Habakoka 3:1-19

3  Ny vavak’i Habakoka mpaminany izay nataony an-kira ho fanehoana alahelo:  Jehovah ô, efa reko izay voalaza momba anao.+ Matahotra aho noho izay nataonao, Jehovah ô!+ Velomy indray izany amin’ny fotoana mety aminao.* Enga anie hampahafantarinao ao anatin’ireo taona izany! Aza hadinoina ny mamindra fo, ao anatin’ny fahatezeranao.+  Tonga avy any Temana Andriamanitra, ary avy any amin’ny Tendrombohitra Parana Ilay Masina.+ Sela.+ Nanarona ny lanitra ny voninahiny,+ ary nanenika ny tany ny fiderana azy.+  Toy ny hazavana+ ny famirapiratany. Tara-pahazavana roa no avy teo amin’ny tanany, ary teo no niafenan’ny heriny.+  Areti-mandringana no nandeha teo alohany,+ ary fanaviana mahery no nanaraka tao aoriany.+  Nijanona izy mba hanozongozona ny tany.+ Nijery izy, dia nitsamboatra ireo firenena.+ Potipotika ireo tendrombohitra mandrakizay,+ ary niondrika ireo havoana maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+ Izany no fanaony efa hatramin’ny taloha.  Hitako fa ory ny tranolay any Kosana, ary nitebiteby+ ny tranolay any Midianina.+  Amin’ny renirano ve, Jehovah ô, amin’ny renirano ve ianao no tezitra mafy?+ Sa misafoaka amin’ny ranomasina ianao?+ Fa nitaingina ny soavalinao ianao,+ ary ny kalesinao no nitondra famonjena.+  Nesorina tamin’ny tranony ny tsipìkanao ka mihanjahanja.+ Ny fianianana mafy ataon’ireo foko no teny voalaza.+ Sela. Renirano no nampiasainao hampitresaka ny tany.+ 10  Nahita anao ny tendrombohitra ka nanaintaina mafy.+ Nisy oram-baratra nivatravatra, ary namoaka feo ny rano lalina+ sady nanandratra ny tanany. 11  Tsy nihetsika teny amin’ny fonenany eny ambony+ ny masoandro sy ny volana.+ Toy ny hazavana ny zana-tsipìkanao, izay nandeha tsy an-kiato.+ Ny fanjelanjelatry ny lefonao no nampisy hazavana mamirapiratra.+ 12  Sady nitety ny tany ianao no nitondra fanamelohana. Ary nohosihosenao tamin-katezerana ireo firenena.+ 13  Nivoaka ianao mba hamonjy ny olonao,+ dia ny voahosotrao. Dia notorotoroinao ilay lehiben’ny tranon’ny ratsy fanahy.+ Narodana hatramin’ny tafo ilay trano ka niharihary ny fototra.+ Sela. 14  Ny fiadiany ihany no nanagorobahanao+ ny lohan’ny miaramilany, izay nifofofofo toy ny tadio mba hampiely ahy.+ Falifaly erỳ izy ireo, toy ny olona miafina, izay tapa-kevitra ny handrapaka ny ory.+ 15  Namakivaky ny ranomasina sy ny rano+ be miavosa ianao ka nohitsakitsahinao tamin’ny soavalinao ny fahavalonao. 16  Nony nandre aho, dia nangotika ny kiboko. Nipararetra ny molotro noho izay reko, ary nihalò ny taolako.+ Rehefa nanjo ahy izany, dia nitebiteby aho. Koa hiandry amim-pahatoniana ny andro fahoriana aho,+ eny, hiandry ny hiakarany rehefa hanafika ny olona+ izy. 17  Na tsy mamony aza ny aviavy,+ ary tsy mamoa ny voaloboka, ary na tsy ahitam-bokatra aza ny oliva, ary tsy mahavokatra zavatra hohanina ny tanimboly mikitohatohatra,+ ary na tsy misy ondry intsony aza ao am-bala, ary tsy misy omby ao am-pahitra,+ 18  Dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany aho,+ sy hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy.+ 19  I Jehovah Tompo Fara Tampony no heriko.+ Hataony toy ny an’ny serfavavy ny tongotro,+ ary hampandehaniny eny amin’ny toerana avo+ aho. Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokangako.

Fanamarihana

A.b.t.: “eo afovoan’ireo taona.”