Genesisy 9:1-29

9  Ary nitso-drano an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.+  Ary mbola hatahotra sy hihorohoro noho ny aminareo foana ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra, sy izay rehetra mandady amin’ny tany, ary ny trondro rehetra any an-dranomasina. Efa natolotra teo am-pelatananareo ireny.+  Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.+ Omeko anareo avokoa izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso.+  Fa izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina,+ izany hoe mbola misy ra.+  Ary hanao ampamoaka koa aho noho ny amin’ny ranareo. Hataoko ampamoaka ny zavamananaina rehetra noho ny amin’ny ranareo. Ary raha misy olona mamono mahafaty ny rahalahiny, dia hataoko ampamoaka izy noho ny amin’ny ran’ny rahalahiny.+  Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany,+ satria nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona.  Fa ianareo kosa, manàna taranaka, mihabetsaha, ka aoka ho feno anareo ny tany, ary mihabetsaha eny ambonin’ny tany.”+  Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Noa sy ireo zanany lahy:  “Izaho dia manao fifanekena+ aminareo sy ny taranaka handimby anareo+ 10  ary amin’ny zavamananaina* rehetra eo aminareo, dia ny vorona sy ny biby fiompy ary ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, eny, izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara, mbamin’ny zavamananaina rehetra eny ambonin’ny tany.+ 11  Koa izao no fifanekena ataoko aminareo: Tsy ho ringan’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.”+ 12  Ary hoy koa Andriamanitra: “Izao no famantarana+ ny amin’ilay fifanekena ataoko aminareo sy ny zavamananaina* rehetra eo aminareo, eny, amin’ny taranaka rehetra mandritra ny fotoana tsy voafetra: 13  Apetrako eny amin’ny rahona ny avako,+ ho famantarana ny amin’ilay fifanekena ifanaovako amin’ny tany. 14  Koa rehefa mampisy rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana. 15  Ary hotsaroako ilay fifanekena+ ataoko aminareo sy ny karazan-javamananaina* rehetra. Ary tsy hahatonga safodrano handringana ny nofo rehetra intsony ny rano.+ 16  Hiseho eny amin’ny rahona+ ny avana, ka ho hitako mba hahatsiarovako ilay fifanekena haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ dia ilay fifanekena ifanaovan’Andriamanitra amin’ny zavamananaina* rehetra, izany hoe ny nofo rehetra eny ambonin’ny tany.”+ 17  Ary hoy indray Andriamanitra tamin’i Noa: “Izany no famantarana ny amin’ilay fifanekena ataoko amin’ny nofo rehetra eny ambonin’ny tany.”+ 18  Ary ny zanakalahin’i Noa+ izay nivoaka ny sambofiara dia i Sema sy Hama ary Jafeta. Ary i Hama no rain’i Kanana.+ 19  Ireo telo ireo no zanakalahin’i Noa, ary avy tamin’ireo no nielezan’ny mponina rehetra teto an-tany.+ 20  Ary nanomboka ny asan’ny mpamboly+ i Noa ka nanao tanimboaloboka.+ 21  Ary nisotro divay izy ka mamo,+ dia nanary lamba teo afovoan’ny tranolainy. 22  Nahita ny fitanjahan-drainy+ i Hama,+ rain’i Kanana, nony avy eo, ka lasa nilaza izany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.+ 23  Dia naka lamba fitafy+ i Sema sy Jafeta ka nataony teo an-tsoroka. Ary nanao dia nihemotra izy roa lahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Koa nitodi-damosina izy ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy.+ 24  Ary nifoha i Noa tamin’ny farany, rehefa nisava ny hamamoany, ka nanjary fantany izay efa nataon’ny faralahiny taminy. 25  Dia hoy izy: “Ho voaozona anie i Kanana!+Aoka izy no ho ambany indrindra amin’ny andevon’ny rahalahiny.”+ 26  Ary hoy koa izy:“Hisaorana anie i Jehovah,+ Andriamanitr’i Sema!Ary aoka i Kanana ho andevon’i Sema.+ 27  Homen’Andriamanitra toerana midadasika anie i Jafeta,Ary aoka izy honina ao an-tranolain’i Sema,+Fa i Kanana kosa ho andevon’i Jafeta.” 28  Ary mbola velona dimampolo sy telonjato taona i Noa, taorian’ny safodrano.+ 29  Koa nahatratra dimampolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Noa, dia maty izy.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.