Genesisy 8:1-22

  • Nihena ny rano (1-14)

    • Namoaka voromailala (8-12)

  • Nivoaka avy tao amin’ny sambofiara (15-19)

  • Ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny tany (20-22)

8  Tsy hadinon’Andriamanitra* anefa i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara.+ Dia nasian’Andriamanitra rivotra nitsoka teto ambonin’ny tany, ka nanomboka nihena ny rano. 2  Dia tampina ny loharano rehetra teny ambony sy ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ka nitsahatra* ilay orana avy any an-danitra.+ 3  Ary nihanidina ny rano teto ambonin’ny tany. Efa nihena ny rano rehefa afaka 150 andro. 4  Tamin’ny andro faha-17 amin’ny volana fahafito, dia tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ilay sambofiara. 5  Ary mbola nihena tsikelikely ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra,+ tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo. 6  Rehefa afaka 40 andro àry, dia nosokafan’i Noa ny varavarankelin’ny sambofiara,+ 7  dia namoaka goaika izy. Nanidina teny ivelany ilay goaika dia niverina, ary toy izany foana mandra-pahamainan’ny rano teto ambonin’ny tany. 8  Tatỳ aoriana dia namoaka voromailala izy, mba hahitana raha efa nihena ny rano teto ambonin’ny tany na tsia. 9  Tsy nahita toerana hipetrahana* anefa ilay voromailala, ka niverina nankao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, satria mbola difotry ny rano ny tany manontolo.+ Dia navoakan’i Noa ny tanany, dia nalainy ilay voromailala ka nampidiriny tao anatin’ny sambofiara. 10  Mbola niandry fito andro indray izy vao namoaka an’ilay voromailala avy tao amin’ny sambofiara. 11  Ary tonga teo aminy ilay voromailala rehefa harivariva. Hitan’i Noa hoe io fa nisy ravin’oliva mbola maitso teny am-bavany! Dia fantatr’i Noa fa efa nihena ny rano teto ambonin’ny tany.+ 12  Ary mbola niandry fito andro indray izy, dia navoakany ilay voromailala, nefa tsy niverina teo aminy intsony. 13  Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, tamin’ny taona faha-601,+ dia ritra ny rano teto ambonin’ny tany. Dia nesorin’i Noa ny saron’ny sambofiara, ka hitany fa efa nihamaina ny tany. 14  Ary efa maina tanteraka ny tany tamin’ny andro faha-27 amin’ny volana faharoa. 15  Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: 16  “Mivoaha avy ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao ary ny vadin’ny zanakao.+ 17  Ento mivoaka miaraka aminao ny zavamananaina rehetra, araka ny karazany avy:+ Ny biby manidina sy ny biby fiompy ary ny biby mandady rehetra eny ambonin’ny tany. Amin’izay izy ireny ho lasa be dia be eny ambonin’ny tany, dia hanan-taranaka sy hihabetsaka* eny ambonin’ny tany.”+ 18  Dia nivoaka i Noa sy ny vadiny, ary ny zanany lahy+ sy ny vadin’izy ireo. 19  Nivoaka avy tao amin’ny sambofiara koa ny bibidia rehetra, ny biby mandady rehetra, ny biby manidina rehetra, ary izay rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany, araka ny sokajiny avy.+ 20  Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah i Noa. Naka tamin’ny biby madio sy ny biby manidina madio+ izy, ka nanolotra fanatitra dorana teo ambonin’ilay alitara.+ 21  Ary nahafinaritra* an’i Jehovah ny hanitr’ilay izy, ka hoy i Jehovah anakampo: “Tsy hanozona ny tany+ noho ny ataon’ny olona intsony aho, satria mitarika azy hanao ratsy foana ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.+ Dia tsy horinganiko hoatran’iny nataoko iny intsony ny zavamananaina rehetra.+ 22  Manomboka izao, dia tsy hitsahatra eny ambonin’ny tany mihitsy ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.”+

Fanamarihana

Abt: “Tsaroan’Andriamanitra.”
Na: “voasakana.”
Na: “toerana hasiany ny tongony.”
Na: “hifamezivezy.”
Na: “nampitony.” Abt: “nitondra fitsaharana ho.”