Hagay 2:1-23

2  Tamin’ny andro fahiraika amby roapolon’ny volana fahafito,+ dia tonga tamin’i Hagay+ mpaminany ny tenin’i Jehovah, nanao hoe:  “Mba lazao amin’i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ governoran’i Joda,+ sy amin’i Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka,+ ary amin’ny vahoaka sisa, hoe:  ‘Iza aminareo no nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha ka mbola velona eto ankehitriny?+ Ahoana no fahitanareo azy izao? Tsy toy ny tsinontsinona+ ve raha oharina amin’ilay taloha?’  “‘Koa mahereza, ry Zerobabela ô!’, hoy i Jehovah, ‘ary mahereza,+ ry Josoa mpisoronabe zanak’i Jozadaka!’ “‘Ary mahereza daholo ianareo mponin’ity tany ity’, hoy i Jehovah, ‘ka miasà.’+ “‘Fa momba anareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  ‘Tadidio ilay fifanekena nataoko taminareo fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta,+ fony teo aminareo ny fanahiko.+ Ary aza matahotra.’”+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hohozongozoniko indray mandeha indray ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny tany maina,+ ary kely sisa+ dia hataoko izany.’  “‘Dia hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra,+ ary hofenoiko voninahitra izy ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “‘Fa ahy ny volafotsy ary ahy ny volamena’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “‘Ho lehibe kokoa ny voninahitr’ity trano ity raha oharina amin’ilay taloha’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “‘Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.” 10  Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’ny volana fahasivy, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Hagay+ mpaminany ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: 11  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba anontanio amin’ny mpisorona izay lazain’ny lalàna+ momba izao: 12  “Raha misy olona mitondra hena masina ao anaty lambany, ka voakasiky ny lambany ny mofo, na ny zavatra nandrahoina na ny divay na ny menaka na ny karazan-tsakafo hafa, ho lasa masina+ ve izany?”’” Dia hoy ny mpisorona: “Tsia!” 13  Ary hoy indray i Hagay: “Raha misy olona maloto satria nikasika faty,* nefa avy eo dia nikasika ny iray tamin’ireo zavatra ireo, tsy haloto ve ilay izy?”+ Dia hoy ny mpisorona: “Haloto izany.” 14  Ary hoy i Hagay: “Toy izany ity vahoaka ity, ary toy izany ity firenena ity eo anatrehako’,+ hoy i Jehovah, ‘ary toy izany izay rehetra ataony, sy izay atolony eo amin’ny alitara. Maloto izany.’+ 15  “‘Koa manomboka anio, dia mba diniho+ ny zava-nitranga talohan’ny nametrahana vato natao fototry ny tempolin’i Jehovah.+ 16  Tamin’izany fotoana izany mantsy dia nankeo amin’ny antontam-bary roapolon’ny famarana ny olona, kanjo folo monja no teo, ary nankeo amin’ny fanantazana mba hanovo divay indimampolon’ny famarana, kanjo roapolo no tao.+ 17  Ary nataoko mainan’ny rivotra mahamay+ sy tratran’ny aretin-javamaniry+ sy havandra+ ny volinareo, dia izay rehetra nisasaran’ny tananareo.+ Tsy nisy nitady ahy anefa ianareo,+ na iray aza’, hoy i Jehovah. 18  “‘Koa manomboka anio fahefatra amby roapolon’ny volana fahasivy, eny, manomboka amin’ity andro ametrahana ny fototry ny tempolin’i Jehovah ity,+ dia mba diniho izao+: 19  Mbola misy voa ve ao an-davaka fitehirizam-bokatra?+ Ary mbola tsy mamoa ve ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra ary ny oliva? Manomboka anio, dia handrotsaka fitahiana aho.’”+ 20  Dia tonga tamin’i Hagay+ fanindroany ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’ny volana,+ nanao hoe: 21  “Lazao amin’i Zerobabela governoran’i Joda+ hoe: ‘Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.+ 22  Dia haongako tokoa ny seza fiandrianan’ireo fanjakana ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ireo firenena.+ Haongako ny kalesy sy ny mpitaingina azy, ary samy ho lavon-tsabatra na ny soavaly na ny olona,+ ka ny sabatry ny rahalahiny ihany no hamely azy.’”+ 23  “‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hampiasa anao aho, ry Zerobabela+ mpanompoko zanak’i Sealtiela’,+ hoy i Jehovah, ‘ka hataoko toy ny peratra fanombohan-kase+ ianao, fa ianao no nofidiko’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.