’”+ Koa i Efraima foana no nataony alohan’i Manase.+ 21  Ary hoy i Israely tamin’i Josefa nony avy eo: “Efa ho faty aho.+ Homba anareo foana anefa Andriamanitra, ka hamerina anareo any amin’ny tanin’ny razanareo.+ 22  Ary homeko tany iray fanampiny ianao, mihoatra noho ny an’ny rahalahinao.+ Nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan’ny Amorita izany tany izany.”

Fanamarihana