Habakoka 1:1-17

1  Ny fanambarana azon’i Habakoka mpaminany tao amin’ny fahitana:  Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy, nefa tsy henoinao?+ Mandra-pahoviana no iantsoako vonjy aminao noho ny herisetra, nefa tsy vonjenao?+  Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?+  Koa ngoly ny lalàna, ary tsy tafavoaka ny rariny.+ Voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina, ka voaolana ny rariny.+  “Jereo fa misy fahavalonareo eo amin’ireo firenena, ka tazano, ary aoka ianareo ho zendana.+ Eny, aoka ianareo ho gaga, fa misy zavatra ataony amin’izao andronareo izao, dia zavatra tsy hinoanareo na hotantaraina aminareo aza.+  Fa hampirisihiko ny Kaldeanina,+ ilay firenena masiaka sady mivatravatra, izay mitety toerana midadasika amin’ny tany mba hakany fonenana tsy azy.+  Mampahatahotra sy mampihorohoro izy. Izy ihany no mamaritra izay heveriny fa rariny, ary manandratra ny tenany izy.+  Haingam-pandeha noho ny leopara ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy masiaka noho ny amboadia+ mihaza amin’ny takariva. Ary mampikatrokatroka ny kitrony amin’ny tany ny soavaliny fitondra miady, izay avy any lavitra. Manidina toy ny voromahery maika hihinana izy ireo.+  Tonga mba hampiasa herisetra izy rehetra.+ Mivondrona izy ireo ka mifofofofo toy ny rivotra avy any atsinanana,+ ary manangona babo maro be toy ny fasika. 10  Esoiny ny mpanjaka, ary ihomehezany ny manam-pahefana.+ Ihomehezany koa ny tanàna rehetra voaro mafy.+ Ataony miavosa ny vovoka, dia alainy ho babo ny tanàna. 11  Amin’izany fotoana izany, dia hifofofofo toy ny rivotra izy ka handresy ary ho meloka.+ Avy amin’ny andriamaniny+ izany heriny izany.” 12  Tsy efa nisy hatramin’ny taloha be ve ianao, Jehovah ô?+ Tsy ho faty ianao, Andriamanitro ô,+ Ilay Masina ivavahako. Hampihatra didim-pitsarana no nanendrenao azy, Jehovah ô, ary hananatra+ no nanorenanao azy, ry Vatolampy+ ô! 13  Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy, ary tsy mahajery faharatsiana ianao.+ Nahoana no jerenao fotsiny ny mpamitaka,+ ary nahoana no mangina ianao rehefa atelin’ny ratsy fanahy ny olona marina kokoa noho izy?+ 14  Ary nahoana ny olombelona no ataonao toy ny trondro any an-dranomasina, sy toy ny biby mandady tsy manana mpanjaka?+ 15  Ampiakariny amin’ny lelam-pintana+ izy rehetra, ka sintoniny amin’ny harato tarihina, ary angoniny ao anatin’ny haratony.+ Izany no mahatonga azy ho faly sy ravoravo.+ 16  Izany no antony anolorany setroka ho sorona ho an’ny harato tarihina, sy andoroany emboka manitra ho an’ny haratony. Fa noho ireo no mahatonga ny anjara haniny ho ampy menaka, sy mahatonga ny sakafony hahasalama.+ 17  Koa izany ve no antony hanafoanany ny ao anaty harato tarihina? Ary tsy maintsy handringana firenena maro foana ve izy, ka tsy hiantra+ mihitsy?

Fanamarihana