Habakoka 2:1-20

  • “Hiambina foana aho mba hahafantarako an’izay holazainy” (1)

  • Namaly an’i Habakoka i Jehovah (2-​20)

    • “Andraso ihany” (3)

    • Ho velona ny olo-marina satria tsy mivadika (4)

    • Loza dimy hanjo ny Kaldeanina (6-20)

      • Ho feno ny fahalalana an’i Jehovah ny tany (14)

2  Hijoro foana eo amin’ny toerana fiambenako aho,+Ary tsy hiala eo ambony manda.* Hiambina foana aho mba hahafantarako an’izay holazainy amin’ny alalako,Ary mba hahitako an’izay havaly rehefa anarina aho.  2  Dia hoy i Jehovah tamiko: “Soraty ny fahitana, sady ataovy mazava tsara eo amin’ny takelaka fanoratana,+Mba ho mora vakin’izay* mamaky azy mafy.+  3  Fa mbola amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana,Sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany* ka tsy handainga. Na dia hoatran’ny hoe elaela aza* ilay izy, dia andraso ihany,*+ Satria tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.  4  Jereo ilay olona mirehareha!Tsy mba manao izay mahitsy izy. Ny olo-marina anefa ho velona satria tsy mivadika.*+  5  Mamitaka ny divay,Ka tsy hahatratra ny tanjony ilay lehilahy manambony tena. Tsy mety voky hoatran’ny Fasana* izy,Sady hoatran’ny fahafatesana, ka tsy mety afa-po. Angoniny foana ny firenena rehetra,Ary voriny ho ao aminy ny vahoaka rehetra.+  6  Tsy izy rehetra ve no hanesoeso azy, sady hanao ohabolana sy ankamantatra mba hanaratsiana azy?+ Hiteny izy ireo hoe: ‘Hahita loza ilay manangona zavatra tsy azy,Dia ilay mampitombo ny trosany.Mandra-pahoviana re e?  7  Tsy hitsangana tampoka ve ny olona mitaky trosa aminao? Hifoha izy ireo ka hanozongozona mafy anao.Dia horobain’izy ireo ianao.+  8  Nandroba firenena maro ianao,Ka horobain’ny vahoaka sisa rehetra koa.+Nandatsaka ran’olona mantsy ianao,Sady nahery setra tamin’ny tanySy ny tanàna ary izay nipetraka tao.+  9  Hahita loza ilay manao ny tsy rariny mba hahazoana tombony ho an’ny fianakaviany!*Tiany haorina eny amin’ny avo mantsy ny akaniny,Amin’izay izy tsy ho tratran’ny loza. 10  Namorona tetika ianao ka lasa afa-baraka ny taranakao. Nanota ianao rehefa nandringana vahoaka be dia be.+ 11  Hisy vato hiantsoantso avy eo amin’ny rindrina,Ary hisy vatan-kazo hamaly azy avy eny amin’ny tafo. 12  Hahita loza ilay mandatsa-dra mba hanorenana tanàna,Ary manao ny tsy marina mba hananganana tanàna! 13  Tsy i Jehovah Tompon’ny tafika ihany ve no mahatonga ny asa mafy ataon’ny vahoaka ho levon’ny afo fotsiny?Ary tsy izy ihany ve no mahatonga ny ezaka mafy ataon’ireo firenena ho very maina fotsiny?+ 14  Fa ny tany ho feno fahalalana ny voninahitr’i Jehovah,Hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.+ 15  Hahita loza ilay olona romotra sy tezitra,Ka manome zava-pisotro ny namany mba hahamamo azy,Satria te hijery ny fitanjahany! 16  Hatao afa-baraka tanteraka ianao fa tsy homem-boninahitra. Misotroa koa ianao, dia aleo ho hita hoe tsy mifora.* Hatolotra anao koa ny kaopy eny an-tanan-kavanan’i Jehovah,+Ary ho rakotry ny fahafaham-baraka ny voninahitrao. 17  Fa hivaly aminao ny herisetra nataonao tamin’i Libàna,Ary hihatra aminao ny fandringanana nampatahotra be an’ireo bibidia.Nandatsaka ran’olona mantsy ianao,Sady nahery setra tamin’ny tanySy ny tanàna ary izay rehetra nipetraka tao.+ 18  Inona no soa entin’ny sary sokitra,Nefa ilay namorona azy ihany no nanao sokitra azy? Ary inona no soa entin’ny sarivongana metaly* sy ny mpampianatra lainga,Na dia matoky an’ilay sarivongana aza ilay namorona azy,Ary nanao andriamanitra tsy misy dikany sady moana?+ 19  Hahita loza ilay miteny amin’ny hazo hoe: “Mifohaza!”, Ary amin’ny vato moana hoe: “Mifohaza! Ampianaro izahay!” Nasiana takela-bolamena sy takela-bolafotsy ilay izy,+Ary tsy misy fofonaina mihitsy ao anatiny.+ 20  Ao amin’ny tempoliny masina anefa i Jehovah.+ Mangìna àry eo anatrehany, ry tany manontolo!’”+

Fanamarihana

Na: “toerana voaro mafy.”
Na: “Mba hisosa tsara ny vakitenin’izay.”
Na: “fahatanterahany.”
Na: “Na dia elaela aza.”
Na: “andraso fatratra.”
Na mety hoe “satria manam-pinoana.”
Jereo F.T.
Na: “fireneny.”
Na mety hoe “dia ataovy mivembena ny fandehanao.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”