Genesisy 49:1-33

49  Avy eo dia nantsoin’i Jakoba ireo zanany lahy, ka hoy izy: “Avia daholo ianareo mba hilazako izay hitranga aminareo any am-parany.  Avia ka mihainoa, ry zanak’i Jakoba, mihainoa an’i Israely rainareo:+  “Robena! Ianao no lahimatoako+ sy tanjako, ary ianao no voalohan-terako.+ Lehibe kokoa ny voninahitrao sy ny herinao.  Tsy voafehy toy ny rano vaky anefa ny filanao. Koa tsy ho ambony noho ny rahalahinao ianao,+ satria efa niakaranao ny fandrianan’ny rainao,+ ka nolotoinao ny farafarako.+ Dia niakarany tokoa lahy ny farafarako!  “Mpirahalahy i Simeona sy Levy.+ Ary fitaovana entiny mihetraketraka ny sabatra famonoany.+  Koa enga anie aho tsy hiditra ho isan’ny namany,+ na ho tafaray amin’ny fiangonany!+ Fa tamin’ny fahatezerany no namonoany olona,+ ary hasomparana fotsiny no nanapahany ny hoza-tongotry ny omby.  Ho voaozona anie ny fahatezeran’izy ireo+ satria lozabe,+ ary ny fisafoahany satria masiaka!+ Hozarazaraiko eny amin’ny tanin’i Jakoba sy haparitako any amin’ny Israely izy ireo.+  “Ary ianao, ry Joda,+ hoderain’ny rahalahinao ianao.+ Ny tananao ho eo amin’ny hatoky ny fahavalonao.+ Ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.+  Zana-diona ianao, ry Joda.+ Hihinana remby ianao, anaka, dia hitsangana. Niondrika izy, nitsotsotra toy ny liona izy. Toy ny liona izy, ka iza no ho sahy hanaitra azy?+ 10  Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda,+ ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.+ Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.+ 11  Hamatotra ny ampondrany amin’ny foto-boaloboka izy ary ny zanaky ny ampondravaviny amin’ny foto-boaloboka karazany tsara. Hanasa ny fitafiany amin’ny divay izy ary ny akanjony amin’ny ram-boaloboka.+ 12  Mena dia mena ny masony vokatry ny divay, ary fotsy ny nifiny vokatry ny ronono. 13  “Honina amoron-tsiraka i Zebolona,+ ka ho eo amin’ny morona fiantsonan’ny sambo.+ Ary ho tandrifin’i Sidona ny sisin-taniny farany lavitra.+ 14  “Isakara+ dia ampondra mafy taolana, izay matory eo ambany lasely, eo anelanelan’ny kitapon-dasely roa. 15  Ho hitany fa tsara ny toerana onenany sady mahafinaritra ilay tany. Ary hanaiky hitondra entana eo an-tsorony izy ka hampanaovina asa an-terivozona. 16  “Hitsara ny fireneny i Dana, izay anisan’ny fokon’ny Israely.+ 17  Ho bibilava eo amoron-dalana i Dana, eny, ho bibilava misy tandroka eo an-tsisin-dalana, izay manaikitra ny hato-tongotry ny soavaly, hany ka mianjera ny mpitaingina azy.+ 18  Hiandry ny famonjena avy aminao aho, Jehovah ô!+ 19  “Hisy mpandroba hanafika an’i Gada, nefa izy hanafika ny vodilaharan’ireny.+ 20  “Avy amin’i Asera no hiavian’ny sakafo tena tsara,+ ary hanome ny sakafo matsiron’ny mpanjaka izy.+ 21  “Serfa manifinify i Naftaly.+ Manao teny kanto izy.+ 22  “Sampan’ny hazo mamoa+ i Josefa, eny, sampan’ny hazo mamoa eo anilan’ny loharano,+ ary mihoatra any ivelan’ny manda ny rantsany.+ 23  Fa tsy nitsahatra nampahory sy nitifitra azy ny mpandefa zana-tsipìka, ary nitana lolompo taminy.+ 24  Efa nihenjana tsara anefa ny tsipìkany,+ ary natanjaka ny tanany sady mailaka.+ Ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba+ no nanome an’ilay Mpiandry sady Vato Fehizoron’i Israely.+ 25  Avy amin’ilay Andriamanitry ny rainao+ izy, ary miaraka amin’ilay Mahery Indrindra.+ Hanampy anao Andriamanitra+ ka hanome anao ny fitahian’ny lanitra ambony+ sy ny fitahian’ny rano lalina any ambany+ ary hanome anao taranaka be dia be.*+ 26  Ny tsodranon-drainao dia ho tsara lavitra noho ireo zava-tsoa avy amin’ny tendrombohitra maharitra mandrakizay,+ sy noho ny hakanton’ny havoana maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+ Ho eo an-dohan’i Josefa foana izany, eny, ho eo an-tampon-dohan’ilay nosinganina tamin’ny rahalahiny.+ 27  “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina.+ Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.”+ 28  Avy amin’izy rehetra ireo ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely, ary izany no nolazain-drainy tamin’izy ireo rehefa nitso-drano azy izy. Samy notsofiny rano araka ny tsodrano tokony ho azy avy izy ireo.+ 29  Ary namela hafatra tamin’izy ireo izy hoe: “Tsy ho ela dia hangonina any amin’ny razako+ aho. Aleveno miaraka amin’ny razako aho, ao amin’ilay lava-bato eo amin’ny sahan’i Efrona Hetita,+ 30  dia ilay lava-bato eo amin’ilay saha ao Makpela izay tandrifin’i Mamre any Kanana. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita ho toeram-pandevenana.+ 31  Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+ Tao koa no nandevenana an’i Isaka sy Rebeka vadiny,+ ary tao no nandevenako an’i Lea. 32  Avy tamin’ny taranak’i Heta ilay saha novidina sy ilay lava-bato eo aminy.”+ 33  Rehefa avy namela hafatra tamin’ny zanany lahy i Jakoba, dia navonkiny teo am-pandriana ny tongony, ka niala aina izy ary nangonina any amin’ny razany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fitahian’ny nono sy ny kibo.”