Hebreo 12:1-29

  • Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoantsika (1-3)

    • Vavolombelona be dia be toy ny rahona (1)

  • Aza atao tsinontsinona ny famaizan’i Jehovah (4-11)

  • Ataovy mahitsy ny lalana halehan’ny tongotrareo (12-17)

  • Manatona an’i Jerosalema any an-danitra (18-29)

12  Koa satria misy an’ireo vavolombelona be dia be toy ny rahona ireo manodidina antsika, dia andao koa isika hanala an’izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota mora manakantsakana antsika,+ ary andao isika hanohy an’ilay hazakazaka asaina ataontsika+ ka haharitra amin’izany. 2  Sady mihazakazaka isika no mibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sady Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.+ Fa niaritra hazo fijaliana* izy noho ilay fifaliana natao teo alohany, ka tsy nampaninona azy ny ho afa-baraka, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy.+ 3  Diniho tsara àry ilay niaritra ny teny feno fankahalana nolazain’ny mpanota+ izay nanimba ny tenany. Amin’izay ianareo dia tsy ho reraka na ho kivy.+ 4  Miady mafy amin’izany ota izany ianareo, nefa mbola tsy tonga hatramin’ny fandatsahana ny ranareo. 5  Ary efa hadinonareo tanteraka ilay fiangaviana anareo hoatran’ny ataon’ny ray amin’ny zanany, hoe: “Aza atao tsinontsinona, anaka, ny famaizan’i Jehovah,* ary aza kivy raha anariny ianao. 6  Fa izay tian’i Jehovah* no faiziny. Saziny* izay raisiny hoatran’ny zanaka.”+ 7  Mila miaritra ianareo, fa anisan’ny famaizana* anareo izany. Mitondra anareo hoatran’ny zanaka+ mantsy Andriamanitra. Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?+ 8  Raha tsy faizina hoatr’izany ianareo rehetra, dia tena zazasary fa tsy zanaka. 9  Ankoatra izany, dia nanafay antsika ny ray olombelona niteraka antsika,* ary nohajaintsika. Tsy vao mainka àry ve isika tokony hanaiky an’ilay Ray mitarika ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanahy masina, dia amin’izay isika ho velona?+ 10  Nanafay antsika vetivety ihany izy ireny, araka izay hitany fa mety, fa Izy kosa manao an’izany mba hahasoa antsika, dia amin’izay isika ho masina+ hoatr’azy koa. 11  Marina fa hoatran’ny hoe tsy mahafaly eo no ho eo ny famaizana, fa mampahory.* Avy eo anefa dia misy vokany tsara izany famaizana izany, dia fiadanana sy fahamarinana ho an’izay nampiofanina tamin’ny alalan’izany. 12  Hatanjaho àry izay miraviravy tanana sy malemy lohalika.+ 13  Ataovy mahitsy foana koa ny lalana halehan’ny tongotrareo,+ mba tsy hifandiso ny tonon-taolan’izay malemy tongotra, fa mba ho sitrana. 14  Ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra,+ ary miezaha ho masina foana.*+ Tsy hahita ny Tompo mantsy izay tsy masina. 15  Mitandrema tsara ianareo rehetra, sao dia tsy hanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-panahiny miavaka. Amin’izay koa tsy hisy faka feno poizina hipoitra eo aminareo ka hampisy olana sady hanapoizina* olona be dia be.+ 16  Tandremo koa sao hisy mpijangajanga* aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao, izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny sakafo indray mihinana.+ 17  Fantatrareo fa nolavina izy tatỳ aoriana, rehefa te hahazo an’ilay tsodrano. Fa na dia niezaka mafy nampiova hevitra ny rainy aza izy sady nitomany,+ dia tsy nisy vokany izany.* 18  Ianareo mantsy tsy nanatona tendrombohitra azo tsapain-tanana+ sady nirehitra,+ na rahona mainty, na haizina mikitroka, na tafio-drivotra mahery,+ 19  na feon’ny trompetra+ notsofina mafy be, na feo niteny tamin’ny vahoaka.+ Rehefa naheno an’izany feo izany ny vahoaka, dia nitalaho mba tsy hisy zavatra holazaina aminy intsony.+ 20  Fa tsy zakan’izy ireo ilay didy hoe: “Na biby aza no mikasika an’ilay tendrombohitra, dia tsy maintsy hotoraham-bato.”+ 21  Nampahatahotra loatra koa ilay zava-niseho tamin’izany, ka hoy i Mosesy: “Matahotra sy mangovitra aho!”+ 22  Fa ny hatoninareo kosa dia Tendrombohitra Ziona+ sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra;+ sy anjely an’alinaliny 23  miara-mivory; sy ny fiangonan’ny+ lahimatoa voasoratra any an-danitra; sy Andriamanitra, ilay Mpitsara ny olona rehetra;+ sy ny olo-marina manaraka ny fitarihan’ny fanahy masina+ ka efa natao lavorary;+ 24  sy Jesosy, ilay mpanelanelana+ amin’ny fifanekena vaovao;+ ary ny ra nafafy izay miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela.+ 25  Mitandrema ianareo sao tsy mety mihaino* an’ilay miteny. Izay tsy nety nihaino an’ilay nilaza ny fampitandreman’Andriamanitra teto an-tany aza tsy afaka nandositra, koa mainka fa isika raha tsy mankatò an’ilay miteny avy any an-danitra isika!+ 26  Nanozongozona ny tany ny feony tamin’izay,+ fa amin’izao kosa izy nampanantena hoe: “Mbola hohozongozoniko indray ny tany, nefa tsy ny tany ihany fa ny lanitra koa.”+ 27  Ilay teny hoe “indray” dia midika fa hesorina izay zavatra hozongozonina, izany hoe ny zavatra natao, amin’izay mba ho eo foana ny zavatra tsy hozongozonina. 28  Hahazo Fanjakana tsy azo hozongozonina isika, ka andao àry isika hiezaka hatrany mba hanehoana hatsaram-panahy miavaka foana. Izany hatsaram-panahy miavaka izany mantsy no ahafahantsika manao fanompoana masina azony ekena, sady matahotra sy manaja azy ihany isika amin’izany. 29  Fa afo mandevona ilay Andriamanitsika.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Abt: “Karavasiny.”
Na: “fampiofanana.”
Abt: “ny rain’ny nofontsika.”
Na: “mampijaly; mahatonga alahelo.”
Na: “ary ataovy izay hanamasinana anareo.”
Na: “handoto.”
Abt: “tsy nahita toerana ho an’izany.”
Na: “sao mitady fialan-tsiny; sao tsy miraharaha.”