Genesisy 7:1-24

  • Niditra tao anatin’ny sambofiara (1-10)

  • Ilay Safodrano naneran-tany (11-24)

7  Taorian’izany, dia hoy i Jehovah tamin’i Noa: “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo. Amin’izao taranaka misy anao izao mantsy, dia ianao no hitako hoe olo-marina.+ 2  Akao fito avy ny karazam-biby madio rehetra,*+ dia lahy sy vavy, ary ento miditra miaraka aminao. Fa amin’ny biby tsy madio rehetra kosa, dia roa avy fotsiny no halainao, izany hoe lahy sy vavy. 3  Akao fito avy koa ny biby manidina eny amin’ny lanitra, dia lahy sy vavy,* mba tsy ho lany taranaka eny ambonin’ny tany manontolo ireny.+ 4  Fa fito andro sisa dia hampilatsaka orana+ eny ambonin’ny tany aho, mandritra ny 40 andro sy 40 alina.+ Ary haringako tsy hisy eny ambonin’ny tany ny zavamananaina rehetra nataoko.”+ 5  Dia nataon’i Noa izay rehetra nandidian’i Jehovah azy. 6  Ary 600 taona i Noa rehefa nisy safodrano teto ambonin’ny tany.+ 7  Dia niditra tao anatin’ilay sambofiara i Noa sy ny vady aman-janany ary ireo vadin’ny zanany lahy, talohan’ny safodrano.+ 8  Nisy tamin’ny biby madio sy ny biby tsy madio sy ny biby manidina ary izay rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany koa niditra tao anatin’ilay sambofiara.+ 9  Niditra tsiroaroa, izany hoe lahy sy vavy, tao anatin’ny sambofiara niaraka tamin’i Noa ireny, araka ny didy nomen’Andriamanitra azy. 10  Fito andro taorian’izay, dia tonga teto ambonin’ny tany ny safodrano. 11  Tamin’ny andro faha-17 amin’ny volana faharoa, rehefa 600 taona i Noa, dia vaky ny loharano rehetra teny ambony, tamin’io andro io, ary nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.+ 12  Dia avy be ny orana teto ambonin’ny tany nandritra ny 40 andro sy 40 alina. 13  Ary niditra tao anatin’ny sambofiara i Noa tamin’io andro io, niaraka tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta zanany lahy.+ Niaraka taminy koa ny vadiny sy izy telo vavy vadin’ny zanany.+ 14  Niditra tao anatin’ny sambofiara izy ireo sy ny bibidia rehetra araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra araka ny karazany avy, ny biby mandady rehetra etỳ ambonin’ny tany araka ny karazany avy, ary ny biby manidina rehetra araka ny karazany avy, izany hoe ny vorona rehetra sy izay rehetra manana elatra. 15  Niditra tsiroaroa nankao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ny karazana biby* manam-pofonaina rehetra. 16  Dia niditra ny karazana biby* rehetra, dia lahy sy vavy, araka ny didy nomen’Andriamanitra an’i Noa. Avy eo dia nohidian’i Jehovah ny varavarana. 17  Ary avy be nandritra ny 40 andro teto ambonin’ny tany ny orana. Dia niakatra foana ny rano ka nanainga an’ilay sambofiara. Ary nitsinkafona ambony be niala tamin’ny tany ilay sambofiara. 18  Nahery be ny rano sady nisondrotra be foana teto ambonin’ny tany, fa ilay sambofiara kosa nitsinkafona teny ambonin’ny rano. 19  Ary difotry ny rano ny tany, ka sarona tao koa ny tendrombohitra avo rehetra teny ambanin’ny lanitra manontolo.+ 20  Dia niakatra 15 hakiho* nihoatra ny tendrombohitra ny rano. 21  Koa maty ny zavamananaina* rehetra nihetsiketsika teto ambonin’ny tany:+ Ny biby manidina, ny biby fiompy, ny bibidia, ny zavamananaina hafa mifanaretsaka, ary ny olombelona rehetra.+ 22  Maty daholo izay nanam-pofonaina,*+ dia izay rehetra teo amin’ny tany maina. 23  Naringan’Andriamanitra* tsy hisy tetỳ ambonin’ny tany ny zavamananaina rehetra, anisan’izany ny olona, ny biby, ny biby mandady, ary ny biby manidina teny amin’ny lanitra. Ringana tsy nisy teto ambonin’ny tany daholo ireny,+ fa i Noa sy izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara ihany sisa no velona.+ 24  Ary mbola nahery be ny rano teto ambonin’ny tany, nandritra ny 150 andro.+

Fanamarihana

Na mety hoe “Akao 14 ny biby madio rehetra, dia ataovy mandeha tsiroaroa.”
Na mety hoe “Akao 14 ny biby manidina rehetra, dia ataovy mandeha tsiroaroa.”
Abt: “nofo.”
Abt: “nofo.”
1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Abt: “nofo.”
Na: “nanam-pofonaina teo amin’ny vavorony.”
Abt: “Naringany.”