Hagay 1:1-15

1  Tamin’ny andro voalohan’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Mpanjaka,+ dia tonga tamin’i Hagay+ mpaminany ny tenin’i Jehovah ho an’i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ governoran’i Joda,+ sy ho an’i Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka,+ nanao hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:+ ‘Hoy ity firenena ity: “Mbola tsy fotoana hanorenana ny tranon’i Jehovah izao.”’”+  Ary tonga indray tamin’i Hagay mpaminany ny tenin’i Jehovah hoe:  “Izao ve no fotoana tokony hipetrahanareo ao amin’ny tranonareo nopetahana takela-kazo tsara tarehy,+ nefa rava ity trano ity?+  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba diniho ihany ny ataonareo.+  Be no nafafinareo, nefa kely no taomina.+ Mihinana ianareo nefa tsy voky.+ Misotro ianareo nefa tsy ampy hahamamo akory izany. Mitafy ianareo nefa tsy mafana. Ary izay mikarama dia mahazo karama hatao ao anaty kitapo loaka.’”+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba diniho ihany ny ataonareo.’+  “‘Miakara any an-tendrombohitra, ary makà hazo.+ Dia ataovy ity trano ity,+ mba ho fahafinaretako+ sy hanomezam-boninahitra+ ahy’, hoy i Jehovah.”  “‘Be no nantenainareo, nefa kely fotsiny no azo.+ Notaominareo ho ao an-tranonareo izany, nefa notsofiko.+ Fa nahoana?’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. ‘Satria rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hikarakara ny tranonareo avy.+ 10  Koa tsy mandatsaka ando aminareo ny lanitra, ary tsy mamokatra ny tany.+ 11  Ary niantso fahamainana aho mba hamely ny tany, sy ny tendrombohitra, sy ny voa, sy ny divay vaovao,+ sy ny menaka, sy ny vokatry ny tany, sy ny olona, sy ny biby fiompy, ary izay rehetra nisasaran’ny tanana.’”+ 12  Ary i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela, sy Josoa mpisoronabe zanak’i Jozadaka,+ ary ny vahoaka sisa rehetra, dia nihaino izay nolazain’i Jehovah Andriamaniny,+ sy izay nolazain’i Hagay+ mpaminany satria nirahin’i Jehovah Andriamaniny izy. Koa natahotra an’i Jehovah+ ny vahoaka. 13  Ary niteny tamin’ny vahoaka i Hagay irak’i+ Jehovah, araka izay nanirahan’i Jehovah azy,+ nanao hoe: “‘Momba anareo aho’,+ hoy i Jehovah.” 14  Ary nentanin’i Jehovah+ i Zerobabela* zanak’i Sealtiela, governoran’i Joda, sy Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra. Dia niroso izy ireo nanao ny asa momba ny tranon’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+ 15  Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy+ Mpanjaka izany.

Fanamarihana

Na: “ny fanahin’i Zerobabela.”