Hebreo 1:1-14

1  Fahiny ela be, dia niteny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ny mpaminany+ Andriamanitra. Ary imbetsaka+ sady tamin’ny fomba maro no nanaovany izany.  Amin’izao andro farany izao+ kosa, dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Zanaka+ izy. Io Zanany io no notendreny ho mpandova ny zava-drehetra,+ ary tamin’ny alalan’io no nanaovany+ ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.*  Izy io no taratry ny voninahiny,+ ary mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.+ Ny tenin’ny heriny no anohanany ny zava-drehetra,+ ary rehefa avy nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika+ izy, dia nipetraka eo ankavanan’ny+ Lehibe, any amin’ny avo.+  Koa tonga ambony noho ny anjely izy,+ satria nandova anarana+ tsara lavitra noho ny an’ireo.  Iza tamin’ireo anjely, ohatra, no mba efa nitenenan’Andriamanitra hoe: “Ianao no zanako, ary izaho efa tonga rainao androany”?+ Ary koa hoe: “Izaho ho rainy, ary izy ho zanako”?+  Rehefa hirahiny indray eo amin’ny tany onenana ny Lahimatoany,+ dia hoy izy: “Ary aoka hiankohoka eo anatrehany+ ny anjelin’Andriamanitra+ rehetra.”  Hoy koa izy momba ny anjely: “Manao ny anjeliny ho fanahy* izy ary ireo mpanompony* ho lelafo.”+  Fa hoy kosa izy ny amin’ny Zanaka: “Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay+ mandrakizay, ary tehim-pahitsiana+ ny tehim-panjakanao.+  Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, hanosotra+ anao menaka fifaliana mihoatra noho ireo namanao.”+ 10  Hoy koa izy: “Ianao, Tompo ô, no nametraka ny fototry ny tany, fony tany am-piandohana, ary asan’ny tananao ny lanitra.+ 11  Ho levona ireo, fa ianao kosa haharitra foana. Ary ho tonta toy ny akanjo ivelany+ ireo rehetra ireo, 12  sady havalonao toy ny akanjo,+ ka hosoloana toy ny akanjo ivelany, fa ianao kosa tsy miova, ary ny taonanao tsy hanam-pahataperana.”+ 13  Fa iza tamin’ireo anjely no mba efa nilazany hoe: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”?+ 14  Tsy fanahy+ manao fanompoana ho an’ny besinimaro+ ve izy rehetra, ka irahina hikarakara an’ireo handova+ famonjena?

Fanamarihana

Na: “ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao.”
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
“Mpanompo ho an’ny besinimaro.”