Genesisy 50:1-26

50  Ary nihohoka teo amin’ny tarehin-drainy i Josefa,+ ka nitomany teo aminy sady nanoroka azy.+  Avy eo dia nasain’i Josefa nokarakarain’ny mpitsabo mpanompony ny fatin-drainy.+ Koa nokarakarain’izy ireo ny fatin’i Israely,  ka efapolo andro katroka no nanaovany izany, satria izany no faharetan’ny fotoana fikarakarany faty. Ary nitomany azy fitopolo andro ny Ejipsianina.+  Farany, dia tapitra ny andro nitomaniana azy, ka hoy i Josefa tamin’ny ankohonan’i Farao: “Raha mahazo sitraka aminareo aho,+ dia mba lazao amin’i Farao izao:  ‘Nampianiana ahy ny raiko+ ka niteny hoe: “Efa ho faty aho,+ ka ao amin’ny toeram-pandevenana efa nolavahako ho ahy any Kanana,+ no andeveno ahy.”+ Koa mba avelao aho hiakatra handevina an-draiko, fa hiverina ihany aho avy eo.’”  Dia hoy i Farao: “Miakara àry, ka aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao.”+  Koa lasa niakatra handevina ny rainy i Josefa, ary niaraka taminy ny mpanompon’i Farao rehetra, dia ny anti-panahy+ tao an-tranony sy ny anti-panahy rehetran’i Ejipta,  mbamin’ny ankohonan’i Josefa manontolo sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy.+ Ny zanak’izy ireo madinika sy ny ondriny ary ny ombiny ihany no navelany tao Gosena.  Ary nisy kalesy+ sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy, ka maro be ny olona nandeha. 10  Dia tonga teo amin’ny famoloana+ tao Atada, izay ao amin’ny faritr’i Jordana,+ izy ireo ka nidradradradra nitomany mafy teo. Ary nataon’i Josefa nandritra ny fito andro ireo fombafomba fisaonana an-drainy.+ 11  Rehefa hitan’ny Kananita tompon-tany ny fombafomba fisaonana natao teo amin’ilay famoloana tao Atada, dia hoy izy: “Fisaonana lehibe ho an’ny Ejipsianina izao!” Izany no nanaovana ny anaran’ilay famoloana hoe Abela-mizraima, izay ao amin’ny faritr’i Jordana.+ 12  Ary araka izay nandidian’i Jakoba indrindra no nataon’ny zanany lahy taminy.+ 13  Koa nentin’ny zanany nankany Kanana ny fatiny, ka naleviny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita, ho toeram-pandevenana.+ 14  Rehefa avy nandevina ny rainy i Josefa, dia niverina nankany Ejipta izy sy ny rahalahiny ary izay rehetra niara-niakatra taminy mba handevina ny rainy. 15  Rehefa maty ny rain’izy ireo, dia nifampiresaka ireo rahalahin’i Josefa hoe: “Sao dia mitana lolompo amintsika i Josefa,+ ka hovaliany amintsika ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”+ 16  Koa nilaza tamin’i Josefa izy ireo hoe: “Talohan’ny hahafatesan-drainao, dia efa namela hafatra izy hoe: 17  ‘Izao no holazainareo amin’i Josefa: “Mitalaho aminao aho, mba avelao+ re ny heloky ny rahalahinao sy ny fahotany, dia ny ratsy nataony taminao e!”’+ Koa avelao tokoa re ny heloky ny mpanompon’ilay Andriamanitry ny rainao e!”+ Dia tsy nahatana ny ranomasony i Josefa tamin’izy ireo niresaka taminy. 18  Tonga koa ireo rahalahiny, ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: “Indreto izahay mpanomponao!”+ 19  Ary hoy i Josefa taminy: “Aza matahotra, fa izaho angaha solon’Andriamanitra?+ 20  Nikendry ny hanisy ratsy ahy ianareo, nefa araka izao hita androany izao, dia nikendry ny hanao soa avy amin’izany kosa Andriamanitra, mba hamonjena ain’olona maro.+ 21  Koa aza matahotra, fa izaho no hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika.”+ Dia nampionona sy nanome toky azy ireo izy. 22  Ary mbola nipetraka tany Ejipta i Josefa sy ny ankohonan-drainy. Ary velona folo amby zato taona i Josefa. 23  Ary mbola hitany hatramin’ny zafikelin’i Efraima,+ ary koa ny zanak’i Makira,+ zanakalahin’i Manase. Nentin’i Josefa toy ny zanany naterany*+ ireny. 24  Farany, dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: “Efa ho faty aho. Tsy maintsy hitsinjo anareo anefa Andriamanitra,+ ka hitondra anareo hiakatra hiala amin’ity tany ity, ho any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.”+ 25  Dia nampianiana ny zanak’Israely i Josefa, ka niteny hoe: “Tsy maintsy hitsinjo anareo Andriamanitra. Koa ento miakatra hiala atỳ ny taolambaloko.”+ 26  Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Ary nokarakaraina ny fatiny,+ ka napetraka tao anaty vatam-paty tany Ejipta.

Fanamarihana

A.b.t.: “Nateraka teo ambony lohalik’i Josefa.”